Nahavariana ahy ny fampiasana ny teny hoe « Kapoka » ao amin’ny Baiboly. Voalazan’ilay Ralehilahy tamin’ny alahady maraina (31 jan) manao fanazavana  fa tena ilaina sy eken’ny Baiboly ny kapoka.Eny fa na ny zanany efa lehibe aza efa ho roapolo taona latsaka kely dia mbola kapohiny. Tsy ataony mafy akory nefa dia heveriny fa ilaina. Hoy ilay Ramatoa nanontany azy hoe : ahoana no atao ary amin’ny ankizy vatombatony izay tsy azon’ny ray amandreny anarina akory ? Ilaina hoy ilay Rangahy ny mikapoka azy ireny. Tsy misy mahadiso izany hoy izy. Ilay nanontany koa moa dia somary  sadaikatra tahaka ny mila fanamafisana izany hevitra izany. Ary somary nahazo aina aza izy nandre izany valiteny izany.

Ilay Rangahy dia nilaza fa satria hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe « kapoka» na « mikapoka »dia azo tanterahina izany.  Miala tsiny aho izay manoratra fa tsy dia azoazoko izay voalaza izay. Nieritreritra aho hoe : Moa ve azo arahina ara-bakiteny daholo ny zavatra voalaza rehetra ao. Voalazan’ilay Rangahy fa any am-pitandranomasina dia voarara ny mikapoka ny ankizy ary tsy ekeny loatra izany.  Tokony ho lavina izany fandrarana izany aminy. Fa ny Baiboly aza mampiasa an’io teny hoe « kapoka » io. 


Io no tsy hitovizako hevitra amin’ilay Rangahy sy Ramatoa nifanakalo hevitra. Na dia nanome toko sy andininy tao amin’ny Baiboly hanamarinany sy hanamafisany izany.

Tsy naharitra aho ka dia nikaroka ary izay no nahatonga izao lahatsoratra izao. Rehefa jerena ao amin’ny fizahan-teny na ny konkordansa amin’ny teny malagasy dia hahitana ny fampiasana  io fototeny « kapoka » io sy ny teny izay mifandray aminy. Teny misy ao amin’ny Baiboly tokoa io teny io. Tsy tokony ho hadinontsika fa ny nanoratra ny Baiboly dia olombelona ihany na dia tao aza ny aingampanhy nananany tamin’ny fampitana izay noheveriny fa tsindrinmandry avy amin’Andriamanitra. Maro no toerana hahitana ny teny hoe kapoka sy ny mifandray aminy ao amin’ny Baiboly.
Misy azy ao amin’ny Testamenta taloha sy Testamenta vaovao. Kanefa teny iray ihany no hampiasaina amin’ny teny malagasy hilazana ny karazana kapoka voalaza ao amin’ny Baiboly. 

Ireto no noraisiko ao amin’ny Baiboly. 

1 Samoela 4 :
(Fanazavana) Ilay kapoka nanjo ny Israely dia tsy avy amin’ny Tompo Andriamanitra(Jehovah) fa avy amin’ireo atao hoe : andriamanitra madinika izay andriamanitry ny Ejiptiana. Noho ny ady dia resin’ny Filistiana ny Israely ary resy. Ka tsy mitoetra izany ilay kapoka avy amin’ny Tompo Andriamanitra. Milaza faharesena ny kapola eto.

2 Mpanjaka 13 : 19. (Fanazavana) Nasain’i Elisa mpaminany hikapoka ny tany ny mpanjakan’ny Israely mba hahazony fandresena amin’ny ady atao. Nikapoka ny tany in-telo ny mpanjaka.Ary tezitra aza Elisa fa toa tsy ampy. Elisa dia nilaza fa tokony nikapoka in-dimy na in-enina … Eo no tsy ekeko satria tsy kapoka hitondra fananarana fa eo amin’ny fanatanterahana ady. Ary ady izay hahafaty olona. 

2 Mpanjaka 2 : 14 –(Fanazavana) Elisa no nikapoka ny rano. Ary izao no teniny : « Aiza ilay Andriamanitr’i Elia ? Izy koa dia nikapoka ny rano. Ary nisaraka ny rano. Ary nita i Elisa. Tsy olombelona mihitsy no nokapohina fa ny rano. (Ny fampiasana ny teny hoe -nisaraka-eto dia mampitandrina satria mifono ahiahy, tsy fantatra izay ao aoriana. Indrindra rehefa zohina ny tantara(and 18,– tsy efa nilaza taminareo va aho ?) Jereo ny rano izay nisaraka tamin’ny andro faha-2 sy ny faha-4 amin’ny Gen 1 and 6 sy 14 tamin’ny Fahariana izao tontolo izao. Tsy tonga dia nampiteny an’Andriamanitra ny mpanoratra hoe : andro faha izao fa nataony somary lavidavitra. Satria ny fisarahana miteraka fizarazarana.

Deteronomia 29 :21—(Fanazavana) I Mosesy no miteny fa hahatsiaro ny taranaka any aoriana ny amin’ny loza(heverina fa kapoka) nanjo ny Israely. Fampitandremana no nataon’i Mosesy mba tsy hisin’izany tamin’izany fotoana izany.

