Tia ny rehetra Andriamanitra

Lioka 15 : 11 – 32

Ny fizaram-panan’ny mpiray tampo dia aorian’ny fahafatesan’ny ray amandreny. Fa saingy misy ihany ny miavaka. Toy ity tantara ity. Fa ilay zandry dia nangataka tamin’ny rainy ny anjara fananany. Tsy mba nandà izany ilay rainy fa dia nanome fahafampo ity zanany. Tsy nametraka fanontaniana ny amin’ny anton’izao fangatahana izao. Lasa ilay zandry ary nanao izay tiany atao. Nandeha toerana lavitra aza izy mba tsy hisy hanenligelina azy. Kanjo tsy nandeha tamin’izay tokony ho izy ny fiainany fa lany ny fananany. Ritra tanteraka. Lasa nahantra aza fa tsy nanakohanina akory. Na dia ny sakafon’ny kisoa izay nantenaina aza dia tsy nisy nohaniny.Ny kisoa dia heverina fa anisan’izay biby maloto indrindra. Rehefa tonga saina izy dia nanenina ary nahatsiaro ny rainy. Ny olona mahazo tombotsoa ao amin’ny rainy. Niverina tany amin’ny toerana niaviny izy ary nihevitra hifona tamin’ny rainy.

Kanjo raha mbola lavitra dia efa tazan’ny rainy ny fiaviny. Nalahelo azy ny rainy : namihina azy, nanoroka azy koa. Nifona satria tsy nahatoky ny rainy. Nefa tsy nanisy teny momba izany ilay rainy fa nampiantso ireo mpanompo ary naniraka azy ireo hikarakara ity zanaka niverina. Nampitafiana, nasiana peratra. Ary tokony hifaly hoy ny rainy ary handroso sakafo. Tahaka ny efa nafoy mantsy ilay zanaka satria nataony hoe : efa maty nefa velona indray.

Fa saingy ilay lahimatoa rehefa nandre izany dia sorena. Tezitra mihitsy aza ary tsy nety niditra tao an-trano pisakafoanana. Fa ny rainy no nivoaka niantso azy. Nanome tsiny ny rainy izy fa tsy mba nanaovana lanonana toa izao. Fa ilay niala tao an-tokan-trano kosa dia toa hiangarana. Tsy mba nanome tsiny koa ity ray ny amin’ny zanany izay teo foana hoy izy. Ary nolazainy fa ny fananan’ny ray dia azy avokoa. Asa na takatr’ilay lahimatoa izany fanomezana sy fitiavana lehibe izany. Nolazain-drainy fa tsara ny mifaly satria hoy izy :«  Efa maty izy nefa velona indray. Efa very nefa hita indray. »

Ny fizarana lova izany raha jerena dia zavatra sarotra satria ny ohatra eto dia mampiseho ny tsy fitovizan-kevitra. Ary toa nibaiko ny ray amandreny mbola velona aza. Ray tena tsara fanahy ary tsy nahitana fahatezerana taminy. Samy navelany nanao izay tiany ny zanany.

Ny fizarana lova koa dia mampiteraka fialonana eo amin’ny samy mpizara. Sao dia kely ny anjaran’ny tena. Na niangarana ny hafa. Ary izany dia mahasimba ny fifandraisana sy ny fihavanana. Mahatonga ady be eo amin’ny fianakaviana. Mahatonga fifampilafilana indraindray. Ka tsy mety milamina haingana ny raharaha. Ao ny mpamporisika mba hisin’ny korontana ao amin’ny mpizara lova.

Fa ny zavadehibe eto amin’ity tantara ity dia ny fandanian’ilay zandry ny fanany. Borina tanteraka. Ny tian’ny Soratra masina lazaina eto dia tsy ny fanana ara-nofo loatra(tany sy trano sy ny fiara sy harena hafa toy ny volamena sy ny sisa) fa ilay harena mahaolona ny olona.Ilay fanahy sarobidy mahaolona ny olona. Io no simba tao amin’ilay zandry. Nidina ambany ary nitsiriritra ny hanin’ny kisoa aza. Lasa nangidy ilay fiainana.

Tsy nahatanty ny fiverenan’ny zandriny ilay zokiny.Tsy tsapany ny fahorian’ny zandriny. Aminy aza dia tokony ho melohina ity zandriny ity.

Fa saingy ilay ray kosa dia tsy nanao ahoana ny amin’ny fanana nomeny. Faly izy fa nahatsiaro ny tsy mety nataony ny zanany ary niverina. Ray feno fitiavana. Ray tsy manary. Tsy maneso. Ray nanatona ny zanany. Izy no nihazakazaka voalohany hanatona ilay zanany. Fa tsy nanao hoe « Izaho rainy indray ve no hanambitamby azy ». Raha izay mantsy no nataon’ilay ray dia tsy ray izy. Izay no mahamaika ny maro : izaho ve dia hilefitra amin’iny !

Firifiry moa no tsy nifandray tamin’ny mpiray tampo noho ny antony tahaka izao. Firifiry ny ray tsy mihavana amin’ny zanany intsony noho ny ambompo diso tafahoatra. Misy dia misy ny kristiana amin’ireny.

Ary izay no tsy mahalefy ity tantara izay omena lohateny isankarazany ity hoe « Ilay zanaka adala, ilay very, ilay nania,ilay efa maty, ilay maditra, ilay tsy azo tenenina,ilay tsy hisy ilana azy intsony. »

Ny Ray tena tia dia manatona ny zanany ary mandray azy ampifaliana na dia tsy nety aza ny nataon’ny zanany. Izay no hampianarin’ny filazantsaran’i Lioka satria izay mibebaka marina tokoa dia mitsangana amin’ny fahafatesampanahy. Ary velona mandrakizay.

Ny Fitiavan’Andriamanitra ao amin’ilay Ray no miteraka izany fahavelomana izany raha mino izany isika.