­­­­Matio 5 : 13 – 16

Ao anatin’ilay fampianaran’i Jesosy manomboka ny toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 ny toriteny izay ho halahatra. Natambatr’i Matio ho lohateny iray hoe « Ny Toriteny teny an-tendrombohitra ».  Lava be anefa voatsinjara mazava ao anatin’ny lohateny madinika miisa 17. Hita amin’izany ny fampiasana ny sary sy ny fiainana an-davan’andro.

Ny eto dia andininy telo monja nefa tena mafonja (5 :13-16)

Ny sira. Toerana roa no hahitana ny sira amin’ny akapobeny. Ny sira alaina avy amin’ny ranomasina. Ny sira avy anaty tany. Rehefa mikasika sira na vovon-tsira  ao anaty felan-tanana dia lasa eritreritra ihany.  Misy lokony isakarazany : somary tsy tena fotsy ny sasany ary misy aza ny mena, mavokely. Fa ny tena mahafinaritra dia ilay izy tena madio sy fotsy mangatsakatsaka. Antsoin’ny mpanjifa lehibe eran-tany hoe « or blanc ». Ny fahazoana azy dia mampiasa ny herin’ny tena sy ny sandry.Izay vao mandeha amin’ny masinina samihafa. Fa tsy azoazo foana amin’izao.Miasa mafy ny mpitrandraka sira indrindra any am-piandohana na an-dranomasina na an-tampontanety.

Matetika ny sira dia hampiasaina amin’ny sakafo mba hampisongadina ny hatsaran’ny sakafo. Misy ny tia manao sira betsaka na dia rarana aza izany fa mety hiteraka tsy fahasalamana. Mandoro ny any anaty tena izany. Misy ny lalàna mifehy ny fampiasana ny sira toy ireny sakafo atao amin’ny boaty, na ny hena izay hamainana. Misy koa sakafo izay efa manana ny tsiron’ny sira ka ampy eo amin’ny fampiasana azy. Ilain’ny tenan’ny olombelona koa ny sira. Ary ny tsy fananana azy koa dia miteraka fahafatesana rehefa ela ny ela. Raha misy voly eny an-tsaha ka rarahana sira na ranon-tsira dia maty satria manamaina ilay voly sy ny tany. Ary sarotra ny mbola ambolena eo amin’ny manaraka.

Tsy vitan’ny zava-dehibe ny sira fa tena sarobidy tokoa. Ary tena lafo fa tsy araka ny fieritrerentantsika azy.

Nefa dia io sira io no nalain’i Jesosy ho ohatra voalohany eto amin’ny toriteny ity mahatonga ny olona ho fanasina.

Ny fahazavana. Misy ny fanazavana ilain’ny olombelona rehefa maloka sy maizina ny andro ka mampiasa jiro.Ao ny afo arehitra, ny labozy, ny fanala asina solika, ny jiro avy amin’ny herimbaratra, na avy amin’ny masoandro … Fanazavana tena hain’ny olombelona ny mampiasa sy mamorona azy. Maro ny mpanao tononkalo no mampiasa ny teny masoandro sy ny volana ary ny kintana mba hilazana ny eritreriny. Indrindra eo amin’ny lafiny fitiavana. Tsy mety tapitra izany fa dia misy vaovao hatrany. Fa ny fanazavana voajanahary : ny masoandro, ny volana, ny kintana dia tsy hain’ny olombelona foronina. Raha tsy misy ireo dia ho fahantrana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao. Satria ireo no loharano manazava ny tany sy ny lanitra.

Isan’andro mila sira, isan’andro mila fahazavana . Ary ireo no hampifandraisan’i Jesosy Kristy amin’izay mpanaraka azy mba hijoro tanteraka eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Ireo mpianatra voalohany nanaraka an’i Jesosy Kristy no mahare voalohany koa  ireo ohatra ireo.Hoy ny andininy 1 sy 2 : nanatona Azy ny mpianatra ary dia nampianatra azy ireo Izy.

Nampianatra aloha Jesosy vao naniraka ny mpianany. Lesona iray amin’ireo 17 voalaza eto ny amin’ny sira ny jiro ary ny maha-fanasina sy maha-fahazavana ny mpianatra. Satria izy ireo no hanohy ny asan’ny mpampianatra. Koa raha mpianatra malaina, na tsy te hianatra dia tsy hahavita ny asany.Ka tsy mahalala ny tokony hampianariny sy ny hampitainy ny mpihaino azy.Fa mitarika ho amin’ny làlan-diso.

