TENY ho vakiana

JEREMIA 17 : 5-8

I KORITIANA 15 : 12-20

LIOKA 6 : 17-26

Androany dia miditra amin’ireo fahasambarana nolazain’i Jesosy isika. Efa diso haitsika loatra raha ny fahasambarana notantaran’i Matio. Nefa noho isika manana ny Tenin’Andriamanitra araka ny firaketana nataon’ny evanjelistra roa dia ho jeretsika androany izay voalazan’i Lioka.

Raha ny fahasambarana voalazan’i Matio dia teny an-tendrombohitra no nilazan’i Jesosy azy. Ary diso very anarana amin’ny hoe : toriteny tany an-tendrombohitra aza izany. Fahasambarana sivy no voalaza ary manipika indrindra ny momba ny fahantrana ara-panahy sy ny hetaheta fahamarinana izany. Ny an’i Lioka kosa dia teny an-dohasaha (ankamerenana) no nilazan’i Jesosy azy. Fahasambarana efatra no nolazainy ary nampiany loza efatra koa izany.

Ho antsika, mazàna, dia ny vitana, ny fahasalamana, ny vola, ny fahombiazana izany no miantoka ny fahasambarana. Amin’Andriamanitra kosa dia ho renesitsika araka ny tenin’i Jesosy fa safidy ny fahasambarana. Raha teha ho sambatra ianao na dia mahantra aza, noana, voavingavinga, dia mety ho sambatra. Hoy isika hoe nofinofy ihany izany. Andeha ho henotsika Jesosy : « Sambatra hianareo malahelo…hianareo noana ankehitriny…hianareo mitomany ankehitriny…hianareo raha halan’ny olona. » Izay notsindrian’i Lioka raha mitantara izy dia ny ara-nofo indrindra : mahantra ara-nofo, noana ara-nofo… ary raha nampiasa ny teny hoe ankehitriny izy dia tiany ho marihina fa hisy fitsimbadian’ny tantara.

Ataon’ny mahantra ara-nofo ahoana moa noho sambatra. Jesosy niteny hoe : »Azy ny fanajakan’Andriamanitra ». Teny fahita ao amin’ny Soratra Masina io. Hitatsika ao koa ny hoe : « Ho voaozona izay olona matoky olona, sy manao ny nofo ho sandriny…fa ho tahina izay olona matoky an’i Jehovah » Jeremia 17 :5,7. Ny harena sy ny vola dia mahatonga ny olona hatoky tena ary dia hihevitra fa tsy mila an’Andriamanitra intsony. Ny mahantra kosa satria tsy manana hianteherana dia voatery mitodika amin’Andriamanitra. Ny hareny no hanimba ny mpanakarena satria manala ny hetahetany an’Andriamanitra izany. Mihanina amin’ny zavatra mandalo izy. Izay no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe : « Lozanareo mpanakarena ! satria efa azonareo izay mahafapo anareo. » Ary tahaka izany koa ny hanoanana Andriamanitra ihany no afaka manony ny hanoanana fa loza ho an’i zay voky satria tsy ho voatsena mihitsy ny hanoanany ka mbola ho noana foana izy.

Fa ny mahantra sy ny noana rehetra ve izany dia ho sambatra daholo ? Ny andininy faha 22 no mamaly antsika. Voalaza mazava ao ny hoe noho ny Zanak’olona. Noho izany tsy ampy ny maha mahantra sy malahelo hahazoana fahasambarana. Indraindray ny fahoriana vao maika manamafy ny fo. Mba hahazoana ilay fahasambarana dia tsy maintsy ao Jesosy. Ny firaisana amin’i Jesosy no mitondra fahasambarana.

Fa ny mpanakarena sy mpanam-bola rehetra koa ve izany dia tsy hahita fahasambarana fa loza foana no miandry azy ? Tsia koa ny valiny. Jeosy no niteny hoe : « Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamoana hianareo » Lioka 16 : 13. Izay no nahatonga azy hiteny hoe : « Hamidio ny fanananao ka omeo ny malahelo ary avy hanaraka ahy ». Raha manompo ny vola sy ny harena isika dia loza no miandry antsika. Fa ny olona afaka kosa mampiasa ny harena sy ny olona amin’ny fanarahana ny Tompo dia ho sambatra.

Ny tokony ho tsaroana dia miovaova ny fiaina eto an-tany koa izay matoky an’Andriamanitra ihany no ho vonjena. Mbola hiantehetra foana amin’ny rendrerendran’izao fiainana izao ve isika ? Handeha hanaraka an’i Jesosy izay na dia nanakarena azy dia nanaiky ho mahantra noho ny amitsika.

Tompo ô nahantra Hianao tety ambonin’ny tany. Nefa Anao koa ny Voninahitr’Andriamanitra. Ampio aho tsy hijery ny zavatry ny tany fa hiandrandra ny tena fahasambarana.