Jeremia 1 : 4 – 19

Ho an’izay te-hahalala ny tantaram-pirenena iray momba ny
fahininy dia ny bokin’i Jeremia anisan’izany.  

Ity perikopa ity dia milaza ny toriteny nataon’i Jeremia. Manomboka
amin’ny fitantarana ny nifidianan’ny Tompo Andriamanitra azy. Ny ahiahiny.Ny
fampaherezana azy. Ny asa ho tanterahiny.Ny hihavin’ny loza amin’ny fireneny.
Ny ady amin’ireo fahavalo. Ny fitahin’ny Tompo Andriamanitra azy.

Mandalo fotoana sarotra ny firenen’i Jeremia tamin’izany
fotoana izany. Ary voantso izy hitarika ny olona amin’ny fahafahana. Saingy
tany am-boalohany dia nahatsiaro izy fa sarotra izany asa izany. Nefa dia
voalaza fa tsy manana safidy izy satria efa tany ambohoka dia voaomana ho amin’izany
. Izany ve no hilazana fa efa voasoritra ny fiainan’ny olombelona ety an-tany ?
Angamba tsy dia izany loatra. Fa matoa misy izany dia fantatra fa afaka
hanatanteraka ny antson’ny Tompo ny olona ka mamaly izany. Tahaka ny zaza teraka
ao amin’ny tokatrano iray. Namaly ny antson’ny ray amandreniny izy mba ho
zanany. Ary dia teraka tao fa tsy tany an-kafa.

Na dia nihevitra fa tsy voaomana amin’ny asany i Jeremia dia
nanome toky azy ny Tompo. Fa izy no hanome ny teny izay ho lazainy. Sy ny fahefana
koa : hanongotra sy hanjera,handrava
sy handrodana, ary hanorina sy hamboly.

Hanongotra sy hanjera ny ratsy rehetra, izay heverina fa tsy
tokony hisy intsony, manala hatramin’ny fakany. Manadio tanteraka.

Handrava sy handrodana izay tsy tokony hijoro intsony. Tsy
atao tazan’ny maso intsony izay mety hanimba. Zavatra mijoalajoala matetika no
ravana sy arodana satria mandindona loatra ka mitondra fahasimbana.

Hanorina sy hamboly. Tsy misy antony hifikirana amin’izay
zavatra ratsy satria afaka manorina sy mamboly vaovao. Tsy very akory ny
fanantenana fa miverina ny fahasahiana. Mitsiry indray aina vaovao, zavabaovao.

Tsy maintsy nanongotra, nanjera, nandrava,nadrodana ny sampy
rehetra nentina nasolo ny Tompo Andriamanitra tamin’izany fotoana izany.Niala
sy nihataka tanteraka tamin’ny Tompo na ny mpitondra na ny vahoaka ary nanaraka
fanompoana hafa. Nivavaka tamin’andriamanitra sarisikotra izay andriamanitra naorin’ny tanan’ny
olombelona. Fa tsy ilay Tompo Andriamanitra ninoan’i Abrahama sy ny taranany
intsony.

Izany no ady mahamay satria ireo fahavalompirenena tafiditra
tao no nitondra izany ary nanaraka ho azy ny tompontany. Asa izay nahatonga
izany fahalemena izany. Ny firenena rehetra avy any avaratra (and 15) mantsy no
nananika. Arakan ny fandinihin’i Jeremia dia izay no nahatonga fahasahiranana,
fijaliana, ady ary indrindra ady ara-panahy.

Izay no niantson’Andriamanitra an’i Jeremia hanohitra sy
hanapotsipositra izany fahasimbana izany. Hitory ny fahamarinan’ny Tompo
Andriamanitra mba hiverenan’ny olona Aminy.

Asa sarotra satria atao ahoana moa ny hanairana ny olona ho
tonga saina fa mivary lavo izy.Ary rehefa niaina izany tao anatin’ny fotoana
maro dia heveriny fa mandeha ho azy ka tsara aza ny tsy mety ataony.

Atao ahoana ny hilazana fa tsy sitraky ny Tompo Andriamanitra
izany ? Atao ahoana ny hampiova fo ny olona nefa ny tena izay nantsoina
hitory ny Tenin’Andriamanitra dia mbola tanora. Tany aoriana aza na ny
fianakaviana dia tsy faly tamin’i Jeremia.

Kanefa ny fampaherezana lehibe amiko nataon’ny Tompo tamin’i
Jeremia dia ny fampanantenany fa homba azy Izy (and19 : Fa hiady aminao
ireny nefa tsy hahaleo anao satria momba anao sy hamonjy anao Aho, hoy ny
Tompo).

Mandalo fotoan-tsarotra koa ny firenentsika.Ary misavorovoro
ny sain’ny olona mitady fahasambarana sy filaminana. Nefa dia maro no kivy fa
toa tsy hahita izany. Maro koa ny zavatra izay atao toy ny andriamanitra hianteherana ka hatokisana tanteraka.
Manao azy ho ambony noho ny Tompo Andriamanitra. Kanefa raha manaiky hiova
tanteraka ny tsara dia hitondra fifaliana izany.

Raha alalinina dia maro ny tsy maintsy hafoy ka hongotahana sy
hazera, ravana sy harodana. Manomboka amin’ny saina izany toy ny fitiavan-tena,
ny tsy fanajana, ny fanaovana tsinontsinona ny hafa, ny fialonana, ny
fitiavambola diso tafahoatra, ny lainga maro, ny fanambakana, ny fangalarana,
ny fisolokina. Izany rehetra izany sy ny hafa no asain’ny Tompo
hongotana.Satria lasa asa fanompoana ireo. Tsy ilay ditin-kazo ho an’andriamanitra
hafa intsony fa fanitsakitsahana ny Tompo izay nanorina sy mamelona ny
olombelona. Ny fibebahana sy ny fialana amin’izany no takin’nyy Tompo amin’ny
tsirairay.  Mafy mafy ihany ny hitorina
izany satria mandratra ny fo sy ny sain’izay miaina ao anatin’izany .Nefa mafy
dia mafy koa ny ialana amin’ny ratsy satria io no heveriny fa mahavelona sy
hahitana fahasambarana eto an-tany. Ireny rehetra ireny no naka ny toeran’ny
Tompo Andriamanitra.

Raha matoky ny Tompo Andriamanitra izay rehetra mandre ny
antsony hiala amin’izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapony. Dia manome toky ny
Tompo fa misy ny fitahiny ary hanampy ny tsirairay amin’ny fanarenana izany
hoe : Hanorina sy hamboly fiainana vaovao ary olombaovao izay tia sy
tian’ny Tompo.