Fanaon’ny INALCO sy ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa no manokana fotoana hiaraha-mijery sy mampita ny literatiora malagasy. Hitanao io ny fanasana sy ny fandaharana. Ny asabotsy 25 febroary 2017.Ny tolakandro ihany no natrehako fa araka ny voalazan’ny maro tao dia betsaka koa ny olona tonga tamin’ny maraina.

Tamin’ny taona lasa raha sendra nifanena tamin’ny olona tena mahay teny malagasy aho sady tena malaza koa moa izy. Dia izao no nolazainy : ho hampianarina mihitsy ianareo aty am-pita satria very ny tenindrazana aty aminareo. Somary taitra ihany aho rehefa nahare izany. Any Madagasikara hoy izy dia tena sarotiny fa raha olona manana andraikitra no tsy mahay teny malagasy dia ho antsointsoin’ny vahoaka. Tsy namaly aho satria tsy te-hifamaly taminy. Fa rehefa mijery ireny amin’ny interneto ireny sy ny valan-dresaka ary ny fifanakalozan-kevitra sy ny hafa dia hitako fa be ny manafangaro ny teny frantsay sy teny malagasy. Ka dia azy ny azy fa tsy hitsara azy aho.

Marina fa tsy mahay teny malagasy daholo angamba ny aty Frantsa nefa dia hitako fa misy ihany ny ezaka na dia atao aza hoe sarotra ary somary mandeha mora.Tsy maninona izany.

Nahita fifaliana aho tamin’io andro io satria nanampy ny zavatra izay tsy fantatro ny fanatrehana ny voalaza tao.

Nahavariana ahy koa ireo ray amandreny mpanoratra toa an-dry Abel Andriarimalala, ry FX Mahah,  Antsiva, ry Ramy Laza mikikitra ny amin’ny fandalinana ny hampitana ny literatiora ary nitantara ny nahatonga azy ho mpanoratra. Ka namisavisava indrindra ny tany am-piandohany. Tao koa ry Toetra Raja izay avy lavitra nefa faly niara-nientana tao, i Volatiana Rahaga koa izay niampita ranomasina ka dia niaraka tao .Faly dia faly ange izy miandahy ireo no mamporisika tokoa ny fitiavana manoratra. Samy nilaza ny nipoiran’ny aigam-panahiny ary nahavitana boky izany.  Tsy hadino, ry Rani, ry Andriman, ry Andry Salomon, ry Lalah. ( Ireo no voatonina dia satria ao amin’ny Havatsa Upem Sampana France).Ny mpampianatra rehetra tao amin’ny Inalco ao anatin’izany Malanjaona Rakotomalala Tale ary koa ireo mpianatra amin’ny ambaratonga samihafa izay niantsa ny teny malagasy, nisy sinoa aza. Ary i MRG izay namarana ny fotoana ka namintina ny voalaza tao ary nanainga ny fihetsem-po amin’ny fitiavana ny teny malagasy sy ny maha-malagasy. Ho anao izay tsy mahalala dia efa zato (100) taona mahery izao no nisin’ny fampianarana teny malagasy ao amin’ny Inalco. Zava-dehibe tokoa izany.

Ny andro dia inoako fa manome fotoana izay hahazona mianatra hatrany amin’ny fomba samihafa araka izay zavatra tadiavina.Na dia toa ny sento iray ao anatin’ny indray andro aza. Arakaraky ny hirosoan’ny taona no vao maika mahaliana ahy hihaino, hikaroka, handinika, hizara. Izay no nametrahako ny lahatsoratra eto ao amin’ny « Tsara ho fantatra ».

Fa tao koa ry Dédé Sorajavona sy Raivo Patricia izay nikalo tamim-pitsikitsikina.

Ny mahaliana ahy dia ny zavatra voasoratry ny mpanoratra ary ny fahafantatrana ny mpanoratra na dia tsy fantatro tarehy fa ny fahalalana ny anarany dia sarobidy. Mahafinaritra ahy koa ny mahare ny feon’ny tsirairay izay samy manana ny azy.Tena samy kanto.Tsy misy olona afaka milaza hoe tena haiko na fantatro tokoa i Ranona fa sombintsombiny ihany.Ho ahy dia ampy izay. Fa ilay asany no tiako hiverimberenana araka ny fotoana atolotry ny andro ahy.

Tsy hadinoko akory ireo mpitarika ny fotoana dia i Hanitr’Ony izay filohan’ny Havatsa eto Frantsa ary Narivelo Rajaonarimanana izay Tale taloha tao amin’ny Inalco. Nahay nandrindra ny fotoana ka satrin’ny olona aza ny te-hijanona teo fa saingy voafetra ny fotoana. Izy mianadahy farany ireto dia singaniko kely. Ny iray zafiafina mpitandrina ary ny iray kosa zafikelina mpitandrina.

Rehefa mandinika ny zavatra voalaza tamin’io andro io aho dia mahatsiaro ilay teny hoe : « Ny indray andro dia toa ny arivo taona ». Vetivety ary tsy hita ny fandalovan’ny tantara sy ny soratra raha tsy misy mampita.

Isaorana ny rehetra na ny tonga na ny tsy afaka nanatrika.