Isaia 11 : 1-10  Romana 15 :4-9   Matio 3 : 1-12

Ireo no teny voalahatra ho vakina androany alahady 4 desambra 2016 ao amin’ny ankamaroan’ny Fiangonana kristiana eran-tany.

Ny teny ao amin’ Isaia dia teny feno  fanantenana . Sary feno filaminana eto an-tany no hampiseho.Voatonona ao ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny faherezana sy ny fanoloran-tsaina, Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana ny Tompo. Ny mpitsara dia ho marina sy hanome rariny ny madinika. Ny ratsy fanahy dia ho resy.

Manaraka izany ny mahery sy ny osa dia hiara-mitoetra ary hifankahazo tsara. Tsy hisy ny adiady. Ny amboadia sy ny zanak’ondry  hiara-mandry, ny zanak’omby sy ny liona hiara-hitoetra. Ny mahery sy ny malemy ho tafaraka ary tsy hifanohitra. Ny zaza minono aza dia afaka hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ary tsy misy hatahorana akory.

Raha ireo no tanteraka dia paradisa an-tany. Tsy misy ahiana fa dia mizotra ho azy ny fiainana. Izay ny fanirin’ny olona ary nosoratan’ny mpanoratra.

Anefa ireo rehetra ireo ao anatin’ny andininy 2-9 dia miandoha sy miafara amin’ny  ny Solofon’i Jese. Noheverina ho tahaka ny hazo Jese raha eto. Ary hisy Solofo hitsimoka. Hitombo ary hitrebona. Efa saika lany ringana mantsy ny firenena izay atao sary eto. Kanefa dia indro fa mitsiry.Velona ny fanantenana.

Mitsiry na dia vao nivaoka ny ady mafy tamin’izany fotoana izany satria maro ny firenena manodidina nikasa hanimba sy hamongotra ny firenen’Israely. Ny tsy fitondrana ara-drariny sy ny fampijaliana dia navesatra tokoa tamin’izany fotoana izany nataon’ny mpitondra. Jereo ohatra ny toko faha10 and 1-2  « Lozan’ny mamoaka lalàna mampidi-doza sady mampanoratra didy fampahoriana mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrombany ny mpitondra-tena sy hamaboany ny kamboty ».

Noho izany dia nitory ny teny fampanantenana Isaia mpaminany ho an’ny vahoakan’Andriamanitra mba hitraka. Satria ny sisa velona sy tafajanona eo amin’ny firenena dia hahita ny Solofo hitondra ny famonjena. Na dia mbola lavitra aza ny hahatongavan’ny Mesia. Raha tsy misy ny fanantenana fa ho afaka amin’ny loza entin’ny fahavalo dia tsy ho tafarina ny firenena iray. Na dia ao anatin’ny alina aza dia tsy maintsy mitsiry ny hazavana na dia malefaka izany. Ny tsiry izay ho avy dia mbola ho ela tamin’zany fotoana izany. Ny tsiry dia malefaka ary mety ho folaka na tapaka. Koa aiza ary iza no itokisana ?

Ao amin’ny epistilin’ny Romana 15 :4-9 mampahatsiaro antsika ny fitadidiana an-tsoratra ny zavatra nitranga.Fa any no hahafantarana ny tantatra indray andro any ho an’izay tsy mahalala na tsy mahatididy. Ny voasoratra fahiny dia fianarana hananatsika fanatenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina. Ity Soratra Masina ity mantsy dia hadinon’ny maro fa tsy soratra natao hitantarana ny fifandraisan’ny olona sy Andriamanitra na ny andriamanitra hafa. Fa hahitana tantara maro teo amin’ny firenena nifandray tamin’ny Hebreo na ny zanak’Israely. Hahitana ny fitondrana, ny fomba fiaina, ny fisainana …Mpanoratra maro no naka hevitra izay nodinihina na novelabelarina avy ao. Afaka mamaky izany daholo ny rehetra ary miady hevitra momba ny amin’izany. Raha ity Romana ity izao dia manamafy amintsika ny zavatra efa nisy taloha ary nefa tsy foana fa mbola ankehitriny. Dia ny tokony ho fifanampina. Ny matanjaka no tokony hanampy ny osa, ny reraka. Misy mihevira fa tsy azo kitihina ny fanany fa natao ho azy ihany fa inona moa no hanampiana izay ory sy mahantra.Misy kristiana aza mety ho tratran’izany saina izany. Noho izany fisarahana izany no nampahatsiahivin’i Paoly fa tokony hiray saina. Raha tsy misy firaisan-tsaina tsy misy fankalazana an’Andriamanitra akory.

