Tafo Nancy

Miarahaba antsika amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

Isan-taona ny FPMA (Fiangonana Protestanta Malagasy Aty an-dafy) sy ny Fiangonana katolika aty Frantsa dia miara-mivavaka ho an’i Madagasikara  amin’ny fotoana fankalazana ny nahazoana ny Fahaleovantena : ny 26 jona.

Ny fotoana voalohany nanasana ny be sy ny maro dia ny Antsa an-kira nataon’ny « Antsa Fanilo », antoko mpihira ao amin’ny Fiangonana FPMA Nancy ny Asabotsy 25 jona tamin’ny 8 ora alina tao amin’ny « Temple EPUdF Nancy (Eglise Protestante Unie de France) » Place Maginot NANCY.

Ny fotoana faharoa dia ny fanaompoam-pivavahana iraisana. Natao tao amin’ny « Centre Social Protestant : Buisson Ardent »-Haut du Lièvre. Toerana fanaovan’ny EPUdF asa fanampiana sy fampianarana mamaky teny, ary koltoraly isakarazany. Misy efitra lehibe izay hampindraminy ny malagasy ho amin’ny fiaraha mivavaka sy ny sakafo toa izao. Angamba ianao hanao hoe : naninona no tsy am-piangonana. Noho ny fotoana mifanindry amin’ny an’ny EPUdF dia eny no toerarana tsara sy malalaka. Andriamanitra koa tsy mijery ny toerana fa ny fo izay asandratra ho azy. Maro dia maro ny ankizy ary tamin’ny teny malagasy no nanatanterahina ny fotoana rehetra.

Ny mpitandrina Rafenonirina Laza izay efa misotro ronono  ary efa nitondra fiangonana tao taloha sy ny solon-tenan’ny Fiangonana katolika no nitarika sy nanomana izany niaraka tamin’ny komity mpikarakara.

Samy nandray anjara avokoa ny Fiangonana roa tonta rehefa tafavory tamin’ny alahady .

Ny fotoana fahatelo dia ny fiarahan’ny rehetra misakafo. Rehefa vita ny fanompoam-pivavahana dia alamina ny trano hametrahana ny latabatra hiarahana’ny rehetra misakafo. Ny mahafinaritra dia samy mitondra sakafo. Ary hakambana ary samy mahazo anjara daholo. Tsy lany aza.

Ny tolakandro dia nampiseho ny talentany ny rehetra tamin’ny fahaizana zava-maneno sy ny hira samihafa.  Nifarana ny fotoana rehefa avy niara-nisakafo ihany indray rehefa nihahariva ny andro. Samy feno fifaliana daholo noho izao fihaonana izao. An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

<iframe src= »https://onedrive.live.com/embed?cid=8A21AA6B9BC396DA&resid=8A21AA6B9BC396DA%21681&authkey=AHdEZp9WrK7dvfY » width= »320″ height= »180″ frameborder= »0″ scrolling= »no » allowfullscreen></iframe>

SAM_7383 SAM_7382 SAM_7381 SAM_7371 SAM_7360