TENY HOVAKIANA

I SAMOELA 3 : 1-19

1 KORITIANA 6 : 12-20

JAONA 1 : 35-51

Izay voasoaratra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia nitantaran’ny niantson’i Jesosy ny mpianany voalohany. Fomban’ireo mpampianatra tamin’izany fotoana izany no maka mpianatra hiaraka aminy. Eto koa Jesosy dia niantso mpianatra hiaraka amin’ny. Angamba fomba izany nefa kosa dia hitantsika fa mila olona ny Tompo amin’ny fanatanterahana ny asany. Ireo no nomaniny handimby Azy rehefa tsy eto ambon’ny tany intsony. Dia hoy isika : » Raha Andriamanitra tokoa Jesosy moa ve nilainy ny fanampian’ny olona hafa teo amin’ny fantanterahany ny asany. » Ary moa tsy mbola toa izany koa ny fakam-panahy mahazo antsika amin’izao fotoana izao. Mbola heveritsika fa vitan’Andriamanitra daholo ny asa rehetra ka dia miandry ny valiny fotsiny isika. Mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra.

Fa andeha ho jeretsika ny karazan’olona ilain’ny Tompo hiara-miasa amin’ny. Ho hitatsika izany amin’ny fijeretsika ireto mpianatry Jesosy voalohany.

Ny voalazan’i Jaona eto dia Andrea, raha ny fitantaran’ny Filazantsara hafa dia i Jaona koa ny iray, nefa satria angamba sarotra ny mitantara tena dia tsy nambarany ny anaran’ilay faharoa. Andrea sy Jaona dia Galiliana. Tsy vitsy ny nihevitra ny Galiliana ho olona tsy dia mankaiza loatra. Saika tsy dia nisy tanan-dehibe loatra tany Galilia hany ka ny ankamaroan’ny Galiliana dia tatsaha na mpanarato. I Andrea sy Jaona izay mpianatry Jaona Mpanao Batisa dia mpanarato ary mbola manao izany asa izany rehefa tsy mianara amin’i Jaona mpanao Batisa. I Simona Petera koa izay rahalalin’i Andreé dia mpanarato. I Filipo indray dia olona hitan’i Jesosy teny an-dalana. Galiliana koa satria avy an’i Betsaida, tanana kely eo amin’ny farihin’i Generaseta. Raha i Andrea sy Jaona dia fantatra fa efa mba manana izay mahaizy azy ihany raha ny fivavahana satria efa mpianatry Jaona Mpanao Batisa. I Simona Petera indray dia rahalahin’i Andrea ka tsy hisalasalana fa efa mamndroso amin’ny fivavahana. I Filipo dia tena olona notsiponina teny an-dalana natsoina dia manaraka ohatry ny tsipolitra. I Natanaela kosa dia karazan’irony matikambo ka tsy menatraka akory manabaty  » Moa mba misy zava-tso va avy any Nazareta « .Olona fatra-pitana ny mahajiosy azy ka manaraka ara-bakiteny izay voalaza ao amin’ny lalan’i Mosesy. Raha tohizantsika ireo mpianatra tsy voalaza eto, dia hitantsika ry Matio mpamory hetra izay mpiasan’ny Romana, tao koa ry Simona Zelota izay tia tanindrazana ka niady tamin’ny Romana, ry Jodasy tambonivohitra sy mahay ny fitantanana ny vola (gestionnaire).

Izany rehetra izany dia hahazoantsika milaza fa mila olona isakarazany ny Tompo hiara miasa Aminy. Tsy mijery fahaizana Izy tsy mijery ny harenan’ny tsirairay avy Izy, tsy mijery firehana politika… Ao amin’ny Fiangonana ilain’ny Tompo ny be tsy miteny, ny basy vava, ny be mokon-doha. Any amin’ny toerana sasany hono tsy lany diakona raha tsy ny manakarena sy ny manana toerana ambony. Dia hoy isika, izany ve dia mba tian’ny Tompo.

Hoy Natanaela tamin’ny Jesosy : « Ahoana moa no hahafantaranao ahy » Jesosy namaly azy hoe : « Fony mbola tsy niantso anao i Filipo dia hitako tao ambany aviavy hianao » . Fantatry Jesosy daholo isika ary raha araka ity resaka nifanaovany tamin’i Natanaela ity dia manara maso antsika amin’izay rehetra alehatsika ny Tompo. Koa raha nifidy anao Izy dia efa nandanjalanja vao mifidy anao hiara miasa aminy. Fomba maro koa np hiantso ny Tompo antsika mety mivantana amitsika izy. Mety ho ny namatsika no hampiasainy hiantso antsika, nefa mety ho fifandahatra Aminy mihitsy isika voa manaiky.

Na toa inona na toa inona fomba niantson’ny Tompo antsika, na toa inona na toa inona asa ilainy antsika, mino aho fa tsy hisy na dia iray aza hitsoak’ady, fa hiteny hoe ity aho Tompo.