Alahady voalohany amin’ny Karemy 2016

Lioka 4 : 1 – 13

Mafana dia mafana ny resaka rehefa miady hevitra momba ny hoe devoly. Indrindra moa ity andalana ato amin’i Lioka ity. Nahoana i Jesosy izay heverina ho Zanak’Andriamanitra no manaiky ny hifandahatra amin’ny devoly. Nefa vao avy natao batisa Izy ary voalaza fa nirotsaka taminy ny Fanahy Masina tamin’Izy tao amin’ny onin’i Jordana. Io Fanahy io ihany no nitondra Azy ho an’efitra. Moa ve tokony hampiasa ny heriny Izy entiny mandresy lahatra ny devoly?

Any an’efitra no misy toerana mangina hitokanana hivavaka tena milamina. Fotoana natokana koa io hiomanana sy hidiran’i Jesosy amin’ny asany atsy ho atsy.  Miala amin’ny tabataban’ny tanana izay feno olona.  Tsy nihinan-kanina Izy fa
nanaraka ny fomba fanao rehefa mitokana. Naharitra efapolo andro izany ary
nahatsiaro noana Jesosy. Misy fetra izany ny fotoana fifadian-kanina satria tsy
mahazaka mihoatra izany ny tena. Na dia tanora sy matanjaka aza izy. Ary tsy nofohanana ny fisotroandrano satria tena ilain’ny vatana izany.

Teo amin’izany fotoana naha noana an’i Jesosy izany no nipoiran’ny devoly. Niresaka in-telo rizareo. Tahaka ny efa nifankahalala. Toy izao ny resaka nifanaovany :

-Nasainy nanova ny vato ho mofo Jesosy. Nampanantenainy fahefana raha miankohoka eo anatrehany. Teny an-tampon’ny tempoly tany Jerosalema no nasainy nitsambikina. Tsy mba nandositra ny devoly na nanenjika ny devoly Jesosy. Fa nifampiresaka. Samy mavesa-danja ny zavatra voalaza.

 Vato ve ho tonga mofo ? Nahay nanatsafa ny devoly. Nolazain’i Jesosy fa tsy ny
mofo ihany no hiveloman’ny olona.  Hiankohoka eo anatrehany ? Tsia, fa Andriamanitra ihany no hiankohofana. Hitsambikina avy eny an-tampontrano ? Hamono tena izany ? Aza maka fanahy hoy Jesosy.Mahagaga fa tsy nisy fahatezerana teo amin’i Jesosy sy ny devoly fa nifampiresaka tsara. Tsy nandroaka azy koa Izy. Fa namaly tsara ny fanontaniana rehetra.

Ny teny hoe devoly dia avy amin’ny teny anglisy « devil ». Izay ao amin’ny teny frantsay hoe « diable » avy amin’ny teny grika hoe « diabolos ». Dia-bolos : midika hoe :manasaraka na manapotika amin’ny fanaparitahana ny zavatra mikambana. Ao koa ny hoe demonia (daimon) Misy ilay teny malaza koa hoe « Satana ». Tsaroantsika ny tantaran’i Joba izay hahitana an’Andriamanitra sy Satana miresaka. Indraindray koa azo adika hoe : fanahy ratsy.

Tsy voalaza ato amin’ity toko sy andininy ity hoe : avy aiza no nipoiran’ny devoly. Nefa dia niara-nandeha taminy Jesosy.

– Niaraka taminy tany an-efitra.

– Nanohy ny dian’izy ireo niara-niakatra.

– Niaraka tany Jerosalema.

Mahagaga izao fihetsik’i Jesosy izao. Mifankahalala ve Izy sy ny devoly ? Mpinamana ve ? Nahoana no tsy nasainy niala teo. Naninona no tsy nandroaka azy Izy ?Nohenoin’i Jesosy tsara ny zavatra nolazainy ary namaly azy hatrany Izy. Tsy nisy sendoatra na fiavonavonana. Tsy voalaza koa hoe : tahaka an’iza ny bika sy tarehin’ny devoly.

