Marka 11 : 12-21

Hita eo izany Jesosy noana. Ka mba te hihoty voan’aviavy saingy diso fanantenana fa tsy nisy voany na iray aza. Ny fotoana nisehoan’ny tantara dia tamin’ny fiakarana ho any Jerosalema. Ary vahoaka marobe no mizotra sy mivezivezy. Anelanelany Betania sy Jerosalema izay tsy dia mifanalavitra loatra.

Adinon’i Jesosy angaha fa fotoana tsy famokaran’ny aviavy izao. Ary tsy tokony nanozona ilay hazo Izy rehefa tsy nahita voa. Be fihetsehana koa ve Jesosy ? Tsy tokony ho hadino fa tao amin’ny tempoly koa no nanaovana fanatitra ho an’ny andriamanitry ny sampy. Tao amin’io tempoly io koa no nisian’ny vonoan’ny olona marobe ary tsy nisy namonjy. (63taona tal.JK)

Eto amin’ny fanoharana dia toy ny Tempoly ilay aviavy. Noho ny toe-javatra mampalahelo dia simba ny Tempoly ary maina tahaka ny aviavy. Tsy nahavita ny asany intsony ny Tempoly nefa Jesosy tonga ary noana. Feno rendrarendra loatra tao. Tsy nahatanteraka ny asany intsony ny Tempoly. Nanjaka izao tsy fahamarinana rehetra izao. .

Noho izany : — Ity Jesosy ity ve no Mesia tonga hanafaka ka hamerina ny fanjakan’i Davida fa maika ny vahoaka amin’izany. –Ny Tempoly dia natao hamolavolana ny fanatonan’ny olona an’Andriamanitra. –Tokony hisy ny voa na ao amin’ny Tempoly na tsia.

Amin’izao fotoana dia hita fa ny zavatra tadiavin’ny olona dia ny filazana ny fisian’ny Tempoly ka io no iankinany hanamarinany ny tenany.Maro no mihevitra fa izay miditra am-tempoly ihany no marina. Fa ny hafa kosa dia diso lalandava na tsy mendrika. Ary mihevitra fa na dia manana toetra ratsy aza dia tsy dia maninona. Ary atao toerana fierena sy fiarovan-tena ny tempoly.

Jesosy dia mandray ilay aviavy ho sarin’ny tempoly. Ny tiany hazavaina amin’ny alalan’ny fanoharana dia ny fiheveran’ny olona fa azy Andriamanitra ka azony atao amin’izay itiavany azy. Kanefa ny Tempoly dia natao hihaonan’ny rehetra amin’Andriamanitra mba hisin’ny fihavanana.

Ny fihetsik ‘i Jesosy (nandroaka ny mpivarotra and. 15) dia tena nahery sy ny fampianarany (ny tranoko dia trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra fa ianareo manao azy ho toy ny zohy fieren’ny jiolahy and. 17). Tsy neken’ny olona tamin’izany fotoana izany. Ny mpisorona sy ny mpanoradalàna dia nitady hamono Azy (and. 18).

Amin’izao fotoana hiainantsika izao dia mbola misy tokoa ny maro no mihevitra fa azo hafatotra Andriamanitra. Ary ny tiany atao no lazainy fa izay no voalazan’Andriamanitra. Hany ka tsy mifandray amin’Andriamanitra intsony ny olona fa fihatsrahambelatsihy sisa. Ary ny samy kristiana aza tsy afaka mihavana satria samy manao ny tenany ho marina sy manana ny marina. Ny hafa ihany no diso sy tokony hiaiky heloka eo anatrehan’Andriamanitra. Misy ny milaza azy ho kristiana fa toa tsy manana fahafahana fa izy ihany no managadra ny tenany amin’ny fitiavan-tena. Tsy fantara akory izay hivavahany. Satria ilay Andriamanitra Mpamonjy azy aza nahiliny. Heverina fa eo ihany nefa tsy tazany intsony.Tsy misy fifaliana sy fiadanam-po raha tsy manda ny fireherehana sy fanambonina tena sy fahamanrinan-tena.

Izay no nahatonga an’i Jesosy hilaza ity aviavy tsy namokatra ka notohizan’ny mpanoratra ny amin’izay nitranga tao amin’ny Tempoly. Maina ary tsy mamokatra ny Tempoly. Tsy mitondra vokatra intsony. Tamin’ny fotoana naha noana an’i Jesosy dia tsy fotoana nahazona vokatra. Tsy afaka nanomena sy fizarana sakafo ny Tempoly ! Tsy afaka namahana ny vahoaka. Tsy hita ao amin’ny Tempoly ny fahamarinan’Andriamanitra. Nefa noana ny vahoaka !

Mafimafy ihany ny fanoharana nataon’i Jesosy. Ka manontany antsika ny Tenin’Andriamanitra. Nankaiza ny voa ? Efa lanin’ny teo aloha ? Tsy laniny fa tsy azokazony sa taty aoriana vao tiany ? Ahoana no ataon’ny kristiana izay tempolin’Andriamanitra ankehitriny mba hanome voa ho an’izay mpandalo ka noana ? Ho an’ireo izay mitoetra maharitra ? Ho an’ny rehetra. Ho an’izay mpiady lava ka noana sy mangetaheta ny Tenin’Andriamanitra nefa ritra ny ao amin’ny Tempoly ! Hany ka tsy misy ny fiovam-po. Na nisy voa ihany tao fa voatahiry tao anatin’ny hafanana ka tsy navoaka ary loa ny niafarany ?

Kanefa ho an’ny firenena rehetra izany voa izany dia ny Tenin’Andriamanitra. Tsy manavaka an’iza n’iza. Ny kristiana mifidy tavan’olona dia tsy manana voa omena.

Amin’ny maha kristiana dia samia mieritreritra raha manana voa tsara omena ny rehetra isika na tsia ? Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy mandinin-tena aloha hoe : inona no tsy hisin’ny voa ato amiko intsony .Raha tsy izany dia manaonao foana ny kristiana. Raha tsy mamokatra ny Tenin’Andriamanitra araka ny toky ho izy isika dia toy ny manapoizina. Ary mitondra ho amin’ny fisarahana ka mbola lavitra ny fihavanana. Ny fihavanana amin’ny olona manodidina antsika rehetra ary indrindra ny fihavanana amin’Andriamanitra. Amena.