Lioka 21 :25 – 35

Ity toko faha 21 ao amin’i Lioka ity dia hahitana fampitahana vitsivitsy .Voalahtra amin’izao alahady voalohany amin’ny advento 2015. Fampitahana nosoratan’i Lioka mifandraika tsara amin’ny zava-miseho amin’izao fotoana. Tsy misy tokony hahagaga. Hay ve ny zavatra efa nisy taloha mbola hita ankehitriny.

  • And 25 -28 Ny tebitebintsain’ny olona mikasika ny ranomasina indrindra rehefa mitondra loza. Tsaroana amin’izany ny « tsunami ». Mirohondrohana ny ranomasina ary manonja mafy.

Ny herin’ny lanitra mihozongonzona. Tahaka izany ve ny « comète » na ny « astéroïde » mety handona ny tany. Sa ny masoandro mety mandrehitra ny tany. Misy mihevitra fa akaiky ny farandro.

  • And 26-33 Ny fiovaovan’ny toetran’andro.Ny zavaboaary anisan’ny manambara izany amin’ny alalan’ny tonontaona. Mampanahy mafy fa toa mifamadika aza ny tonontaona amin’ny faritra sasany. Nefa etsy an-danin’izany dia manana fitiavana manokana ny fireneny Andriamanitra.
  • And 34-35 Ny fanaranampo amin’ny zava-mahamamo sy ny fisotrohan-taoka dia tsy miteraka fahazavan-tsaina. Fa fahavesaran-tsaina aza. Lany ny hery handresena ny ratsy.

Inona moa izao no mahamaika fa tsy ny hiaro ny tany amin’ny zava-doza izay mety hahasimba na hahafaty ny olombelona noho ny tsy fanajana ny tontolo iainana sy ny fitondran-tena miteraka fahafatesana.

Manomboka androany dia hikohan-doha ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mpiara-miasa maro eran’izao tontolo izao, ny amin’ny fanapahan-kevitra ho raisina hanatsarana ny tany sy ny tontolo iainan’ny olombelona. Samy miandry ny vokatr’izany.

Fa singaniko eto kosa ny teny ao amin’i Lioka hoe « Ny tany sy ny lanitra dia ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona (and33), ary koa « fa tsy ho tapitra ity taranaka ity mandrapahatongan’izany rehetra izany (and 32).Anisan’ny teny mampahery noraisin’i Lioka fa voalazan’i Jesosy ao amin’ny fampitahana ireo.

Marihina fa ny filazantsaran’i Lioka dia natao ho an’ny jiosy sy ny jentilisa. Nihitatra lavitra be izany ny fanambarana ny vaovao mahafaly sy ny famonjena ataon’Andriamanitra.

Matahotra tokoa amin’ny fahasimbana’izao tontolo izao ny olona.Ary tsy efa nitranga imbetsaka ve izany satria tany amin’ny toerana nisy ny ranomandry taloha dia tany hay na nisy ala. Izao dia mitsonoka indray ny ranomandry. Misy ny olona maro no tsy hita intsony noho ny loza. Ny tany maro sy zavaboaary maro tsy hita intsony fa levona. Mahalasa eritreritra ny teny hoe : ho levona izao rehetra izao fa ny teniko tsy mba ho levona. Ny Teny izay namoronana izao tontolo izao ? Ny Teny tonga nofo tao amin’i Jesosy Kristy ? Ny Teny izay milaza ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny Fitiavan’Andriamanitra ? Ny Teny mitondra fahavelomana ho an’izay mandray sy mahare izany ?

Ny zavatra mampitahotra mitranga sy miseho eto amin’izao tontolo izao dia mampivaraontsana. Tsy misy na iray aza afaka mitsaoka izany fa tafaraka amin’ny fiainan’ny olombelona izany. Saingy izay manaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia afaka mamakafaka sy mijoro ho amin’ny marina. Ny hahazona voninahitra sy harena be eto an-tany no mahamaika ka tsy mampaninona ny sasany raha hahapotika ny tany izay nomen’Andriamanitra iainana’ny olombelona. Raha simba ny an’ny hafa tsy mampaninona an’ireny akory. Fa ny marina takin’Andriamanitra dia ny fitiavana ny olona tahaka ny tena. Ary ny olona ao anatin’ny fahamamoana dia tsy afaka mieritritra akory. Oharin’i Lioka amin’ireny izay tsy afaka mandanjalanja. Ny fahamamoana dia toy ny aretina ary sarotra ialana. Manahirana ny mitsabo ny mamo. Satria mifikitra amin’izany izy. Tsy ny fahamamoana ihany fa io moa no ohatra nalain’i Lioka.

Ireo fampitahana voalaza ao am’ny bokin’i Lioka ireo dia natao hampitandrina ny kristiana. Satria koa misy ny kristiana anarany ka tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra akory fa ataony ho fisehosehona fotsiny.

Ireo fampitahana ireo koa dia natao hiantsona ny kristiana ho amin’ny fibebahana hiverenana amin’ny lalan’Andriamanitra.Satria ny fialana amin’izany no mitondra fahafatesana ho an’ny tena ary ho an’izao tontolo izao.

Ireo fampitahana ireo koa dia mitaky ny fiovam-po tanteraka ho an’izay manaraka an’i Kristy.

Fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ary tsy misy mahaova izany.

 

 

Julia DARSOT