TENY ho vakiana

Marka 8 : 22-27

22 Ary tonga tany Betsaida izy ; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba. 23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna ; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontany hoe izy : Mahita zavatra va hianao ? 24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe : Mahita ny olona aho ; fa toa hajo ny fijeriko azy, saingy mamindra. 25 Dia napetrany tamin’ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. 26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe : Aza mankao an-tanàna. 27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ireny tanàna momba an’I Kaisaria Filipo ; ary nony teny an-dalàna dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe : Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?

Diso fanantenana angamba ianao raha mamaky io soratra io, fa ny olona no avy nanatona an’i Jesosy. Ary dia tena nitalaho mafy mba ho kasian’i Jesosy ilay jamba. Fomba fihetsika mahazatra an’i Jesosy io. Inona moa no nataon’I Jesosy ? Nentiny lavitra ny tanàna, ilay jamba. Nihataka, mba tsy hisy vavolombelona. Natao an-kinafinafina izany ny fanasitranana ? Miroso amin’ny fanasitranana amin’izay. Mahita ve ianao e ? Valiny : Niandrandra ilay jamba aloha, izany hoe tsy tena mahita izy, fa mikarokaroka amin’ny masony, ary tsy mazava ny fahitana. Hazo no hitany. Tsy tena azony antoka akory ho olona. Dia namerina ny fomba fanasitranana indray Jesosy. Fanindroany izany ity. Ary teo vao tena nahita ilay jamba. Ahoana moa ny erintrerintsika raha misy dokotera manao fandidina ny maso indroa vao sitrana ? Malahelo aloha, mety ho tezitra, ary manome tsiny an’ilay dokotera isika. I Jesosy izay nanao asa fahagagana maro dia namerina indroa koa vao tody. Inona no antony namerenan’i Jesosy ny asa ? Tsotra izany. Tiany ho esorina amin’ny sain’ny olona fa manohitra ny asa-pahagagana Izy. Ny fahagagana dia tsy ny fanasitranana ara-batana fa ny fahasitranana ara-panahy satria nahita ny Tompo. Ary akaiky Azy satria nifampikasoka taminy. Lasa akaiky ny fo. Misy ireo olona izay tsy misalasala fa manantona ny Tompo am-pahatsorana sy am-pifaliana. Misy ireo sahirana tsy mandeha amin’izany lalàna izany. Ary tsy mandaitra ilay fahagagana . Ny Fahagagana mantsy dia ny Finoana( avy amin’ny teny hoe : fidélité). Io finoana io no mampiova ny fiainan’ny tsirairay, ka tahaka ny fanafody manasitrana. Raha tsy sitrana eo noho eo ny olona dia tsy tokony hanome tsiny. Fa miandry ange ny Tompo. Mbola misy fotoana sy lalàna izay tokony hijorana ka hampandroso ho amin’ny fahasitranana tanteraka. Betsaka ny antony tsy hahazona miroso amin’izany ka tokony ho hajera, harodana, mba hihiratra indray ny masom-panahintsika. Ary tsy hifikitra amin’ny zavatra mety mahajamba antsika. Ka manakona ny famonjena izay entin’I Jesosy Kristy ho antsika sy ho an’izao tontolo izao.. Niandalana ny fanasitranana sy ny fihaonana tamin’ny Tompo : “mahita, mijery, nahiratra tsara”. Eto amin’ity farany ity vao fantatr’ilay jamba fa Jesosy Kristy tokoa no nanasitrana azy. Indraindray dia tia mikarokaroka zavatra maro vao tafahoana amin’ny Tompo ny olombelona. Eny, fa na dia ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana aza dia misy ireo manatona ny Tompo nefa dia mahafinaritra azy ny mijanona eo amin’ny fahajambany, satria tsy te-hiala amin’ny fosafosa miteraka ady. Na koa koa feno fialonana matetika ka miteraka fifandrafiana, any ka korontana no vokatr’izany. Betsaka ny antony mety tsy hahahontaga ny fahiratan’ny maso.Ny tsirairay dia mahalala ny tsy handrosoany ho amin’ny fahazavana. Ary misy dia mivelona amin’ny fametrahana olana maro madinidinika ka lavitra ny lalàna hahazona ny fanasitranana tanteraka. Ka mbola manontany ihany ny Tompo hoe : “Ataon’ny olona iza moa Aho ? ”. Irio ny hametrahan’ny Tompo ny tanany eo amin’ny masonao, ho madio sy tsara ny manodidina anao, ka ho tafahoana amin’ny Tompo, ary afaka miteny hoe : Io tokoa ny Zanak’Andriamanitra inoako, ary hitan’ny masoko Izy.Ka manomboka anio dia avelako daholo izay manakana ahy tsy hahita Azy. . Andeha hanara-dia Azy amin’izao herinandro masina 2004 izao indray sy amin’ny andro ho avy rehetra