Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy hankalazaina amin’ny 8 marsa 2017 dia manolotra olona iray tsara ho fantatra. Malagasy, mpitandrina ary tsy zovina amin’ny maro.

Raha nandalo teto an-tokantranonay Rabemila Rahantamananivo Yvette mpitandrina tamin’ny marsa 2015 dia nanolotra anay boky iray. Nosoratany tamin’ny taona 2011.

« Tao-pitahiana 40 nahazoana nanompo ».

Tsy nijanona aho raha tsy voavaky indray mandeha fa tena mahaliana ilay izy. Feno fifaliana tokoa aho rehefa namaky io boky io. Nozaraiko tamin’ny fianakaviako izany fifaliana izany satria i Rabemila Yvette dia nahalala  ary tsy nanadino ny manontany vaovao momba ny zanakay. Zava-dehibe izany indrindra rehefa ela tsy mifankahita.  Taty aoriana dia niverenako vakiana tapatapany ilay boky. Tsy ho voafintiko eto ny voalaza rehetra ao.

Fa ny tiako ambara aminao mpamaky dia ny fitantarany ny naha-fahasoavana ny niantson’Andriamanitra azy.

Maro dia maro ny olona ao amin’ny fiangonana eto Madagasikara no mahalala azy.  Ary tsy latsa-danja koa na any ivelany aza. Indrindra moa any amin’ny tany miteny anglisy. Matetika dia izy no anontanian’ny olona raha mahafantatra mpitandrina malagasy vehivavy ianao. Fantatrao ve Rabemila Yvette ? Mahafantatra an’i Rabemila Yvette ve ianao ?

Ity boky nosoratany ity dia milazala ny momba azy. Toa ohatrin’ny boky tsotra .Ka heverina fa « biografia » fotsiny.Fa manana ny lanjany izay voasoratra rehetra ao. Rehefa aty aoriana mantsy vao manoratra ny mpanoratra dia eo no hahitana ny hoe : hay ve tahak’izao izany no nitranga nahatonga ahy tahaka izao. Maro ny zava-nitranga tsy ampoizina. Indrindra raha nanomboka hatrany am-piandohana tany amin’ny fahazazana. Misy lesona lehibe azo raisina eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana ato amin’ity boky ity.

«… mbola kely izany izahay dia nozarin-dry Dada nifankahazo tamin’ny karazan’olona maro ; nandray vahiny izy ary namangy matetika ireny olona ireny koa noho ny fifankatiavana tamim-pahatsorana nisy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Tian’ny olona i Dada tany Vohipeno.Nisy olona aza dia nanome anarana ny zanany hoe Rabemila…» p. 12

 

Eo amin’ny fahatanorana koa ny fisafidianana ny fianarana sy ny asa izay hizorana ny amin’ny ho avy. Nazoto tamin’ny fianarana Rabemila Yvette tao an-tanindrazana. Ary nanatanteraka ny faniriny ny tamin’ny fanohizany izany tany am-pita.Tsy mba nirehareha tamin’izany izy. Ny fampandrosoana ny Fiangonana ao Madagasikara no nahamaika azy.

Tsy nifidy ny toerana izay nanendrena azy hiasany mihitsy izy. Io koa dia lesona iray izay mampiseho ny fankatoavana noho ny fiaraha-miasa. Nanana asa fanompoana isakarazany maro nandritra izay 40 taona izay. Indrindra ny naha-Tonia mpanampy azy, ary naha-Filoha mpanampy azy teo amin’ny sahan’ny FJKM. Ny tsy fandavany izany asa an-koatry ny fitondram-piangonana dia mampiharihary ny fivelaran-tsaina. Fa tsy midongy toerana toa izay misy ka na telo-polo na efa-polo taona dia eo ihany.

« …Zava-baovao natsangan’ny Foibe tamin’izany ny atao hoe : Foiben’ny Asa Soratra Kristiana (FASK), mba ho fandrindrana ny asa soratra avoakan’ny Sampana sy Sampanasa ary Mpiandraikitra telo tonta dia ny Foibe sy ny Fitondram-piangoanana ary ny Fitondran-Sekoly ; sady famaritana ny tondrozotra iombonana amin’ny asa soratra ao anatin’ny FJKM izany no fampirisihina ny olom-piangonana hamokatra asa soratra. Nomena toerana ao amin’ny fiainan’ny fiangonana ny literatiora kristiana.Tsy tsaroako izay nahatonga ahy ho mpitantsoratr’izany FASK izany, fa ny fifaliako dia izaho nahazo asa hatao na dia  tsy andraisam-bola aza izany … » p. 60

Ho lesona ho antsika iray hafa koa dia ny filazalazan’ny olona momba azy. Samy manana ny filazany.

« … Ny herinao dia ny fahasahianao izay tsy mamitaka anao fa manaiky hiatrika zava-tsarotra ianao na dia misy aza ny sakantsakana. Manaiky handray andraikitra tsy takatry ny saina, tahaka ny tany Londres, ohatra, tany amin’ny CEVAA (Communauté des Eglises d’Action Apostolique) koa, ary nanaiky hiasa any Madagasikara miaraka amin’ny olona tsy mitovy firehan-tsaina… » p. 114

Tamin’ny fandalovany tao Suissse tamin’ny 2015 no nahazony ny « Prix Sylvia Michel » (niaraka tamin’i Brigitte Rabarijaona, mpitandrina koa).Izay tsy hampiasainy ho azy roa vavy fa ho amin’ny fampiofanana mpitandrina. Maha-te hidera izany.

Ankehitriny na dia efa misotro ronono aza Rabemila Yvette dia tsy mitsahatra ny manampy ireo mpiara-miasa sy ny kristiana ary ny hafa eo amin’ny talenta izay nomen’Andriamanitra azy. Antenaina fa any aoriana mbola hisy ny hanohy sy hameno ity tantaram-piainan’ny mpitandrina iray ity.

Ny famakiantsika ny boky toa izao dia manampy amin’ny fahafantarantsika olona iray. Ary miditra tsikelikely ho amin’ny tantaran’ny Fiangonana eto Madagasikara izany any aoriana. Ny tsy fahalalana ny tantara koa no mampiteniteny foana ary mampita zavatra diso. Tsy ny teo aloha ihany no tsara ho fantatra fa ny amin’izao fotoana izao koa. Rabemila Yvette, mpitandrina, vehivavy, nahavita ny asa natolotr’azy. Tsy voninahitra ho azy fa an’ilay Tompon’ny asa dia Jesosy Kristy. Ho famonjena izao tontolo izao. Tsy ho diso fanantenana ianao raha mamaky ny bokiny.

*Sary nalaina tamin’ny conférence tao amin’ny DEFAP, tamin’ny mars 2015. Niarahan’i Rabemila Yvette mpitandrina sy Nathalie Leenhardt, co-directrice Journal Réforme ankehitriny.