Soratra Masina nalaina tamin’ny bokin’i Jeremia. Ny zavatra nitranga tamin’ny
fotoanany dia tsy misy hafa amin’izao hiainantsika izao.Na eo amin’ny fiaraha-
monina na eo amin’ny fivavahana.

Alatsinainy 11
Fa raha hahitsinareo tsara ny lalanareo sy ny ataonareo,raha mitsara marina ny
adin’ny olona amin’ny namany ianareo. – ary tsy mampahory ny vahiny sy ny
kamboty ary ny mpitondratena, na mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity
tany ity sady tsy manaraka an’andriamanitra hafa hahatonga loza aminareo, dia
hamponenako amin’ity tany ity ianareo, eto amin’ny tany nomeko ny
razanareo,hatramin’ny ela ka ho mandrakizay. (Toko 7 : 5-7)

Talata 12

Fa izao kosa no nandidiako azy : Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary
ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba
hahitanareo soa.- Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny fa nandeha
tamin’ny fisainany sy ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho ,fa tsy mba
nanatrika Ahy. ( Toko 7 : 23-24)
Koa lazao aminy hoe koa « Ity no firenena tsy mihaino ny feon’NY TOMPO
Andriamaniny sady tsy mino anatra ; very ny fahamarinana fa tsy eo am-bavany
intsony. » (and 28)

Alarobia 13

Noho ireo dia homeko ho an’ny hafa ny vadiny,ary ho an’izay maka azy ny sahany,
satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena; na
mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa. (Toko 8 : 10)
Moa tsy misy balisama va any Gileada ? Moa tsy misy mpitsabo va any ? Koa
nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy ? (and 22)

Alakamisy 14

Zana-tsipika mahafaty ny lelany fa miteny fitaka ; raha amin’ny vavany dia miteny
fihavanana amin’ny namany izy, kanjo ny ao ana Zoma 15
Fa misy feo midradradra re avy any Ziona hoe : »Indrisy !Rava isika ; afa-baraka
indrindra isika satria tsy maintsy mamoy ny tany fa efa nodorana ny trano
nitoerantsika. (Toko 9 :18)
Izao no lazain’NY TOMPO : Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny,
aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, aoka ny manakarena tsy hirehareha
amin’ny hareny. – Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao : Dia ny
ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo
(and 22-23.

Asabotsy 16
Fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy. –
(Toko 10 : 14c)

Alahady 17
TOMPO Ô, anaro aho, nefa araka ny fitsaranao ihany fa tsy amin’ny fahatezeranao,
fandrao hahatonga tsinontsinona aho.(Toko10 : 24)