29 martsa .

Marka 11 : 1 – 11 —Hosana, Hosana, Niakatra ho ao Jerosalema Jesosy ary nihato tao amin’ny tempoly. —

Isan-taona dia mankalaza ny alahady ny Sampandrofia ny Fiangonana eran-tany. Enga anie tsy fahazarana fotsiny izany. Samy manana ny fanatanterahany izany ny Fiangonana. Tsaroana ny niakaran’i Jesosy ho ao Jerosalema nitaingina zanaboriky .Tao ny antsoantson’ny vahoaka hoe « Hosana, Hosana ».

Marihina fa ny and :11 dia milaza fa niditra tao amin’ny tempoly Jesosy. Vizana ve Izy ka niala sasatra ? Nisaina ny hamalina ny hetahetan’ny vahoaka izay miandry Mesia hanafaka azy ireo ny olana samy hafa eo amin’ny fiainany ? Nivavaka ve Izy satria ny andro ho avy dia tazany fahasarotany.

Rehefa voajeriny daholo ny tao amin’ny tempoly dia hitany fa efa hariva ny andro. Naharitra tao ve izany Jesosy ?

Ndeha atao hoe nivavaka Izy. Nivavaka ny amin’ny fanekeny sy fankatoavany ny asa nanirahan’Andriamanitra Azy. Tsy afaka mihemotra intsony mantsy Jesosy fa tsy maintsy mandroso ary miomana.

Amin’ny alahadin’ny Sampandrofia dia matetika hadino io fotoana nihaton’i Jesosy tao amin’ny tempoly .

Fahatsiarovana ny fankalazana ny sampandrofia ?Ilaina izany. Indray mandeha teo amin’ny fiainany ihany no niainan’i Jesosy izany fa tsy isan-taona akory. Fa ny antsika dia fahatsiarovana izany isan-taona. No mihevitra hoe : Inona no entin’izany fankalazana izany eo amin’ny fiainako ?

Raha Jesosy Kristy aza nihato tao amin’ny tempoly moa ve tsy mampieritreritra izany . Mampianatra antsika hiato ny Tompo ary handinika ny amin’ny andro ho avy izay hita taratra fa miha- maizina. Satria sembanin’ny tsy fifankatiavan’ny mpianakavy na ny manapahefana sy maro hafa. Misy mantsy ny ady madinika miteraka fandatsahan-dra sy fahafatesana sy tsy fifanarahan-tsaina .

Ry mpanaraka an’i Kristy ô, maka fotoana hiheverana ny ialana amin’izany mba ho tanteraka ny famonjena tsy ara-panahy ihany fa ara-nofo koa.

30 martsa :

Marka 11 : 12 – 33

And : 25- Ary raha mitsangana mivavaka ianareo ka misy olona anananareo alahelo dia mamelà ny helony mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo. Fa raha tsy mamela heloka ianareo dia tsy hamela ny helokareo kosa ny Rainareo izay any an-danitra.

Sarotra ny hangatahin’ny Tenin’Andriamanitra ho an’izay manaraka an’i Kristy : Mamela heloka ny hafa.

Inona no nahatonga ny hoe « hamela heloka ». Inona ilay heloka ? ao amin’ny Soratra Masina sy amin’ny lalana amin’ny fanjakana ? Samihafa sa mitovy ?

Ady hevitra lehibe izany ity hoe « mamela heloka ». Ahoana no hanatanterahana izany ? Atao an-tery sa an-tsitrapo ?

Misy ny mamela heloka eo no eo, misy ela ela . Misy koa ny tsy mahavita izany mihitsy. Inona no nahatonga hangataka famelan-keloka ? Inona koa ny tsy hanekena ny fangatahan’ny hafa famelan-keloka ? Ahoana ny fanazavana na fampianarana izany ?

31 marsa

Marka 12 : 1 – 44

And 28 Tiava ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manotolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao rehetra(Deot 6 , 4-5)Ary ny faharoa dia izao : Tiava ny namanao tahaka ny tenanao(Lev19,18)

1 aprily

Marka 13 : 1 – 37

Ny andininy faha-3 ka hatramin’ny faha-23 dia ny resadresaka nataon’i Jesosy sy ireo mpianany mikasika ny amin’ny hoe farandro. Mahalina ny olona izy io. Samy mikaroka daholo hoe : ahoana no isehoan’izany ary rahoviana ? Indrindra moa rehefa mahita ny korontana sy fisavorovoroantsaina misy eto amin’izao tontolo izao dia mafana fo ny kristiana maro maninzinginzina fa efa ho avy ny farany. Ary hararaotin’ny sasany aza hanambakana ny olona tarihiny.