Tamin’ny fotoana nahatratran’ny fahalemen’ny nofo na ny saina dia miseho ny devoly izay tsy hita maso fa ao an’eritreritra ao. Jesosy reraka no nokitihiny. Nahatsiaro voarirodrirotra ny sain’i Jesosy. Nahay niaro ny tenany tsara izy anefa namaly ny tenin’ny devoly.

Raha Jesosy aza tafaresaka tamin’ny devoly nahoana ny kristiana na ny fiangonana tsy ho tratr’izany. Tsy misy mahita na mahare ny tenin’ny devoly afa tsy izay iantefany ihany. Marobe no resaka ao an-tsaina ao rehefa reraka na sahirana ny
olona. Ary tsy mahagaga izany. Misy ny an’ny sasany tahaka izao.

-Mandehana mangalatra dia tsy ho noana ianao.Valiny : tsy fanaoko izany.

-Simba ny fiarakodia ka dia halaivo ny fitaovan’ny fiarakodia mipetraka eny amorondalana. Amin’izay tsy sahirana . Valiny :tsy mety izany.

-Nisy nanamby vola mba hahazona fahefana ka handa aho sa tsia. Valiny : Mampahantra ny hafa indray kosa.

-Maro ny fahefana azo amin’ny vola. Valiny : Mifanohitra amin’ny lalana izany.

Santionany ihany ireo ary fahita an-davanandro. Ny fomba nialan’i Jesosy tamin’izany fifandroritan’ny sainy izany dia ny teny mahitsy sy marina. Ny Tenin’Andriamanitra nafaran’i Mosesy tao amin’ny Soratra Masina. Teny mandresy. Teny hentitra tsy nisy fahatezerana akory.

Amin’izao fotoana sarotra handalovan’ny firenena izao diamisy feo mikitika ao an-tsain’ny fiangonana na ny kristiana. Eo amin’izay maha olombelona ny kristiana dia reraka koa izy. Ary variana aza indraindray. Ka tsy manana teny handresena ny fanatsafana tonga ao an-tsaina. Mety miseho amin’ny endrika maro izy ireny. Raha mandeha eny an-dalana ianao dia mahita olona maro tsy manakialofana, na mangataka, na tsy ampy fitafiana. Mety misy feo manao hoe : raha kristiana ianao maninona no tsy mahaova ireo olona ireo. Na koa hoe : raha kristiana ianao nahona no manaiky fahefana feno kolikoly. Na koa izay ataonao na ratsy aza satria fantatrao dia ataovy ihany ho toy ny sitrapon’Andriamanitra. Ny tena loza dia ny filazana fa ny feon’ny vahoaka dia feon’Andriamanitra nefa izay no tian’ny olona atao ka dia ahiliny amin’Andriamanitra tsy hanana tsiny.

Manelingelina ny kristiana ny fisin’izany rehetra izany nefa dia maro no tsy mahatohitra izany. Fa ny ankamaroan’ny Fiangonana dia manokana ny fotoana hamohana devoly. Marina fa ilaina ny hikarakarana ny olona reraka noho ny antony samihafa.Nefa tsara ho fantatra koa fa amin’ny fanapahan-kevitra raisina dia mila fanampina arak’ izay tokony ho izy ireny. Dinidinika sy fihainona azy no ilainy fa tsy feo mikikakika. Na mivatravatra manao avo feo. Moa ve izany no nataon’i Jesosy ?

Misy koa ny manao kilalao ny Tenin’Andriamanitra ka mihevitra fa izy no izy ary mampiasa ny Soratra Masina amin’ny resaka rehetra mba hilazana fa mahay miteny sy mitaiza ny olona . Noho ny fahazaina miteny dia reraka ambony latabatra ihany.

Fa ny fampianaran’ny Tompo androany dia ny Fanahy Masina ao aminy dia afaka manome hery azy hahatohitra sy handresy ny hevitry ny devoly. Izany hoe ilay mitarika ho amin’ny fahaverezana. Miankina amin’ny tsirairay ny hanarahana ny sitrapon’Andriamanitra na tsia. Tsy misy fanerena ny fanekena ny famonjena ataon’ny Tompo ho an’ny olona tsirairay. Fa nomeny safidy malalaka ny mpanaraka azy raha vonona amin’izany dia tsy ho resy fa handresy amin’ny
alalan’ny Tenin’Andriamanitra.