2 Petera 1 : 3- 9

Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana ilay niantso antsika tamin’ny vonihaniny sy ny fahatsarany.Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra,mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.

Noho izany indrindra dia manaova izay zotom-po tsara indrindra ianareo, koa amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina,ary amin’y fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po,ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana,ary amin’ny faharetananareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra,ary araka ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavanareo ny olona rehetra.Fa raha ananareo izany zavatra rehetra izany sady ananareo betsaka dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ny amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa izay tsy manana izany zavatra izany dia jamba ; tsy mahajery lavitra izy sady manadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny.

 

Ireo no hafatr’i Petera ho an’ny olona izany nanoratany. Anisan’ireo kristiana voalohany nanaraka an’i Kristy. Ny finoana tsy nofinofy miteraka fahakamohana fa fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Dia tsy inona izany fa ny fitiavana ny rahalahy sy ny fitiavana ny olona rehetra. Izay no anisan’ny takin’ no Filazantsara amin’ny kristiana.