Alahady faha-efatra amin’ny Advento 2015

Lioka 1 : 36 -56

Akory ny hafalian’i Maria sy Elizabeta fa tafahoana. Nifamangy.Tena nifankatia tokoa.Tena mpihavana.

Feno ny Fanahy Masina Elizabeta. Tsy diso anjara tamin’ny fitiavan’Andriamanitra izy ka fitahina sy fahasoavana lehibe tokoa izany. Fanomezana tsy hananan’ny olombelona satria hery no nomen’Andriamanitra azy : dia ny herin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra. Tsy hoe vao teo no nomena azy fa efa tao aminy.Fa vao mainka azo tsapain-tanana ary tsy azony lavina. Faly izy ary faly koa ny zaza tao an-kibony satria henony nihetsika. Nibitaka ilay zaza hoy izy nefa mbola tao anatin’ny kibo.

Faly koa Maria noho izao fihaonana izao.Ary niventy hira izy.

Hira fankalazana ny Tompo. Ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny no manandratra ny fitiavan’Andriamanitra azy. Tsy nijery izay maha-olontsotra azy. Satria noheverin’i Maria fa tena sarobidy amin’Andriamanitra izy roa vavy. Maro no hitsiriritra azy. Satria nanao soa lehibe ho azy Andriamanitra.

Inona moa izany soa lehibe izany ? Tsy inona fa ny filazana fahaterahan’I Jesosy . Tsy misy zava-dehibe noho ny fahaterahan’ny zaza iray eto ambonin’ny tany. Satria tsy misy mahay mamorona olona na dia iray aza. Olona miaina no ho avy rehefa voakolokolo tao an-kibo.

Ny fahatongavan’io zaza io dia manova zavatra maro eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Tsy hisy olona manankery sy be fahefana ka ho tafajanona eo amin’ny toerany. Ny olona nohambanina dia hiakatra ho olona sarobidy. Mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Izay tsy manakohanina dia hahita sakafo satria ny Tompo no hanome izany. Ny manankarena dia nampialany maina. Hangasihasy eo ary alahelo satria  ny haren’ny tany dia mora lo.Tsy mitovy mantsy ny harena omen’Andriamanitra sy ny haren’izao tontolo izao. Hira feno fanantenana. Tsy manary akory Andriamanitra na dia ao aza ny fahasahiranana.

Fa mba manao ahoana ny hirantsika ? Moa ve mihira mandrakariva ho an’Andriamanitra ?

Misy dia misy tokoa ireo hira izay ventesina noho ny fahoriana.Rehefa misy fahafatesana dia betsaka no manao hira fanantenana ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ny fianakaviana.Ao koa ny hira amin’ny fiandrasam-paty izay mifangaro hira hafa. Somary tsy dia fantatra loatra na fanompoam-pivavahana na te hihira hahafaingana ny alina. Maro koa ny olona voan’ny aretina no manao hiram-bavaka mangina ary mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra.Tahaka izany koa ny niaran’ny loza. Maro ny tonokalo ao amin’ny fihirana na hiran’ny antoko mpihira hahitana izany.Ary saika hain’ny maro. Ao koa ireo hira mampahery ho an’ireo tratran’ny famoizam-po isakarazany. Matetika rehefa voadona eo amin’ny fiainany ny olombelona dia toa mahatsiaro mitodika amin’Andriamanitra rehefa tsy mahita vahaolana.

Fa saingy rehefa fifaliana dia somary nampatorina ny hira ho an’Andriamanitra. Diso faly loatra ka miantso ny namana sy mpianakavy aloha fa tsy dia hita loatra ny hoe : hanandratra ny feoko ho an’Andriamanitra aho. Ny kristiana matetika dia miteny hoe : andraso ho avy pasitera dia mivavaka isika.Fa inona no iandrasana an’i pasitera ? Fa ianao aloha no voalohany misaotra an’Andriamanitra. Tamin’ny mbola tena fanao ny fiandrasam-paty dia mihira mandritra ny alina ny olona. Fa raha misy olona teraka raha misy manao izany adiny iray na fahefan-kadiny dia efa zava-dehibe. Indray mandeha izay aho namangy ary nahare olona niteny hoe : tsy mahay miteraka izy fa tsy mba lahy fa vavy.Tena kristiana nanana andraikitra maro izy nefa dia niteny izany. Fa tsy nisy vavaka ,tsy nisy hira. Gaga aho, izaho koa moa mbola vao mpianatra mpitandrina tamin’izany.Ka dia tsy sahy niteny loatra. Tsy nitondra fifaliana ho an’ilay fianakaviana ny fahaterahan’ilay zazakely. Indrisy ! Nefa fanomezana lehibe avy amin’Andriamanitra mpahary izany ary izay no sitrany.Nahatsiaro an’io tantara io aho rehefa namaky indray ny tantaran’i Maria. Ny tononkira nataony dia azon’ny rehetra hindramina na lahy na vavy no teraka. Tahaka ny mivavaka indroa rehefa mihira ho an’Andriamanitra.

Ny mampalaheno indraindray dia maro ny hira amin’ny fihirana izay havadiky ny sasany ho amin’ny lanonana tsy mifanaraka amin’ny fanompoam-pivavahana. Ary tokony hampieritreruitra fa toa ny mandrora mitsilany ihany izany.Ary tsy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsara ny hiverenana handinihina ireny hira marobe ao amin’ny Baiboly ka tsy natao ho fitadiavana laza sy voninahitra. Na havadibadika hamitahana fa hira iresahana amin’Andriamanitra. Ny tena sy Andriamanitra aloha fa tsy ny fahaizana mihira. Koa midira ao amin’ny efitranonao mangina ary mihira ho an’ilay Mpamonjy anao.Na manao ahoana na manao ahoana ny feonao dia fifaliana ho an’ny Tomponao izany.

chants