Alahady fa-telon’ny Advento 2015

Luc 3 : 10-18

Marobe ny olona nanatona an’i Jaona Mpanao batisa mba ho atao batisa. Nefa nolazainy fa taranaka  menarana izy ireo (and7). Tena namely mafy ny vahoaka Jaona. Olona hangataka batisa dia izany no lazainy. Tsy hitan’i Jaona ve fa raha tonga eo izy ireo dia heverina fa efa niova fo ary vonona hanaraka ny Tompo. Nefa tsy izany no tsapan’i Jaona fa fihatsarahambelatsihy. Natahotra ny olona satria tsy nisy nihevitra fa hisy sahy hiteny izany. Ahoana moa raha misy mpitoriteny toa izany amin’izao fotoana izao ? Moa ve ho faly ny vahoaka ? Angamba dia ho alana tsy ho mpitoriteny intsony. Ary tsy hisy hihaino azy intsony satria be no ho tezitra.

Tsy ny filazana fa taranak’i Abrahama dia misosa ho azy ny famonjena. Ilaina ny fibebahana ( and.8b).  Izany hoe : tsy ny fireharehana fa taranak’i Ranona sy Ranona tena mpivavaka dia ho azo ny famonjena. Dia ahoana raha izany hoy ireo mirehareha ny hoe « ny razanay no nanorina ity tranom-pivavahana ity, na hoe : ny ray amandreninay nanao be tamin’ny fikarakarana ny asa tao am-piangonana ». Marina izany saingy ny finoana an’Andriamanitra dia tsy lovana akory. Raha izany no izy dia voafetra ny famonjena atolotr’Andriamanitra.

Koa dia nanadiady an’i Jaona ny vahoaka : inona no ataonay ?  Inona no ataony mba hahazona famonjena. Manatena mafy ny ho afaka amin’ny fanambaniana ny maro. Fahafahana avy amin’ny mpitondrana fanjakana no tena tadiaviny. Mitsapatsapa an’i Jaona koa raha hitondra famonjena ara-politika izy. Noho izany dia tsy mifankahazo ny hevitra. Ny ao an-tsain’ny vahoaka dia famonjena avy amin’ny alalan’ny mpitondra mba hiova ho tsara ny fiainan’izy ireo.

Inona no ataonay hoy ny vahoaka ? Tsotra ny valitenin’i Jaona : « Omeo akanjo sy omeo sakafo izay tsy manana ». Asain’i Jaona mijery ny hafa ny vahoaka. Be ny mahantra : zara raha mihinakanina sy misakafo . Karakarao aloha ireo. Tsy hoe : mivarota amin’ireo mahantra . Fa omeo. Omeo maimaim-poana. Ataovy manana fiainana toa anao aloha izy ireo. Misy tokoa mantsy ny tsy tia manampy ny mahantra fa alehony aza manary toy izay manome.

Inona no ataonay hoy ny mpamory hetra ?  Valiny : « Aza mampandoa hetra mihoatra noho izay notendrena haloa ianareo ». Tena sahy tokoa i Jaona. Iza no sahy hiteny izany. Inona no hidiran’ny mpaminany na mpitoriteny amin’izany. Hitan’i Jaona ny fanararaotana ataon’ny mpamory hetra. Matahotra an’izy ireny ny vahoaka. Ny hetra aloha mihoatra ny tokony ho izy dia any am-paosin’ny mpamory hetra. Izany no atao koe : kolikoly . Efa nisy hatramin’ny ela. Ary manapotsitra izany Jaona. Miverina amin’ny lalam-pahamarinana aloha fa tsy mody mangataka batisa. Mba hanafenana ny asa tsy mendrika izay mampahantra ny vahoaka. Raha mahatsiaro tena ny mpamory hetra sy ny olona hafa toa azy. Dia efa fiovana lehibe ho an’ny tenany sy ny toeram-piasany. Sy ny vokatr’izany eo amin’ny fanjakana.

Inona no ataonay hoy ny miaramila ?  Valiny : « Aza mampiasa hery amin’ny tsy antony na miampanga lainga ary aoka ho afa-po amin’ny karamanareo ». Eo anatrehan’ny olona mana-kery eo amin’ny fanjakana no tsy nahatahorany hiteny izany. Mety ho afaka hisambotra an’i Jaona ireto miaramila ireto noho ny fahefany. Tandremo ny fampiasan-kerinareo amin’ny tsy marina sy tsy rariny. Mampitandrina i Jaona. Andriamanitra hivavahana, Andriamanitra tsy mampiasa hery. Tsy mahery setra. Ary mampitandrina ny amin’ny fampiasana lainga mora foana. Manorotoroka olona amin’ny tsy marina ka miteraka fampiangana sy fanamelohana . Manapotika ny fiainan’ny olona izany. Marihin’i Jaona fa ny karama izay raisin’ny miaramila dia tokony ho ampy azy. Tokony ho afa-po amin’izany satria efa fantatra mialoha fa toa izao no raisina ao. Nefa dia misy mitady mihoatra noho izany. Ary mampiasa fomba maro hahazona vola mihoatra. Izany no tsidronon’i Jaona. Izay tandrifin’izany teny izany dia tsy mahazaka izany. Kanefa ny mpaminany tsy maintsy miteny. Satria tsy azo saronana amin’ny fivavahana ny asa ratsy ka miteraka fahoriana ho an’ny vahoaka.

Ny olona nihaino an’i Jaona dia lasa eritreritra raha izy no Mpamonjy na tsia. Satria ahoana ary no ahazony miteny toa izany ? Afaka naminany ny toetran’ireo mpametram-panontaniana ve izy ? Iza marina moa Jaona ?

Namaly ny fanontanian’ny rehetra Jaona. Nolazaina fa izy dia mpampiomana. Nefa tsy afaka mihaona sy mahita an’i Jesosy Kristy raha tsy miova tanteraka. Asa lehibe tsy maintsy tanterahina izany. Fa finoana poakaty raha manatona ny Tompo amin’ny fihatsarambelatsihy. Toy ny menarana hoy Jaona.Izany hoe :biby mitsaingoka izay mitondra fahafatesana.

Hoy Jaona Mpanao batsisa :izaho dia olombelona mitoriteny ihany ary tsy ny fanatonanareo ahy akory no mahavonjy anareo. Fa ilay tena mpanavotra sy mpanafaka anareo dia Jesosy Kristy. Ary tsy misy azonareo hafenina ny fiainanareo. Diovy fa akaiky ny Tompo. Izy no manafaka amin’ny fanagadrana sy ny fahoriana rehetra. Izy tsy azo hambakaina satria ny Fanahin’Andriamanitra no naniraka sy nitoetra ao Aminy.