TENY ho vakiana

Genesisy 4 :1-16

Aty am-piandohan’ny Soratra Masina dia hahitantsika ny tantaran’ny nahariana ny olombelona sy ireo olona voalohany tamin’izany. Marihina fa ny Genesisy izay midika hoe : Fiandohana dia tsy ny boky voasoratra voalohany ao anatin’ny Baiboly.

Ny fiandohan’ny tantaran’ny fianakavian’i Adama sy Eva ary ny zanany roa lahy no handraisantsika ny toriteny. Heverina fa fifaliana tsy misy toa izany ny azy mivady rehefa teraka izy roa lahy. Rehareha moa izany, rehefa hita fa nitombo ara-batana ireo tovolahy ary toa mahazaka tena satia nanana ny asany nifanandrify azy. Ny iray mpamboly, ny iray kosa mpiandry ondry.

Ny mahavariana dia ny fiodinan’ny tantara. Kaina dia tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra tamin’ ny fanatitra nataony(and.5). Voalaza fa misy tsy mazava ao amin’i Kaina, satria tezitra sy namjombona ny tarehiny. Ka hoy Andriamanitra taminy : Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va ? Hay tsy misy azo hafenina an’ Andriamanitra.

Niteraka fialonana izany toetra ratsin’ity zanaka, hany ka dia namono ny rahalahiny izy. Loza ange izany. Maty tanora Abela, tsy naharitra hafirina akory ny nahavelomany. Abela moa dia midika hoe “ranon’ando”, na “zavona”. Hitantsika amin’izany fa tsy ataotao foana ny anarana fa ny ranon’ando sy ny zavona dia tsy maharitra. Mandalo vetivety.Kaina kosa dia midika hoe : “ nahary zazalahy tamin’Andriamanitra aho”(and.2). Mahavariana ny anaran’izy roa lahy ireto. Ny fihetsik’i Kaina dia nifanohitra amin’ny tokony ho izy. Izy tao anatin’ny fahariana indray no nanala aina ny hafa.

Tsy zava-baovao amintsika ny tantaran’izy roa lahy ireto. Satria miseho isan’andro eto amin’izao tontolo izao.

Mahatsiaro ny famonoana nitranga tamin’ny jiosy, sy ny tany Rwanda, sy ny toerana hafa. Tsy nampoizina, fa olona eo ankilanao, mihinana ny manta sy ny masaka dia lasa nandatsaka ny ran’ny mpiray tanana, mpiray firenena, mpiray tam-po, mpiara-monina. Maro ny toerana hahitana izany eo an-tany, ary maro no voalazan’ny tantara. Mahatsiaro, ny tantaran’I Jesosy koa isika, ao amin’ny Fialzantsaran’I Marka dia efa nitetika ny hamono azy olona vitsivitsy ( Marka 3:6 sy ny 14:1). Ary farany moa dia niharan’ny fahafatesana ny Tompo. Fotoana fohy koa no nahaveloman’I Jesosy teto an-tany. Tao anatin’ny fahatanorany feno no nijanona ny fiainany. 33 taona monja

Tsara ho fantatra fa ao amin’ny Baiboly dia tsy tantara mahafinaritra daholo akory no hita ao. Fa misy ireo izay tena mampalahelo, mampagontsoka, mampioro-koditra, mampitomany. Na dia misy tantara feno fivelaram-pifaliana dia tsy miafina koa ny herisetra, amin’ny fihetsikin’ny olona indraindray. Izany rehetra izany, indrindra eo amin’ny fifandraisan’ny zanak’olombelona dia mahalasa eritreritra.

Manomboka eo amin’ny fianakaviana izany. Inona no mahatonga ny ady an-trano ? Ny tsy fandalanjalanjana ny fitenenana , ny fanaovana tsinontsinona ny hafa toy ny fiheverana fa ny fahitana fianarana sy ny fahatanorana dia ampy. Ka dia avela eo ireo anatin’ny fahaterana, tsy eken-teny intsony. Ny fitiavan-tena koa ao anatin’ izany. Ny tena aloha, ary rehefa misy ilako ny hafa dia hanatona azy ihany aho aloha. Ary rehefa tsy misy ilako azy dia tsy mahalala azy aho. Ho an’ny kristiana dia mampieritreritra sy mahavariana. Izany ve ny Filazantsara notorina taminy ? Asa, fa azo lazaina fa sandoka ny Andriamanitra hivavahany raha izany. Ny Filazantsara dia mitondra fahavelomana fa ny fomba fampiasan’ny olona azy no mety tsy ho tokony ho izy.

Matoa ianao teraka tao amin’ny fianakaviana iray, dia izay no lalana nekenao tany am-bohoka. Jereo i Jeremia, tany am-bohoka izy dia efa fantatr’ Andriamanitra.

Na ho aiza ianao, na ho aiza, na inona mitranga na inona dia tsy ho afaka amin’ny havanao ianao aloha satria ireo no akaiky indrindra, amin’ny mpiray firenena aminao, amin’ny mpiray Fiangonana aminao, amin’ny olona rehetra eran-tany.

Satria fianakaviana iray manontolo ny zanak’ olombelona. Tsy tongatonga ho azy ny hoe taranak ’i Adama, satria io anarana io dia midika hoe : olona. Ary ny Adamah amin’ny teny hebreo dia ny “tany”. Ka avy amin’ny tany iray isika rehetra. Noho izany dia mifamatopatotra eny ny fihavanana sy ny razam-be.

Raha mandray marina ny Fialazantsara isika dia hihena ny ady isankarazany misy eto an-tany. Manaiky ny hivoatra ny tsirairay manomboka eo amin’ny kristiana aloha izany. Ny tena aloha no miova vao ny hafa. Manova ny fo sy saina sy fitondran-tena. Fa raha tsy izany dia ho rendrika ao anatin’ny fijaliana sy ny horohoro ny tany, satria mangotraka ny adin’ny mpirahalahy.. Ny tantara hita ao amin’ny Baiboly dia entina hanazava ny saintsika fa mety ho voatarika amin’ ny tsy fitiavana isika. Nefa koa dia ny Soratra Masina no manamafy fa Jesosy no taratra hamerina indray ny fitiavana ao am-po . Ka hitsahatra ny adin’ny mpirahalahy eto amin’izao tontolo. Satria iray ihany no nihaviny.

Koa izao herinandro masina izao dia mampahatsiaro fa tsy ankahasitran’Andriamanitra ny toetra ratsy. Ary hanisan’izay mahantra isika raha mifikitra amin’izany. Miandry anao ny Tompo amin’ny tanjona vaovao. Amena