Eo amin’ny tantaran’ny fivavahana kristiana dia ny Advento no mampiditra ho amin’ny taona vaovao. Izany hoe efa saika roa volana izany no nodiavina izany taona vaovao izany.Nefa noho ny fifanarahan’ireo mpandahatra ny fitsinjaran’ny taona dia amin’ny fankalazana fety ny 1 janoary no fiandohan’ny taona. Maro ny daty fantatsika fa fiandohan’ny taona eo amin’ny lafiny ara-pivavahana na ara mpiara-monina eo amin’ny fiainan’ny firenena tsirairay.

Amin’ny fidirana amin’izao taona 2017 izao dia feno fifaliana ny maro ary mifampirary  ny soa sy ny tsara indrindra ny rehetra izay mifankahita sy mifankahalala na lavitra na akaiky. Mahavariana raha mijery ny zavatra mitranga eo amin’ny firenena na eo amin’izao tontolo izao dia anisan’ny andro feno fifanajana ny fiandohan’ny taona. Tsy misy mifaneso, na miteny ratsy ny hafa, na manozona fa ny tena sy soa indrindra no atolotra ho an’ny hafa ary hirarina ho an’ny tena. Eny fa na dia izay heverina ho fahavalo aza tsy sahy hitenenana ratsy.

Koa misaotra an’Andriamanitra nahatratra izao fotoan’andro izao ary miarahaba antsika rehetra n’aiza n’aiza misy antsika. Tsy taona vaovao ihany no nomeny fa andro vaovao isan’andro satria tsy mitovy ny omaly sy androany. Na dia heverina ho mitovitovy aza. Kanefa ny kely indrindra dia mety ho zava-dehibe tamin’ny andro iray ary tsy feno izany andro izany raha tsy tanteraka ny eritreritra kely indrindra .

Ny taona iray dia fitambaran’ny ora sy andro maro. Tsy fahasambarana foana no mitranga fa misy koa ny zavatsarotra izay mahakivy ny manatanteraka azy.Ny tsirairay samy miaina amin’ny tandrify azy fa misy izay hiraisana ary mifangaro ao fifaliana sy fahoriana, fanorenana sy fandravana, fahasalamana sy  aretina, fahavitrihina sy fahalainana, fianarana sy fahabadona, fanandratana sy fanambaniana, fandihizana sy fahafatesana, fanantenana sy famozam-po, fankahalana sy fitiavana…

Tsy miafina amintsika ny ady ao amin’ny tany maro samihafa ary mampanahy ny rehetra ny ho avy. Nahoana moa no samy olombelona nefa mifamono ? Mampieritreitra lalina ary mampanontany tena hoe : izany ve no nahatongavana eto an-tany ? Izay ve no nandraisan’ny sasany ny asa nomen’Andriamanitra azy ka niantsony azy hikolokolo izao tontolo izao ? Rehefa tsy mahita hafa tsy ny tenany ny olombelona dia tsy mijery intsony izay soa nomen’Andriamanitra azy fa manao izay tiany ataony. Ary izy olombelona ihany no miantso ny fahafatesany amin’ny fanimbany ny harena izay nomen’Andriamanitra azy. Hany ka teraka ny ady sy fifamonoana. Samy te hahazo be amin’ny hampanakarena. Fa ilay harena nomen’Andriamanitra azy tsy tsaroany intsony dia ny : fahavelomany. Fa lasa feno tahotra ny fahafatesana ka manangona izay azo hangonina aloha. Lasa tototry ny zavatra maivana sy mandalo ny olona sasany. Vokatr’izany izao fifajanvonana hita izao na dia ao izay manakipy ny masony ary tsy te hahalala.

Anio fiandohan’ny taona ihany no tsaroany ny firarian-tsoa fa atsy ho atsy dia efa manomana izay handreseny ny hafa an-kolaka izy. Hany ka maro ireo mpitsao-mponenana. Hita eran-tany izany. Koa ho hirarina ity taona ity :

Mba ho taona hitsaharan’ny fahorian’izay nandao ny taniny.Misy ny mitsaoka eo amin’ny taniny satria tsy mahita aleha koa mivavaha ho azy mba hisy ny fiovana. Ho anao izay afaka mivavaka mahatsiarova azy ireny isan’andro. Aza manenjika fa mivavaha ao amin’ny fahanginana ao am-ponao ao raha tsy afaka miteny ianao. Ianao no mahalala. Adidy omen’Andriamanitra ho antsika Fiangonana sy kristiana izany fa tsy ho varivariana amin’ny rendrarendra tsy mitondra fahasoavana.

Ho taona hahitan’izy ireo fanampiana sy izay hametrahany ny loha. Na inona fomba nialany tamin’ny taniny.

Ho taona ho an’ireo mpiray tanindrazana amintsika niala tamin’ny taniny ary niharan’ny fahafatesana ny fianakaviana noho izany.

Ho taona hitolomana amin’Andriamanitra tahaka an’i Jakoba niteny hoe « tsy avelako Ianao Andriamanitra raha tsy mitahy ahy ary ampio hoe mitahy koa ny fireneko »

Maro ny fahasoavana atolotr’Andriamanitra ny olombelona fa anjarany ny mandray izany na tsia. Anisan’ny lehibe sy tsara indrindra dia ny « Fitiavan’Andriamanitra ». Ao no teraka ny fitiavana isakarazany. Nefa raha atao atsirambina izany dia mivadika ho fankahalana. Ary tsy maintsy mitandrina ny olombelona fa Andriamanitra tsy misangy amin’ny ratsy.

Enga anie ka hizotra amin’ny marina ny tsirairay ka hahitana ny lalam-pahazavana eto amin’ny firenena sy eto amin’izao tontolo izao.

Ho antsika rehetra, dia ho ampoky ny soa ny fiaianan’ny tsirairay. Hoy ny Tompo « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Raha ny namana hitan’ny masonao aza tsy tianao, ahoana no hitiavanao an’Andriamanitra tsy hitan’ny masonao ? Sarotra ?

Mahaleova mahalasana mahereza, mitsangana ary aza miala amin’ny marina. Ny Fanahy Masin’Andriamanitra homba anao. Dia mbola miarahaba anao tratry ny taona 2017.

Julia sy Laza