Ohabolana 19 :29 –(Fanazavana) Ny mpaniratsira dia voaheloka. Fa ny adala dia voakapoka.
Nahoana no tsy mitovy ? Nahoana no tsy maintsy ampijaliana ny tenan’ny adala ? Tsy Andriamanitra no niteny an’io fa hevitr’ilay nihavin’ny mpanoratra.

Marka 15 : 19—( Fanazavana) Eto dia ny lohan’ny Jesosy no nokapohina. Tena narary. Ary
naratra aza. Izany ve dia ekena na dia atao aza hoe tsy Jesosy.

Titosy 1 : 7 –Teny nataon’i Titosy ho an’ny mpitonda fiangonana : tsy manan-tsiny, …tsy mikapoka … Fa mampiantrano vahiny …( teny tena mazava fa tsy ilaina fanazavana intsony). 

Asan’ny apostoly 22 : 24 (Fanazavana)– Rehefa tao amin’ny fitsarana i Paoly apostoly dia nadinina tamin’ny kapoka … (nisy ny atao hoe : « bourreau » izany)
Rehefa jerena ireo andinin-tsoratra Masina ao amin’ny Baiboly dia azo lazaina fa ny kapoka dia tsy natao ho fananarana. Fa miteraka fangirifirina, ary fahafatesana aza. Sarotra hinoana fa mankasitraka ny kapoka ny Tompo Andriamanitra. Ireo teny hebreo milaza kapoka dia  hadika amin’ny teny frantsay hoe : malheurs, fléaux, coups, blessure, meurtrissures, plaies- Matetika dia maratra izay voakapoka ary mety ho faty aza. Na mty tokoa. Koa ahoana no haneken’Andriamanitra izany. Tsy misy filazana akory ao amin’ny Baiboly fa mankasitraka ny fahafatesana Andriamanitra. Ny kapoka dia misy fampiasana hery ary mampanantaina ny olona voan’izany. Marary ilay izy.

Koa nahoana ny Baiboly no hanaiky ny ilana ny kapoka. Mainka fa Andriamanitra ve hanaiky izany ? Tsy mitoetra izany amiko satria Andriamanitra raha mananatra ny olona dia miresaka aminy fa tsy mikapoka. Maniraka olona maro izy toy ny mpaminany ohatra.

Tsara eo amin’ny fandinihina teny iray ao amin’ny Baiboly ny mijery ny teny hebreo na grika satria avy amin’ireo no nandikana ny Baiboly. Tsara koa ny handinihina tsara ny toko manontolo hahazona mahafantatra ny teny lazaina ao.

Tahaka izany koa hoe : iza no niteny azy : Mosesy, mpaminany hafa, ny mpianatra, i Paoly Jesosy sy ny sisa. Fa raha tsy izany dia somary mandiso ny tian’ny mpanoratra ho lazaina. Matetika ny mpamaky dia manafangaro ny Tenin’Andriamanitra sy ny tenin’ny mpaminany izay soratan’ny mpanoratra ilay boky. 

Amiko manokana : Tsy ilaina ny mikapoka na amin’ny hazo, na fehibiko na zavatra hafa fa fampijaliana izany. Eny fa na dia atao malefaka aza izany. Rehefa mikapoka dia misy fahatezerana na dia atao aza ny tsy mampiseho izany ho fanamarinana azy. Ary mety hahafaty ilay kapohina satria tsy tana io fahatezerana io.

Marina fa sarotra ny mitaiza zanaka nefa ilaina ny fifampiresahana aminy. Indraindray rehefa vizana ny ray amandreny dia tsy mahavita izany fa kizintina. Koa makà aina kely aho. Na maneke olona afaka hifanakalo hevitra aminao amin’ny fitaizana. Tsy ny trerona akory no hampiova ny zanaka raha manohitra ny ray amandreny izy fa mitady fitiavana izy. Mba mila mpihaino koa izy na dia atao hoe zanaka eny fa na dia ankizy aza. Amin’izao iainantsika izao dia mandeha dia mandeha ny fotoana, ny zavatra mitranga na aiza na aiza mila tsy ho haraka. Ary matahotra ny ankamaroan’ny ray amandreny ny amin’ny ho avin’ny zanany. Ka mihevitra fa rehefa treronina sy kapohina dia hampiova azy izany. Nefa vao mainka ny mifanohitra amin’izany no mitranga. 

Famaranana : raha ianao ve tianao ny ho kapohina raha misy tsy mety ataonao. Valiny : tsia. Koa nahoana no atao amin’ny zanaka. Mitadiava vaha-olana amin’izany fa misy dia misy tokoa. Mifampianara ianareo mihaino. Raha misy ditra heverin’ilay zanaka natao dia hanontanio izy fa misy antony no nahatonga izany. Aoka tsy ho entin’ny hafanam-pofa mandinika tsara ny toko sy andintSoratra masina lazaina fa sao tsy mifanaraka amin’izay tokony ho izy.