Ny filazantsaran’i Matio 3 : 1-12 dia tsy miafina amin’ny maro fa ilay antso nataon’i Jaona Mpanao Batisa mba hiova fo. « Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra » hoy izy. Ny tena dikany amin’izao fotoana izao dia hoe : Mibebaha ianareo fa efa tonga ny Tenin’Andriamanitra dia Jesosy Kristy tonga nofo. Izy no Mesia ry mpamaky malala. Ary tsy misy intsony Mesia ao aoriany amin’ny fivavahana kristiana. Izay milaza ho Mesia ankehitriny na voatoroka ho izany dia famitahana sy fanaovana lainga. Ary mitarika ho amin’ny fihemoran-tsaina sy ny fampisarahana ny mpino kristiana eny fa na tsy ny kristiana aza.

Io soratr’i Matio io no mamitina ny teny voalahatra androany. Marobe ny zavatra azo lazaina fa singanina ho toa izao :

Ny teny hoe : mibebaha na miova fo dia teny efa fampiasa hatry ny ela ao amin’ny Soratra Masina. Tsy nataotao foana. Fa fiovana tanteraka ary miova hanetry tena fa tsy hasandratra ka te hitovy amin’Andriamanitra na Jesosy Kristy. Nefa dia toa lasa lamaody ny fampiasana azy tsindraindray. Ka misy ny milaza ny tenany ho niova fo nefa toa mbola hita fa manao ny tsy mety.Ao ny mitomany migogogo nefa dia izy ihany dia mahalala fa fihatsarambelatsihy izany. Ka mampahatsiaro ireto Fariseo sy Sadoseo.

Fony aho tany Farihimena raha mbola adoletsento dia nasain’i Nenilava nitsangana vavolombelona ny olona izay te hanao izany. Hilaza ny hoe nanovan’i Jesosy azy. Nahavariana ahy ny nahita rangaha iray, izay tsy mety nitsangana nandeha fa nandady izy nankeny amin’ny alitara. Tsy afaka nilaza na inona na inona fa sempotry ny ranomaso. Taty aoriana aho vao nahalala fa zava-doza no nitranga ary na izy aza tsy nahazaka izany.Nandritra ny taona maro rehefa tafaraka izahay tamin’ny andro Paska dia nangoraka azy aho. Satria tena nanenina mafy tokoa ny fahitako azy. Tsy nanotany izany antony aho. Fa izy kosa aloha dia niova ary nanala ny trosany teo anatrehan’ny fanjakana sy ny lalàna ary ny mpiara-belona taminy. Fa amin’izao fotoana eto amin’ny firenena dia niha-nalaza hatrany ary mampihomehy aza   ny hoe : mivavaka alahady fa mangalatra akoho altsinainy.

Hoy Jaona mpanao batsisa eto amin’ny Matio and faha3 « Amboary ny lalan’ny Tompo ary ataony mahitsy ny lalan-kalehany ». Teny sarotra sa heverina fa ny hafa no voakasik’io fa tsy izaho na ianao. Anefa ny vato kely mamingana sy mampianjera antsika dia mety hanapotika trano lehibe ka izany no handinihina tsara ny voalazan’i Matio. Ho ahy sy ianao aloha.

Raha tiana handroso ny fiainan’ny firenena dia manomboka eto amiko aloha ny mamboatra ny saiko sy ny foko.

Ary tsy mora izany fa misikina toa an’i Jaona. Mijoro tanteraka ary vonona ho amin’izany. Io Jaona manao fehi-kibo io no sary omen’i Matio eto fa tsy maintsy mamolaka ny tena amin’ny fanarahana ny Tompo fa tsy goragora ka mivembena ny saina ka ho lany andro amin’ny fitiavan-tena.

Tsy ampy ny filazana fa tany mivavaka tokoa i Madagasikara raha tsy mivelona amin’izany tokoa ny rehetra izay monina ao.Eny fa na ny aty ivelany aza. Aza manao hoe taranaka kristiana izahay ka efa vita ny adidinay. Hatanjao ny osa hoy Paoly ao amin’ny Romana. Ary mijoro toy ny faneva hoy Isaia. Tsy vita anefa izany raha tsy matoky ka manaraka ny tena sitrapon’Andriamanitra isika.Amena.