Fiarahabana sy dinidinika.

Ny fankalazana ny Noely no hahatsiarovana fa tonga nofo ny Tompo hamonjy izao tontolo izao. Feno fifaliana tokoa ny kristiana eran-tany anisan’izany ireo any Madagasikara. Maro ny namonjy ny fotoanan’ny sasak’alina. Manana anjara lehibe ny tanora na antoko mpihira amin’ny alalan’ny hira marobe ataony. Tahaka izany koa ny ankizy amin’ny atoandron’ny Noely. Mamerina ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesosy ary manao fanamihana mifanaraka amin’izany. Izany rehetra izany dia nilana fiomanana. Ny andro Noely kosa dia ny fanompoam-pivavahana ary miaraka amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Mahafinaritra ny fanatanterahana izany satria fihaonan’ny maro ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Eo amin’ny fisian’ny fifaliana koa dia indraindray misy toe-zavatra tsy mifanaraka loatra amin’ny Filazantsara. Tsy laviko ny hananana trano fiangonana madio sy milamina. Ary tena ilaina.Fa saingy ny ravaka ao anatiny dia heveriko fa tokony hampieritreritra antsika ny fampiasana azy. Toy ny fametrahana « sapin » sy ny haingony. Marina fa hahatsiarovana ny Noely nefa toa ohatrin’ny mivavaka amin’ilay hazo. Tsy mivavaka ve ny kristiana raha tsy eo ny « sapin » ? Raha any an-tokatrano dia hafa indray. Inona tokoa moa no heviny amin’ny fametrahana azy ireny mandritra ny fanompoam-pivavahana ? Dia tahaka izany koa ny fisin’ny Dadabe Noely. Atao hoe mba marika hizara vato mamy ho an’ny ankizy ? Tsara ny mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra atao. Inona moa no heviny ara-pilazantsara amin’ireny zavatra tahaka ireny ? Anjaran’ny teolojiana, na ny mpitandrina, na ny mpitoriteny no mandalina izany miaraka amin’ny mpiangona. Mahavariana koa ny fahitana ny « rideau » na ny voaly izay hampihaingona ny trano fiangonanana rehefa misy fety. Dia tsy nivavaka koa ve taloha raha tsy nisy an’ireny.Inona no antony nahatonga nampidirana ireny ? Ary hatramin’ny oviana ? Tsy afaka mifantoka amin’ny vavaka sy ny hira ary ny fihainona ny Tenin’Andriamanitra ve ny mpiangona ankehitriny  raha tsy ao ireny?

Sa izany no mifanaraka amin’ny toetran’andro ? Moderna ? Mandroso ? Ary inona no mifanaraka amin’ity Filazantsara torin’ny Fiangonana isan’andro ? Tsy vitan’ny hoe : mahafinaritra ny maso fa ny fiangonana atsy manao azy dia nahoana no tsy hanao izany. Misy nilaza tamiko fa hoe tsy mampaninona fa mba miova ê ! Miova ahoana hoy aho ? Nefa toa tsy mahavita adidy akory ny fiangonana ato aminareo.

Tsara ihany ny mametrapanontaniana ny amin’ny hijoroan’ny Fiangonana ho vavolombelona. Satria raha mijery ny isan’ny mpiangona any Madagasikara na ny malagasy aty am-pita dia efa tokony ho mandroso dia mandroso Madagasikara. Saingy ao anatin’ny fahasahiranana mafy ny firenena. Fa nahoana ary ?

Na izany aza dia miarahaba anao ny Tompo Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsidihan’ny ny tokatranonao nahatratra izao taona vaovao izao.Ary mistidika anao isan’andro Ny fonao sy ny finoanao no jereny fa tsy ny zavatra hita maso hampamirapiratana ny fivavahana no ilainy. Miarahaba anao koa ireo nitory ny Filazantsara talohantsika nametraka hafatra ho an’ny taranaka aty aorina saingy somary hadino izany. Miarahaba anao koa izao tontolo izao satria tsy afa-miala amin’ireo olona marobe eto an-tany isika. Miarahaba anao koa fa velon’aina ary matoa tanteraka izany dia manana anjara amin’ny fanatsarana izao tontolo izao ianao. N’aiza n’aiza misy anao.Na dia mafimafy aza ny zavatra mitranga manodidina antsika. Satria hanao inona eto an-tany moa izaho sy ianao ? Mahereza fa ny Noely manome zotom-po hahatanterahana izany. Ary aza hadino ity teny ity hoe « Fa katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanaraka ho azy ny zavatra rehetra. » Fa ny Tompo Andriamanitra no mitahy anao.