Miala nenina ny Tompo

Lioka 13 : 1 – 9     

Fanoharana telo no nolazain’i Jesosy ato amin’ity toko sy andininy ity.

Ny voalohany dia ireo Galiliana maty. Ary naharikoriko satria ny fatiny dia nafangaron’i Pilato tamin’ny fanatitra izay nataony. Hitanareo fa tsy dia zavatra mahafaly ihany no hita ao amin’ny Soratra Masina. Teny fampieritreretana no nataon’i Jesosy ho an’izay nitantara izany. Tsy hoe maty izy dia mpanota mihoatra noho ianareo. Noho izany dia mba miovà ( mibebaha) ianareo sao tratran’ny loza toa izany. Noho ny ady nisy tamin’izany fotoana izany ny resy dia niafara amin’ny toa izao. Amin’izao fotoana iainantsika izao, tsy misy fanatitra intsony. Kanefa izay resy noho ny ady dia mitondra faisana tokoa.

Ny faharoa dia ireo olona valo amby folo nianjeran’ny tilikambo. Iza no diso ? Ny nanorina ny tilikambo ka tsy nanao izany arak’izay tokony ho izy sa ireto olona izay heverina fa tsy tokony nandalo teo tamin’io fotoana io. Tantara iray koa tsy milaza fifaliana fa mahalasa saina. Nahoana ? Nefa koa dia ataon’i Jesosy hoe : Aza heverinareo fa mpanota noho ianareo izy ireny ka niharan-doza. Fa raha tsy mibebaka (miova) ianareo dia ho ringana tahaka azy ireny.

Samy miafara amin’ny fandringanana ireo ohatra roa ireo. Samy fahafatesana no hiafarana. Fahafatesana mampivaraontsana. Nahoana ?

Ny ohatra fahatelo dia ny amin’ny aviavy. Efa nampanirina telo taona nefa tsy mbola misy voa.Tsy nahafaly ilay olona tompon’ny tanim-boaloboka izany. Tsy misy voa. Nefa mety ho nandrombona be ny tahony sy ny raviny. Ilay mpikarakara dia nangataka mba ho avela ilay aviavy ho hasoaviny raha tsy mamoa hoy izy dia ho kapainao ihany. Raha izany ho faty koa ilay aviavy.

Ho an’ireo fanoharana roa voalohany dia tsy misy azo atao intsony ho an’ireo maty. Fa ny fanoharana fahatelo dia miantefa amin’izay mbola velona. Ny hazo mantsy no sarin’ny olona ao amin’ny Soratra Masina.

Rehefa misy zavatra mitranga dia samy maika hamantatra izany. Mandany andro hikarohana izany. Marina fa misy tokoa ny ilana izany ho an’ny manam-pahefana amin’ny fikarohany ny marina. Fa misy koa ny tsy hilana izany ho an’izay te hampisavorivory ny saina.

Nomarihin’i Lioka, izay mpanoratra eto fa ny valitenin’i Jesosy ny amin’ny anton’ny zavatra niseho dia mahazendana. Satria tsy araka izay nampoizina.Toa milaza Jesosy fa manamarin-tena ireo mametraka fanontaniana Aminy. Tahaka ny manatsafa Azy aza. Mivatana ary mila tsy zakan’ny nandre ny valiteny nomen’ny Tompo Jesosy. Tsy noho ny fahotany no nahafatesany, fa ianareo raha tsy mibebaka dia ho ringana tahaka azy ireny.Ny dikan’ny hoe mibebaka dia fiovana tanteraka : tsy manao izay ratsy fanao teo aloha na amin’ny fiteny na ny fihetsika.Fa miala amin’izany.

Ilay fanoharana fahatelo mikasika ilay aviavy. Tao amin’ny tanim-boalobokon’ny lehilahy iray no nambolena. Any amin’ny toerana misy voaloboka ve no tokony nametrahana azy ? Tsy nahita voa taminy ralehilahy. Diso fanantenanana ary nanome baiko ny hanakapana azy. Tsy misy antony hijanonany eo fa manimba ny tany hoy izy. Mibahan-toerana fotsiny nefa tsy mamoaha. Makarary andoha ny mandre izany. Ka ahoana izany ? Ilay mpikarakara dia sahy namaly ilay lehilahy tompon’ny tany nanao hoe : avelao izy fa ho karakaraiko. Sao dia mbola azo vonjena.

