Genesisy 16: 1 – 16

Abrama izay niova ho Abrahama ny anarany taty aoriana dia voalaza fa rain’ny mpino. Natoky an’Andriamanitra tokoa izy teo amin’ny fiainany. Na izany aza dia sahirana izy vao nanan-janaka satria ela dia ela i Saraha vao niteraka an’i Isaka.   Ary Saraha noho ny famaizany dia nandefa an’i Abrahama ho amin’ny mpanompovaviny ho vadiny. Ary ny zanak’ireo dia heverin’i Saraha ho toy ny zanany. Kanefa rehefa bevohoka tokoa i Hagara dia voalaza fa nanao tsinontsinona an’i Sara izy. Ka nahatezitra an’i Sara izany.

Ilay heverina fa mety hahasoa ny rehetra dia nanjary tonga fiandohan’ny olana. Tsy zakan’i Hagara ny nahita an’i Sara satria te hanana toerana lehibe eo anatrehan’i Abrama angamba izy satria mitondra ny zanany. I Sara koa etsy an-daniny dia nalahelo noho ilay fijerin’ny mpanompovaviny (and :4). Tafiditra lalina amin’io tsy fifankahazona io koa Abrama ka rehefa notenen’i Sara dia nanome an’i Hagara ho eo am-pelatanan’i Sara (and : 6). Manana zo amin’ny fifehezana an’i Hagara ? Nahazo nanao izay tiany natao taminy izy.Voalaza aza fa nampahoriana izy nefa manan’anaka. Mampametra-panontaniana ihany izany. Ka dia lasa nitsaoka i Hagara. Niafiana tany an-tany efitra.

Rehefa miala eo amin’ny tompony izay lehibe izy dia tsy hisy izay handray azy satria voafehin’i Abrama ny manodidina azy. Lasa irery i Hagara izany.Tamin’izany fotoana izany moa dia niara-nonina teo akakin’i Abrama daholo ny fianakaviana rehetra sy ny mpanompo.Ary dia maro an’isa rizareo na dia trano lay aza no nitoerana.

Tany an-efitra anefa dia nahita azy ny Anjelin’ny Tompo. Ny anjely dia olona  iraka anankiray izay hitondra soa ho an’izay tafahaona aminy. Hitondra hafatra na hanoro hevitra.Ary ity faharoa ity no zavatra nitranga. Nasain’ilay anjely niverina tany amin’i Sara sy Abrama i Hagara ary nasainy koa nizaka ny zavatra mitranga ao. Hoy ny voalaza « miareta izay ataony aminao (and :9) ».Tao amin’ny resaka nataon’ny anjely dia nisy fitahina lehibe voalaza mikasika ny zanak’i Hagara.Dia niverina i Hagara ary nataon’i Abrama Ismaela ny anaran’ilay zananilahy, izay midika hoe : Andriamanitra mihaino.

Misy ny hifandraisan’i Sara sy Hagara eo amin’ny tantara satria i Sara koa dia namidin’i Abrama mba hanavotana azy tamin’ny mosary rehefa tany Ejipta. Na dia fantatr’i Abrama aza ny tsy fanana antra ny mpanompovavy dia tsy nanakana izy hanome fahefana an’i Sara handroaka an’i Hagara.

Misy tantara mitovy amin’ity an’i Sara sy Hagara ity koa dia ny an’i Rahely sy Lea. Mpirahavavy nefa nanambady olona iray dia i Jakoba. Fifandirana ny azy roa vavy noho ny iray tsy niteraka tam-boalohany

( Gen 30 : 1- sy ny sisa ).

Mahagaga ny somary fitovin’ny tantara.

Hitantsika amin’ny tantaran’i Hagara, Sara, Rahely, Lea ny fitadiavana mafy ny hanan-janaka . Samy nanana ny fijaliana na izay niteraka na izay tsy niteraka. Rehefa maty ka nalevina i Abrama dia samy teo daholo na Isaka na Isamela.Nandevina teo amin’ny zohy teo Makpela (Gen 25 : 9).

Amin’izao fotoanantsika izao koa dia misy maro karazany ny olona mitady zanaka.

  • Ao ireo izay mahazo zaza ary tsy misy olana ny amin’izany.

Fa ao ireo izay sahirana ny amin’ny hahazona zaza ary maro karazany izy ireny.

  • Ao izay manatona ny mpitsabo aloha ary manaraka fikarakarana isakarazany. Maharitra amin’izany. Misy ny mahita valiny .Misy ny tsy mahita. Mijanona ho momba izy mivady.
  • Ao ireo mifankatia izay tsy misora-panambadina fa miara-mitoetra.Ataon’ny malagasy hoe : manao toka-trano maso. Maniry tokoa hanan-janaka. Matetika ny mpiara-monina na ny fianakaviana akaiky aza dia tsy mankasitraka loatra.
  • Ao koa ireo amin’ny tany sasany izay lahy samy lahy no miara-mitoetra koa na vavy samy vavy. Nefa dia te hanan-janaka koa. Ady hevitra lehibe ny amin’izany fikasana izany.
  • Ao koa ireo vehivavy tokatena izay manan-janaka. Tena sahirana mafy tokoa izy ireny satria ny fitsaran’ny fianakaviana sy manodidina dia miaraka amin’ny latsa.Ary tena mahatsiaro irery aza.
  • Any amin’ny tany hafa dia hitantsika koa ny manambady maro. Ary izay tsy miteraka dia tena sahirana tokoa ny vehivavy.Satria heverina ho tsy manan-danja eo anatrehan’ny hafa.
  • Tao Madagasikara dia tamin’ny andron’i Ranavalona II no voarara tsy hanambady maro ny lehilahy .Ary hihazona vady iray ihany. Betsaka ny tsy faly tamin’izany.(Rebik’ondry)

Tsy dia ny ny fisehon’ny karazam-panambadiana no tiako ho marihina eto. Fa ilay fomba fijerin’ny tsirairay.  

