1. Sept – 2 Timoty 2 : 1-13

Nanoratra ho an’i Timoty i Paoly mba ho famangiana azy.Noraisiny toa ny zanaka moa izy. Mahafinaritra ny mamaky ny voalazany. Hoy izy «  tsy manam-pitsaharana ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahana andro aman-alina » (2 Tim1 : 3). Nomarihiny koa « ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatiny » (2 Tim 1:5).Mampahery mandrakariva an’i Timoty izy ary izao no voalaza « Ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’izay fahasoavana ao amin’i Kristy Jesosy. Izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky izay hahay hampianatra ny sasany kosa… » 2Tim2 : 1-2.

Raha ny lazain’i Paoly eto dia ny olona mahatoky ihany no afaka mampianatra sy mampita ny zava-tsoa. Izany hoe : mila fandinihina sy fieritreretana tsara izany vao mahavita izany.

3 Septambra   —   2 Timoty 2 : 14 – 26

Milaza ny maha-zavadehibe ny teny izay lazaina rehetra. Ary tokony hitandrina amin’ny fampiasana azy.

Ireto andininy 3 ireto no marihina .

And : 16 – Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany.

And : 19b – Aoka ny olona rehetra manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy. (Sarotra tanterahina. Ohatra : mandainga nefa mianihana amin’ny anaran’Andriamanitra )

And : 24 – Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra …. (mampanontany tena ny amin’ny ady tafiditra hatrany am-mpiangonana.)

4 septambra   — 2Timoty 4 : 1 – 22

Marihina fa somary tsy mitovy ny filaharan’ny andin-tsoratra masina ao@ity toko ity araka ny edisiona nanao azy

Ny hita ao amin’ny interneto dia :

And 14 -22 no miantomboka ny Vakiteny : I Aleksandra mpanefy varahina ….

Ao @edisiona FMBM 2010 dia manomboka eo amin’ny hoe « Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay hitsara ny velona sy ny maty … and : 1

Somary nifamadika kely izany ny fandaharana. Araka ny mpandika io fa tsy misy hoe diso akory.

Ny marihina androany dia ao amin’ny edisiona FMBM

And : 3 -4 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ; fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany ; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganogano.

5 septambra  — Mpitoriteny 1: 1 – 11

Davida mpanjaka aza niaiky fa:(and 1-2)

Zava-poana, eny zava-poana ny zavatra rehetra.

Inona moa no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany ety ambanin’ny masoandro »?

6 septambra – Mpitoriteny 1 : 12 – 2 : 1 – 12

Nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako ka indreo,zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany fa tsy nisy nahasoa tety ambanin’ny masoandro.

7 septambra – Mpitoriteny 2 : 12- 26       

And : 15- 16 Dia hoy aho hoe anakampo : «  Mitovy amin’ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy ; koa ahoana ary aho no nanana tombom-pahendrena ? Dia hoy aho anakampo : Izany koa dia zava-poana. Fa samy tsy mamela fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala… Fa samy ho faty na ny adala na ny hendry ! »

8 septambra – Mpitoriteny 3 : 1 – 22

And : 20 – Toerana iray ihany ny alehan’ny olona sy ny biby.

Avy tamin’ny vovoka izy rehetra ary samy hiverina ho amin’ny vovoka ihany indray.

15 septambra — Mpitoriteny 9: 11 – 18

Tsy misy mahalala ny ampitso.

20 septambra Titosy 2 : 1-15

Hafatra ho an’i Titosy avy amin’i Paoly

Ny fitiavana no miteraka ny fanajana ny hafa. Ny fitiavana ihany koa no mampiala amin’ny ratsy.

And 15 : Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.