Amin’ny alalan’ireo fanoharana telo ireo no nentin’i Jesosy nampianatra ny mpianany, ny manodidina Azy ary isika izay mamaky ny Soratra Masina. Zavatra miainga amin’ny fiaina an-davan’andro. Rentsika ny amin’ny olona marobe maty atsy sy aroa noho ny antony samihafa : ady amin’ny firenena iray ary tsy misy indrafo, ady ao anatin’ny fianakaviana ka tsy mifandevina raha maty, loza toy ny tondradrano ka mahafaty olona. Maro koa no miteny hoe : soa fa tsy aty amintsika izany, soa fa tsy tratran’izany, rizareo koa efa natoro nefa dia mbola izao ihany no natao ary izao dia maty. Izay no fisainana mitondra fahafatesana satria tsy mahita ny ataon’ny tena fa ny hafa ihany. Ny hafa ihany no manao izao sy izao.

Miverina amin’ilay aviavy isika. Ny tanimboaloboka dia ny tany tsara nomen’ny Mpahary hahavokatra tsara sy ny mamy indrindra. Saingy rehefa tsy mety hanana voa moa ny hazo iray toa ny aviavy tsy misy afa tsy mikarakara azy sisa. Anisan’ny hazo tena tsara koa mantsy izy ireny.Eto izy dia azo oharina amin’ny fiangonana na ny kristiana. Manjelanjelatra ny filazana ny asan’ny fiangonana atsy sy aroa. Fa saingy misy ao amin’izany fiangonana izany aviavy tsy mety hamoha.Tsara jerena nefa tsy misy voany.

Koa mangataka famindram-po ny mpikarakara. Avelao fa hadiko ny manodidina azy, asiako zezika. Eny, hiala nenina ny mpikarakara mba tsy ho faty ity aviavy.

Koa mahafinaritra ny fanoharana nataon’i Jesosy. Omeny fotoana hiala-nenina. Manatena izy fa hisy fivoarana.Raha kapaina tokoa mantsy ilay aviavy dia maty tanteraka. Raha tapaka izany ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra dia maty tanteraka ny olona.

Ary asa na io fahatapahan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra io no mahatonga ny kristiana sasany izany tsy mahavita ny tena asa nanirahan’Andriamanitra azy teto amin’izao tontolo izao fa variana amin’ny zavatra hafa. Amin’ny toerana sasany efa mahantra dia variana amin’ny fampihaingona ny fiangonana ka andanina vola be. Fa tsy mitarika ny olona amin’ny filazana ny Vaovao Mahafaly dia ny famonjen’Andriamanitra izao tontolo izao. Trano hiangonana madio no ilaina fa tsy fifaninana amin’ny trano feno karazan-kaingo tsy misy ilana azy. Ao ny rideau sy ny écran plat nefa tsy lehibe mankaiza ny toerana. Tsy hivavahana sy tsy mahavonjy ireny.Tahaka izany koa ny fifaninana amin’ny feon-dakolosy vao maraina na amin’ny ora voatendrin’ilay fiangonana. Tsy vitan’ny feon-dakolosy intsony fa solona hira aza. Fa ny hira sy ny vavak’iza moa no tian’Andriamanitra hohenoina. Ny feon’ny fitaovana elektronika sa ny feon’ilay olona nohariany. Marina fa ilaina ny lakolosy fa indray mandeha ihany amin’ny fanombohon’ny fanompoam-pivavahana fa tsy tontolo andro. Na ilaina koa amin’ny fandevenana rehefa manpiditra ny razana ao am-piangonana. Tahak’izany koa ny fandaniana amin’ny voninkazo tena lafo nefa ho amin’iny alahady iny ihany. Moa ve Andriamanitra dia mitady izany voninkazo izany sa ny fo sy ny sain’ny olona entina mivavaka no andrasany ? Moa ve ny ampifalifaly an’Andriamanitra no ataontsika sa ny hivavaka hanatona azy.

Koa mampitandrina ny filazantsaran’i Lioka. Mbola miala nenina ny Tompo fa tsy mahita voa. Asa na naninona ity aviavy ity ? Izy no nalain’i Lioka ho ohatra satria noheverina tamin’iny faritra misy azy indrindra teo amin’izay mahadokotera azy dia ny aviavy anisan’izay manadio ny tena. Manala ny « infection ». Noho izany raha kristiana tsy vonona hanala izany zavatra mahafaty azy dia toa ny mamono tena ary mikapa ho azy ny tenany.

Koa mbola mamidra fo Andriamanitra mampahatsiaro hoe « Mibebaha ianareo » sao tratran’ny fahafatesana ara-panahy. Ilaina ny saina mandanjalanja ny ren’ny sofina na ny hitan’ny maso. Vonona ny Tompo hamelona fa anjaran’ny tsirairay ny mandray na tsy mandray izany fahavelomana izany.