Olana goavana satria fijery tena manambany izay olona jerena. Ary azo lazaina fa fankahalana tanteraka. Maro ny manilika izay tsy mitovy aminy. Ary dia maika ery ny mitsara.Tahaka ny tena ihany no manana ny marina sy manao ny mety.

Jereo tsara ny fampiasana eto amin’ity Genesisy 16 ity ny teny hoe « maso sy mahita » eo amin’ny and :4 sy 5. I Hagara dia nanombana an’i Sara. Ary ny masony dia milaza ny zavatra eritreretiny. Ny fototenin’ny hoe « maso » amin’ny teny hebreo dia hoe « loharano, na fihaviana ». Ka avy ao izany no hipoiran’ny fandajanlanjana ny zavatra izay hita, izay jerena.

Ny fanamarihana faharoa dia ny fanana hery izay aseho amin’ny sarin’ilay tanana (and :6) hanameloka. Abrama dia mametraka eo am-pelatanan’i Sara ny ho avin’i Hagara.

Ny fanamarihana fahatelo dia ny fisin’ny anjelin’ny Tompo. Ilay olona tsy fantatra fa miaraka amin’i Hagara. Io dia zava-dehibe satria ao anatin’ny fisin’ny toe-javatra tahaka izay sy ireo hafa voalaza dia misy fahorian-tsaina izay nahavoa azy. Hay miteraka olana ny fihavin’ilay zaza. Na ny fomba nahatongavan’ilay vehivavy ho bevohoka fotsiny aza. Na taloha na ankehitriny amin’ny fampiasana fitaovana vaovao. Eny fa na dia ny fananganan’anaka aza dia mety hampiteraka disadisa sy olana koa. Tsy mora ny zavatra mitranga ho an’izay miaina izany. Ary izay no tiako amin’ity anjely ity.

Tao anatin’ny fotoana sarotra dia tsy mba nandatsa na naneso na nitsara. Fa niresaka tamin’i Hagara. Nanontaniana hoe avy taiza ? Ho aiza ? Nihaino izay lazain’i Hagara. Ary nanoro hevitra na dia sarotra tanterahana aza ny voalazany. Nasainy niverina tany amin’ny nihaviny i Hagara. Ary nampahery azy. And 11-12 : Fahasoavana lehibe no re, fanambinana ny taranaka tsy misy ohatr’izany. Zaza hifanandrana amin’ny hafa nefa dia hatanjaka. Hery lehibe tsy misy ohatr’izany ho an’i Hagara ka nahafahany niatrika ny ho aviny. Hoy aho teo aloha hoe : niara-nandevina ny rainy izy mirahalahy zanak’i Abrahama. Izany hoe : Nihavana izy roa lahy na dia tsy nifankahazo aza ny reny roa.

Izay no tsara ezahan’ny kristiana indrindra indrindra dia ny hanampy izay ao anatin’ny fijaliana.Fa tsy hanenjika. Misy aza tsy kristiana mikarakara ireo olona voalaza sahirana eo amin’ny fitadiavan-janaka. Koa ny kristiana  tokony tsy hankahala sy tsy haneso.Ary hiara-dia tahaka nataon’ity anjelin’ny Tompo ity amin’izay mitady vonjy.Mbola misy ihany mantsy amin’ny fiangonantsika ny mametraka ny olona fa tsy misora-panambadina, na tsy natao ny fitsofan-drano dia tsy afaka manao diakona, na mandray akory aza ? Maika moa raha miteraka tsy manambady ny tovovavy dia na ny ray amandreny aza dia tsy mahazo mandray ny fanasan’ny Tompo. Ny fomba fiteny izay makarary saina dia hoe : «  apetraka aloha rizareo » ! Misy ny kristiana sasany dia mihevitra fa azy ny fitsarana ny kristiana namany. Hadino fa Jesosy ange ka ireny olona voan’ny fahoriam-panahy ireny indrindra no nokarakarainy. Ireny no nampahereziny. Ireny no nitenenany. Tsy maintsy miatrika zavatra sarotra satria eto an-tany fa asainy mandroso koa.

Ilaina ny fihaoanan’ny kristiana amin’ny fiaraha-mivavaka sy ny miara-mifaly. Tsy ampy izany satria na dia ao amin’ny fiangonana aza dia misy izay voahilika noho ny antony maro.Satria tsy mitovitovy amin’ny eritreritry ny tena na ny fitsipiky ny fiangonana. Malaky mitsara aza ny kristiana sasany. Raha kristiana tsy manatona afa-tsy izay mitovy aminy ka manadino fa asain’Andriamanitra manatona sy miantra ny manana fahorian-tsaina sy fanahy izy dia fiangonana tsy mijoro amin’izay maha-vavolombelon’Andriamanitra azy izy.Koa manokana fotoana hiheverana izay ilan’Andriamanitra anao. Indraindray zavatra kely fotsiny no ovaina eo amin’ny fiainana dia manokatra varavarana mahasoa ho an’ny olona maro mifanerasera amintsika. Ary hihatsara ny fijerintsika ny hafa.Ho voninahitra ho an’Andriamanitra namonjy antsika tao amin’ny sarotra teo amin’ny fiainantsika.