gaashMisy milaza fa io « ga’ash »izay teny hebreo no hilazana ny « gasy »ao amin’ny Baiboly.

Amin’ny dikan-teny : Baiboly malagasy dia ireto no voasoratra » :
Gaasy (dikan-teny avy amin’ny La Société biblique Malgache 2011- Nouvelle Révision)
Gahàsa (dikan-teny avy amin’ny Sociéte biblique Malgache 2014-Ny Baiboly DIEM)
Gaash amin’ny teny hebreo-
Gaasy na gahàsa amin’ny teny malagasy-
Gashe amin’ny teny frantsay-
Gaash amin’ny teny anglisy.

Enti-milaza toerana ny « gaasy ». Hita ao amin’ny :
2 Samoela 23 :30
I Hiday amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy [@teny anglisy : from the valley near Gaash]
1 Tantara 11 :32
I Horay avy amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy
Josoa 24 :30
Dia nalevina tao amin’ny faritanin’ny lovany izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy.

Misy dikany roa ny gaasy:
– Ny voalohany dia milaza : horohoron-tany
– Ny faharoa dia milaza : toerana na faritra (teo amin’ny tendrombohitrin’ny fokon’i Efraima)

Gaash : Matoateny miaraka amin’ny dikany vitsivitsy.
Gaash ihany no fototeny na « nom » na « matoateny » . Saingy ny matoateny dia  manome teny hafa araka ny fotoana nanoratana azy sy ny zava-mitranga indrindra indrindra.

Izao no dikany :

 Trembler- secouer-être ému-

Salamo 18 : 7 (Ao amin’ny Baiboly malagasy) Dia nihozongonzona sy nihorohoro ny tany ary nihorohoro ny fanambanin’ny tendrombohitra, eny nihozongonzona ireo satria tezitra ny Tompo.

Psaumes 18 : 8 La terre fut ébranlée et trembla, les fondations des montagnes furent agitées ; elles s’ébranlèrent parce qu’il s’était fâché.

Etre agité-convulsé

Jeremia 46 :7  Iza moa izato mizotra tahaka an’i Neily sady misamboaravara toy ny renirano ny onjany.

Jérémie 46 : 7 Qui est celui qui monte sur le Nil, et dont les eaux débordent comme les fleuves ?(nadika hoe « déborder » « ny être agité sy convulsé »)

Chanceler ici et là

Jeremia 25 : 16 Ary hisotro izy ka hirempirempy (na hivembena)…

Jérémie 25 : 16 Qu’elles boivent, chancellent (titubent)…

Ireo ohatra ireo dia manana ny fototeny iraisana ga’ash. Hita ao anatin’izany ny zavatra mety ho tsapa rehefa misy horohoron-tany.

Ireo ohatra ireo ihany no nomeko fa mbola misy hafa izay tsy ho voasoratra eto daholo. Tsy natao ho fanakihanana an’iza n’iza raha misy mahita dikany hafa.Fa tsara ny mifampizara izay fantatra. Vakio ny toko rehetra.

Vous aimerez aussi :