Isaia 41 : 8 – 14

Mbola azo hinoana ve ity teny nataon’i Isaia ity efa taon-jato maro izay. Teny mamelona fanatenana.Maro no mihindrana izany rehefa misy zavatsarotra na misy loza. Tahaka izao ny teny :  « Efa nofidiko ka tsy mba hariako (and. 9),momba anao Aho…mitantana anao Aho… (and10), aza matahotra Izaho no hamonjy anao (and13) ary mbola miverina eo amin’ny and.14. Mahafinaritra tokoa ny mamaky na mahare izany. Nefa isan’andro ny olona dia mahatsapa fahasahirana ary misy ny tena ao anatin’ny famoizampo.

Ao ireo olona izay tratran’ny aretina izay tsy mety ho sitrana mihitsy na dia mino sy mivavaka isan’andro aza. Ao koa ny olona ripaka noho ny ady tsy misy fitsaharana amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao. Ary ny ady dia avy amin’ny antony maro. Mety ho avy amin’ny olona iray. Mety ho avy amin’ny firenena te handromba tany iray. Ary ny korontana ao amin’ny tany misy ady dia miteraka fahoriana satria ao ny fahafatesana. Miteraka fisarahan’ny mpiray firenena. Miteraka valifaty. Raha 45 tany misy ady ny ambony sisa 152 toa tsy mahavita mampitsahatra izany. Misy koa ny fandrimpahana amin’ny alalan’ny fangalarana sy fandrombana. Ary misy tokoa no maty noho ny amin’izany. Rehefa tsy mitsahatra izany mandritra ny taona maro dia misy dia misy amin’ny mponina no rera-tsaina. Ka lasa voan’ny aretin-tsaina aza. Ka lasa adala. Maro ny tsy manana fanantenana intsony ary manontany tena hoe : misy ve Andriamanitra ? Ela loatra ny famonjeny. Mila tsy hahandry izany intsony ny mpino.

Izay no mahasarotra ny teny mamy izay lazain’Isaia. Teny mamelona ny osa. Matetika mantsy ny mahamaika dia izao. Raha mivavaka aho dia tokony hamaly aho eo no eo Andriamanitra.Hany ka feno fanahiana ny olona fa tsy misy fiovana ny fiainana.

Nefa tsara jerena momba ny korontana eo amin’ny firenena iray.Tsy misy mahadiso ny tsy fitovian-kevitra. Fa ny anjaran’ny Fiangonana kosa dia mijoro tanteraka ho vavolombelon’izay inoany : Jesosy Kristy.Raha tsy mijoro amin’ny tokony ho izy ny fiangonana (ny kristiana) dia mihamalemy izany Fiangonana izany. Ary misy fihatraikany amin’ny firenena izany. Satria manafangaro ny Filazantsara amin’ny zavatra tsy eken’ny Filazantsara.

Inona moa izao no tena hatahoran’ny olona ? Tsy dia ny aretina akory aza. Fa ny tsy fanana vola. Ao no te hanangona tsy misy farany satria io no hatokisany hamonjy azy. Tsy ny fanana vola no ratsy fa ny fampiasana azy. Ka dia misy mitady mafy azy amin’ny fomba tsy izy intsony. Na hamonona olona aza izany.Ary ny kristiana izay tafiditra amin’izany dia tsy vavolombelon’ny fahafahana sy ny fanantenana an’Andriamanitra fa mamita-tena.

Inona koa no mbola hatahorana ? Ny fitomboan’ny faharatsiana. Mihiratra sa tsia ny andro iainana ?

Inona no mampanahy ? Ny ho very amin’izao tontolo izao raha tsy manao ny fanaon’ny hafa na dia hita fa tsy mety aza. Hany ka mangina eo anatrehan’ny fahaverezam-panana. Eny ny fahaverezam-panahy koa. Ary dia hakipy ny maso. Maro ny zavatra manapoizina ny fiainana ary tsy hahenoina sy tsy hitokisana intsony ny teny fanatenana. Na avy amin’Andriamanitra na avy amin’olona.Tamin’ny andron’Isaia izany no voalaza fa mbola mahery ankehitriny ho an’izay matoky an’Andriamanitra.

Ny tsirairay no antsoin’Andriamanitra hijoro amin’ny fahamarinana sy ho vavolombelony.

Maro ny teny ao amin’ny Soratra masina mamporisika ny mpino hiroso na dia ‘ manonja aza ny rano’. Tsy mora ny fanarahana an’i Jesosy Kristy fa mila famolahan-tena isan’andro.

Tadidio ity amin’ny andiny faha-10 ity «  Aza matahotra ianao fa momba anao Aho ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao ». Natao ho velona amin’izao fotoan’andro izao isika mba ho vavolombelon’ny fahafahana sy fanantenana, ka hitondra ny fiadanan’i Kristy ho an’izay mifanerasera amintsika. Hampahery anao ny Tompo Andriamanira amin’ny fotoana rehetra. Amena.