Eo amin’ny filazantsara malagasy dia fanasina no andikana ny teny hoe  sira. Ilay fanasina dia milaza ilay olona fa ny sira dia milaza ilay zavatra. Fa saingy tsy dia ratsy ihany io dika-teny io satria ny olona nanao fanasinana dia nanana toerana manokana. Ka izay no mety ho nahatonga ny misionera nandray io teny io.Na ny komiti’ny mpandikateny. Mety ho tiana ho tsindrina ny andraikitry ilay mpanasina. Koa raha raisina eto amin’ity toriteny ity dia ilay « fanasina » dia olona nofidin’i Jesosy Kristy tamin’ny antso nataony taminy.Tahaka ireo mpianatra. Ary niara-dàlana taminy nandritra ny taona niainan’izy ireo tamin’ny Tompo. Ka niezahan’izy ireo hadanjalanja ny fanasina na sira ao amin’izy ireo. Ary ho henoin’ny olona ny teny ho ampitainy rehefa lasa Jesosy. Ny hakamamin’ny olona ny teny izay zaraina ka tsy ho tafahoatra ary hampangidy ny teny. Satria ho arin’ny olona eny an-dàlana izy (andininy 13). Ary ho lasa tsinontsinona.Misy fetra ilay tena fanasina raha tsy voakolokolo araka ny fiainana ao amin’Andriamanitra.

Izay no tsy maintsy hitandremana rehefa kristiana isika fa tsy afaka hanaonao foana.Toy ny hoe : fanaon’ny rehetra izany fa ianareo no tara.Na dia ratsy sy tsy mety aza dia atao ihany. Koa raha ny fanasina na ny mpitarika tsy manome sakafo mahavelona fa mahafaty dia tsy mpanaraka an’i Kristy izy. Izy aza tsy mahalala ny lanjan’ny sira hohaniny. Amin’ny maha-pianatry ny Tompo ny kristiana dia manana ny « fanekena  na engagement » nataony tamin’Andriamanitra. Fa tsy hoe anio aho manaiky rahampitso aho mivadika. Ka manao izay mahadiavolana ny foko.

Raha manaiky ny kristiana fa an’Andriamanitra tanteraka ny fiainany dia ho tonga fahazavana izy. Ary tsy hanafina izany.Nefa koa tsy hanery ny olona fa ny fahitan’ny olona izany fahazavana izany no hahazavana ny manodidina azy. Tahaka ny zaza mbola kely mahavariana ny olona ka hilazany hoe : tena hendry io zaza io, lalina izany teniny. Eny, ny ankizy olo-tsotra ka tsy mivilivily saina fa ny marina ihany no marina. Na hampandaingan’ny lehibe aza izy dia tsy hanao izany. Ary tsy ampoizina izany.

Misy tokoa ny mpitarika kristiana mampalahelo fa rehefa misy tiany hahazona tombon-tsoa dia hafeniny aloha ilay fanala ka ao anatin’ny aizina izy.Avy eo dia esoriny indray mba ho hitan’ny olona fa ao aminy ny fahazavana. Diso hevitra izany kristiana izany fa tsy izany ny « fanekena  na engagement » nataony tamin’Andriamanitra. Ary tsy manazava fa mampitoetra ao amin’ny maizina. Ary ho tampoka sy tsy ampoiziny ny hateraky ny fahafatesana (fahafatesana amin’ny lafiny maro) amin’izany fomba izany.

Tsy dia mankasitraka loatra ireny fotoana faranana amin’ny vavaka ireny aho ka avy eo mbola manao adi-hevitra be, ary mety hisy fifosana ny hafa aza. Very ilay maha fanasina sy fahazavana amin’izay. Tsy misy mampiavaka ny kristiana. Ary tsy hisy hino ny fijorony ho vavolombelona fa arin’ny olona fotsiny eny an-dàlana tahaka ilay sira. Fa ilay tena fahazavana dia mitondra sy manome voninahitra an’Andriamanitra.

Misy famolahan-tena takin’ny Filazantsara amintsika kristiana tsirairay raha hijoro vavolombelona ho an’i Jesosy Kristy tokoa isika.Manomboka amin’ny mpamaky sy mpihaino n’aiza n’aiza misy azy.Raha tanteraka izany dia ho hitanao ny fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’ny fiangonana sy eo amin’ny manodidina anao.Ary koa eo amin’ny firenena. Mahereza. Homba anao ny Tompo.