Tsy tononkalo, tsy vavaka fa filazana ny amin’izao ankehitriny izao. Mitovy tamin’i tananan’i Ninive ve ny mitranga amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao. Tsia ! Eny ! (izay nandraisana izao ao amin’ny Nahoma toko faha-3)Iza no mba tsaroana isan’andro. Mampihoron-doha sa tsy te hahalala ?

Nahoma 3 : 1-3

Loza fa ilay tanana mihitsy no mpandatsa-dra !

Raha tafiditra tao an-trano ny mpanao herisetra dia izao no nolazainy : Aza mihetsika fa mpamono olona izahay. Dia novonoiny ilay Rangabe fa ilay zanany no navelany.

Olona tao an-tanana ihany no nanao izany.

Tsy nisy fisamborana, tsy nisy figadrana.

Maty ianao dia maty.

Satria tsy misaraka amin’ny lainga ny ao an-tanana.

Hany ka mahita vonoina hatrany ny mpamono olona.

Olona no nalatsany ra fa tsy biby akory.

Mpanala aina !

Izany no asany ?

Nampandre ny fiaviny izy.

Tsy karavasy fa basy- Azy ny fiara matanjaka.

Mitsaitsaika ve ny mpamono olona.

Tsy raharahany akory ianao fa hitsahany raha manembatsembana azy.

Maty, maty maro toa izany isan’andro.

( Tena nisy io tantara io)

 

Tsy lavitra fa itsy akaiky itsy.

Potipotika ny tananan’Alep.Tsy misy azo raisina. Ilay hatsarantarehiny simba. Ilay nampitsiriritra foana. Namono ny mpandatsa-dra. Tsy niantra. Nafafy ny lainga ary loza tsy nitsahatra efa ho efa taona. Ao ambadiky ny trano tsy ampoizina akory. Miandry ra-fahafatesana. Tsy karavasy intsony, tsy soavaly, tsy kalesy, tsy sabatra toa ny fahiny fa tonga dia any fitaovam-piadina mahery setra. Tsy araky ny maso akory ny alehany. Loza ! maty, maty ny maro.Mianjera ny tranony, miapatrapatra ny faty. Miavovona ny faty. Ny mpanisa ankehirtiny milaza fa olona 300 000 maty tany Syria vokatry ny ady. Fa ny mpitsabo Dokotera Pitri dia milaza fa any amin’ny 1 miliona any. Misy ny matin’ny aretina isakarazany satria tsy ampy intsony ny fitsaboana, ny maty noana, ny osa sy ny malemy, olona avokoa ireny. Loza ! tsy voaisa ny faty. Ao ireo ampandosirana. Manitsaka ny faty na voafingan’ny faty. Loza ! Loza raha tsy fantatrao.

Na dia alahady fahatelo amin’ny Advento aza dia tsy maninona ny andraisana ity Nahoma 3 ity. Mbola maizina mantsy ny lalana aleha ao amin’ny tany maro mba hahitana fandriampahalemana. Eny fa na dia ny antsika aza dia mbola sarotra noho ny antony samihafa.Tsy toy ny any Syria akory. Nefa ilaina ny mandinika ny amin’ny zava-misy.

Tsy toriteny ity fa asa kely iray izay atao hoe « actualisation des textes bibliques ». Tsy narahina ara-bakiteny toy ny fanao izy ity .

Raha ovaina ve avy amin’ny dikanteny hebreo na grika dia very ny tena dikany.Sa misy vokany  ny dikanteny farany ka hitarina na hampiharina amin’izao fotoana iainantsika.Satria ny tantara taloha tsy miova fa ny ho avy dia isika no manao izay hahatsara na haharatsy azy.

Ny Tompo Andriamanitra no hanazava antsika tsirairay.  ! Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !