Alahady faharoa amin’ny advento 2015

Lioka 3 : 1 – 6

Jaona Mpanao batisa no mpaminany mampita amin’ny testamenta vaovao. Tany an’efitra anefa no nipetrahany. Niaina tamin’ny fotoana nanjakan’i Tiberio Kaisara, sy Pontio Pilato izay governora. Ary Heroda mpanapaka, sy Filipo rahalahiny ary Lisaniasy. Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe. Samy olona malaza avokoa izy ireo.

Nosoratana ho an’ny jiosy sy ny jentlisa ity filazantsaran’i Lioka ity.Izany hoe nihitatra ny hanambarana sy hanelezana azy. I Lioka izay mpanoratra dia Grika.

Nosoratany koa ity filazantsara ity ho an’ireo izay mitady famonjena ka tratran’ny hakivina. Ho an’ireo izay natao tsinontsinona satria noheverina fa tsy nisy vidiny toy ny mahantra, ny vehivavy,ny Samaritana.

Ireo rehetra ireo dia maniry ny ho afaka amin’ny zavatra mavesatra hampitondrain’ny olona manapaka azy. Noho izany dia mitady fahafahana.

Izany no anisan’ny antony nahatonga an’i Jaona hanohy ny asan’ireo mpaminany teo alohany satria toa zavatra mahazatra sy mandeha ho azy ny fanamaboana sy ny fanambaniana tamin’izany fotoana izany.

Ka namerina ny tenin’Isaia mpaminany Jaona mba ho fampaherezana ireo izay nijaly.

Amin’ny fotoana sarotra tamin’andron’i Tiberio izao dia tsara ny nisin’ny olona toa an’i Jaona Mpanao batisa mba hampitraka ny olona. Rehefa variana amin’ny voninahitra sy ny fitiavan-tena moa ny olona ka mihevitra ny tenany ho ambony ary tsy misy toa azy dia maro no diso fanantenana.

Indro ary fa lasa i Jaona nitety ny faritra amoron’i Jordana.Toerana mahafinaritra sy mahavokatra. Kanefa dia hita ao ny tsy firaharahana antokon’olona sy ny mahantra.

Izao no toritenin’i Jaona « Amboary ny lalan’ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany…Ny lohasaha hototofana, ny havoana sy tendrombohitra haetry… ny lalana miolikolika hahitsy, ny mikitoantaona hohamarinina… Ary farany  ny tsirairay dia hahita ny famonjena avy amin’Andriamanitra »

Asa lehibe no niandry an’i Jaona sy izay iantefan’izany teny izany. Tsy ny lalana na ny arabe akory no tiany ho lazaina fa ny olona rehetra. Na jiosy na jentilisa. Ny teny izay hafafy dia miantefa amin’ny rehetra, tsy misy ankanavaka. Tamin’ny jentilisa moa dia tsy nahalala an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy izy ireo ka nilaina ny hitoriana izany aminy. Tamin’ny jiosy dia nisy ireo nanaraka ny fampianaran’i Kristy. Nefa koa nisy ireo izay tsy nanaiky an’i Kristy ho ilay Mesia.

Mbola nanjaka ny fanandevozana tamin’izany ary maro no tsy nahita rariny teo amin’ny fiaraha-monina. Ny vehivavy tsy nanana izay anjara toerany.Tsy afaka nanome hevitra fa noheverina ho ambany.Amintsika koa dia mbola marina ny ezaka tokony hatao mba hisondrontan’ny vehivavy maro. Fa manana izay maha-izy azy izy eo amin’ny mpiara-belona. Manana hevitra maro izy izay hampandrosona toerana na asa maro fa saingy tsy henoina izany. Ao koa ny mahantra izay tsy zaka ny mijery azy ireny. Fa heverina ho tsy mahalala fomba no maloto. No mampitombo ny olana eo amin’ny fiarah-monina aza. Nefa dia izy ireny indrindra no nanirahan’i Jesosy Kristy ho tiavina, ho karakaraina, ho ampiana. Ahoana moa ny eritritra amin’ireo olona tsy manana trano hipetrahanat.Ireo misindroka eny amin’ny fitoeram-pako. Mbola misy izany. Firy no hihatranon’ny mahantra ka hiaramisakafo aminy eo ambony latabatra. Fa atao ary amin’ny efitra hafa na andakozia.Ny Samaritana izay heverina fa diso lalana amin’ny finoany ka lasa voahenjika.Ary dia mila ho lany ripaka aza.

Ny olona tahaka ireo izay misy ohatra hafa koa no mitady vonjy. Manantena ny Mesia hanavotra azy. Ho  voavotra ve ? Ho re ve ny antoantson’i Jaona. Feo mivoaka avy any en’efitra. Izany hoe feo manakoako tsy mitsahatra. Averimberina mba ho takatry ny olona. Feo mitaona ny rehetra tsy ankanavaka hiverina ho amin’ny marina sy ny fitiavana : ny fitodihana amin’Andriamanitra.

Nolazain’i Lioka izay nanoratra fa fiantsona ho amin’ny batisan’ny fibebahana ny toritenin’i Jaona(and :3).

Ny batisa  manamarika hevitra na olona izay arahina. Eto dia ny fanarahana an’i Jesosy Kristy sy ny finoana azy. Ny batisan’i Jesosy Kristy dia vita teo amin’ny hazo fijaliana .Indray mandeha monja ho an’izao tontolo izao manontolo.Teo no nitondran’ny fahotana sy ny fahorian’ny rehetra. Teo no nanariany ny ratsy rehetra mba handray ny famonjena izao tontolo izao.

Ny batisa koa dia mariky ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Satria teo koa no nihaonanan’Andriamanitra sy ny olombelona izay manome ny sarin’ny hazo fijaliana. Ny batsisa koa dia mariky ny fiovam-po dia ny fiovana tanteraka. Izay notorin’i Jaona fa ilaina ny fibebahana dia ny fiovam-po .

Misy maro ankehitriny ny mihevitra fa rehefa atao batisa izy dia voaaro amin’ny loza rehetra. Hevitra diso izany. Satria ny olona dia mbola miaina eto amin’izao tontolo izao izay hisin’ny zavatra marobe mety hahafaty amin’ny tsy am-poizina.

Ny olona atao batsisa raha efa lehibe izy dia mahafantatra fa fanekena ny fitiavan’Andriamanitra azy izany ary manamafy ny famelan-keloka izay omen’Andriamanitra. Izany tsy milaza akory fa rehefa vita batsisa dia afaka manao ratsy.Tsia.Ary izay indrindra no nampahatsihahivin’i Jaona fa betsaka no miverin’ny lalana. Betsaka no mbola te hitana ny toetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Ka izany no ilaina ny anamboarana ny lalan’ny Tompo. Ny lalan’ny Tompo dia ny fiainan’ny tsirairay. Satria tia miaradia aminn’y olombelona Jesosy Kristy sy ny Rainy. Raha zatra manao olikolika , sy fetsifetsy ny olona dia tsy maintsy miala amin’izany.Isan’andro ny fibebahana satria isan’andro dia mety ho voafandrika na voafitaka ny olona. Na koa manao fanahinina manao ratsy noho ny fitiavan-tena sy ny fialonana.

Ny famelan-keloka dia ny fiadanam-po izay nangatahina tamin’Andriamanitra rehefa miaiky heloka. Fa tsy kilalao ka androany mifona ary rahampitso manao ny atao hampahantra na hanambany ny hafa. Na mihevitra ny olona sasany ho toy ny tsy olona.

Mahavariana ihany ny mahita ny fiangonana sasany rehefa tonga ny alahady dia feno ny trano fiangonana. Na misy fankalazana fanonkanan-zavatra dia mihira hiram-pivavahana sy mivavaka. Ary maro na dia samy kristiana aza no mifanalabaraka rehefa hidiran’ny tsy fifankahazona. Diso tafahoatra aza indraindray.

Matoa mbola misoratra sy torina ny tenin’Jaona, izay noraisiny tamin’Isaia , ka mbola vakiantsika mandrak’izao dia tokony hieritreritra isika. Ao am-po sy ny saina dia mbola tsy vonona ny hanitsy ny lalana, na hanetry ny temdombohitra. Lanjao ange firy ny hatezerana dia ho fantatra izany.Ary dia babena isan’andro Eny na hiangona aza ka tsy hiova fo tanteraka. Raha tsy miala amin’ny ratsy na manalavitra ny ratsy dia tsy hahita fifaliana sy fiadanana akory.

Fa ny fibebahana no miteraka famelan-keloka ho antsika, ary ho an’izay mifandray amintsika ka hahazona mifamela amin’izy ireny.

Takona ilay fiadanana sy fandriampahalemana raha tsy manaiky ny hiaraka miaina amin’ny Kristy izay nandre ny feony. Tsy ho tafiditra ao am-po izany. Ny famonjena efa natolotr’Andriamanitra hatramin’ny ela tamin’ny fahatongavan’i Jesosy Kristy. Ka hanana fiainana mazava sy feno fahazavana amin’ny toerana rehetra izay misy azy ka matoky azy na dia amin’ny andro sarotra indrindra aza.

                                                                                                         Julia Darsot