Topimaso tamin’ny fiainan’ny ray vitsivitsy.

  • Ny raiko dia olona nanankarena sy nanam-pahaizana. Fa saingy niavona dia niavona. Nahamenatra izany toetran’izany satria toa tsy mba toy ny olona ny hafa taminy. Rehefa maty izy dia vitsy ny olona tonga nandevina azy. Zara raha nisy fa ny fianakaviana no olona betsaka teo.
  • Ny raiko dia olo-tsotra. Nandritra ny volana vitsivitsy dia nandeha niofana tany an-dafy izy noho ny asany dia nampialona ny olona izany. Ka noendrinkendrehany tamin’ny zavatra tsy marina fa hoe mpangalatra. Satria betsaka ny halatra tamin’izany fotoana izany.Tezitra taminy ny olona ary dia nandratra azy mihitsy. Raha tsy maty tsy navelany. Ary nohitsahany tamin’ny fiara aza ka dia nodorany avy eo.Tsy nisy olona niaro azy na iray aza. Ary izahay zanany dia voatery niala teo an-tanana.Taty aoriana ilay zavatra voalaza fa very dia hita tany amin’ny olon-kafa izay tratra niaraka tamina mpangalatra. Afaka nitsaoka izy ireo ary tsy hita hatramin’izao. Ataoko ahoana ny hamela ireo olona namono ny raiko ? Mivavaka aho efa ho dimy taona izao nefa tsy mbola sitrana ny foko
  • Ny raiko indray kosa dia tsy nankasitrahako ny toetrany ary tia halatra madinika. Tsy mety tenenina izy tamin’izany. Indray andro dia tratra eo am-pangalarana akondro. Tezitra ny fokonolona ary nikapoka azy. Tsy mbola maty izy fa naratra mafy dia nalevin’ny olona velona ho saziny. Moa ve na dia olon-dratsy tena gaigy lahy aza izy dia tokony ho natao taminy izany ? Asa raha afaka hamela heloka aho sy ny fianakaviana na dia diso aza ny rainay.
  • Ny raiko indray dia tia misotro rano misy alkola.Diso tafahotra. Mamo lava sy maimbo isan’andro. Ary mamono vady aman-janaka. Indray andro dia nandry an-tatatra izy. Tezitra izy fa olona namany no nitondra azy nody. Nahatsiaro afa-baraka izy nefa tsy nampiova azy izany.Ary dia tsy nomeny jiolahimbola intsony izahay nanomboka teo.Very hevitra izahay hoe : inona no azo atao hanampina azy ?
  • Ny rainay kosa dia olona nahay tokoa ary nanana toerana ambony teo am-piasany. Fa saingy tia sehoseho. Tahaka ny tsy misy mahay noho izy. Na dia lehilahy aza izy dia tia mifosafosa no fetsifetsy mba hahazon’ny olona mifantoka aminy. Nahasorena anay zanany izany ary niteraka fisarahana taminy satria tsy dia niresaka firy loatra taminy intsony izahay. Nampalahelo tokoa izany toetrany izany nefa izy dia tsy mahatsapa izany.Fa raha tenen’ny iray aminay zanany izy dia tezitra ka mitrerona tsy misy tahaka izany.
  • Ny rainay dia tsy tsy azo kihanina fa raha vao tsy mitovy hevitra aminy dia tsy iresahany mandritra ny andro maro ary dia milanjalanja mandritra ny andro izy. Mihevitra izy fa azy foana ny marina ka tsy misy mahazo miteny. Nefa any am-piasany dia toa tsy afaka miteny. Ka izahay ao an-trano no ialany vokona.Indrisy ! Mba lehilahy ve ity rainay ity hoy izahay ? Nefa dia izay ny rainay.
  • Ny anay kosa ny rainay dia avy amin’ny fianakaviana ambanivohitra. Niasa sy nanangona mafy ny ray amandreniny mba hahazonay mianatra ary niasa taty aoriana. Tsy mba mitsahatra mitantara ny fiainan’ny fianakavianay izy. Hainy tsara ny tantatran’ny razambeny sy ny an’ny reninay.Ary tsy mitatsahatra mampita izany aminay zanany izy. Satria anisan’ny toetra soa hitany tamn’ireo ray amandreny nitaiza azy. Vokatr’izany tafita tamin’ny fianarana daholo izahay. Nataonay ho zava-dehibe ny fanajana ny olona sy ny fihavanana. Anisan’ny fampianarana ny fitiavan-tanindrazana izany.Taty aoriana dia nampita izany tamin’ny taranakay izahay.

Tantara raim-pianakaviana vitsivitsy no voalazako eto. Mampalahelo ny ankamaroan’izy ireo. Na dia tena ratsy aza ny zavatra nitranga tsy azo hadinona koa mba hieritreretana. Manao ahona ny raim-pianakaviana hafa eo anoloan’izany sy ny olona. Inona no atao mba tsy hiverenan’izany sy ho fanampiana izay sisa velona. Moa ve ny taranaka koa dia tsy maintsy mibaby ny nataon’ny ray aman-dreny. Ary ahoana isika eo anatrehan’izao tantara nofantenina izao.

Raha mivavaka  aza izay mahafaly ny fonao ihany entina am-bavaka fa ny rehetra na inona na inona nitranga. Tsy olombelona hahazona doka no hivavahana fa Andriamanitrra mijery sy mahalala izao tontolo izao. Izy irery ihany no afaka manavotra antsika raha mankato Azy sy manaja ny zava-boary isika dia ny : olombelona.