Raha taorian’i nahafatesan’i Jesosy no nanoratana an’io, nahoana hatramin’izao no mbola tsy tonga ihany ny farandro. Ny adino mantsy dia efa nisy foana ny korontana sy ny ady amin’ny rahalahy samy rahalahy ka manolotra azy ho amin’ny fahafatesana, tahaka izany koa ny samy mpiray firenena, ny fanoloran’ny ray ny zanany ho amin’ny fahafatesana, ary  ny fanoheran’ny zanaka ny ray sy reniny ka hahafaty azy. Nisy koa ny fanonganam-panjakana tamin’ny firenena maro.Nisy izany fa saingy tsy toa izao ny filazam-baovao dia heverina fa tsy dia nisy loatra. Fa rehefa dinihina sy karohana ny tantara dia ho gaga isika ny amin’ny tsy fifankahazon’ny olombelona na dia ny mpihavana akaiky aza.

Ka io tenin’ny Tompo Jesosy io dia milaza fampitandremana mba tsy hanao toa izany ny firenena iray. Ary koa ny taranaka mifamndimby.Manana andraikitra ny kristiana hiasa ho amin’ny fandriampahalemana. Fa tsy taitaitra amin’ny : nahita fahitana aho ka izao no misy fa voasoratra ao amin’ny Baiboly. Misy ny voasoratra ao amin’ny Baiboly fa tantara nitranga tamin’ny firenena tamin’izany fotoana izany. Ary ny soratra voatahiry no mampianatra antsika hitandrina tsy hiverenan’izany korontana sy tsy fifanarahana izany ka miteraka fahafatesana.

Mahafinaritra ny mivavaka sy mamaky ny Soratra masina fa ilaina koa ny mampihatra izany. Raha izany no vita dia ho paradisa Madagasikara.

2 aprily

Jesosy sy Jodasy

Ao amin’ny bokin’i Marka 14:10 – 11:  Jodasy nanatona ny lehiben’ny mpisorona fa hanolotra an’i Jesosy. Faly ery ny lehiben’ny mpisorona noho izany hevitra izany. Zarany aza tsy avy aminy no nipoiran’izany.

Ao amin’ny bokin’i Matio 26:14- 16: Jodasy nanatona ny mpisorona ary niady varotra ny fanolorana an’i Jesosy.

Ao amin’ny bokin’i Lioka 22: 3-6 : Nidiran’i Satana i Jodasy hoy ny voalaza. Nanatona ny mpisorona sy ny mpiambina izy ka nandinika ny hanolorana an’i Jesosy. Tena faly izy ireo ary nampanatena vola an’i Jodasy.

Somary samihafa ny fomba hilazan’ireo filazantsara 3 ny amin’ny fanirin’i Jodasy hanolotra an’i Jesosy

 3 aprily ( zoma masina)

Marka 15: 1 – 41

Mahagaga fa tsy mba niaro tena Jesosy tamin’ny fanamelohana azy. Ny vahoaka nangataka ny hanamelohana azy teo amin’ny hazo fijaliana. Natahotra ny manampahefana fa hanongam-panjakana Jesosy ka niditra an-tsehatra ny miaramila. Nanomboka ny zava-doza nihatra taminy : nampisatrohana satrotsilo. Nohesona tamin’ ny hoe « arahaba ry mpanjakan’ny jiosy ». Nokapohina ny lohany, nisy ny nandatsa ary niankohoka sy nandohalika teo anatrehany.

Rehefa voahombo teo amin’ny hajofijaliana dia niteny ratsy Azy ny sasany. Niantso mafy Jesosy.  Kivy ve? sa mbola manana fanantenana fa ho afaka amin’izao zavatra manjo Azy izao.   » Andriamanitro ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? Io no vavaka  an-kira avy ao amin’ny Salama 22: 2 teo amin’ny ora farany alohan’ny hafatesany.

Rehefa ho faty Jesosy dia olona vitsy sisa niaraka taminy hatramin’ny farany.

Teo koa no naneho ny finoany ilay Kapiteny manao hoe « Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io lehilahy io ».

Maria Magdalena sy Maria reniny dia nijjery izay toerana handevanana Azy.

Ity dia tantaran’i Jesosy amin’izao herinandro masina izao dia mampahatsiaro ireo olona tratran’ny fampijaliana mafy. Indrindra moa raha tsy nanao inona akory ilay olona.

Tamin’ny 1972 mbola nipetraka tany ambanivohitra izahay. Nisy rangahy tokony hanamboatra arabe. Tara dia tara izy vao tonga. Niala tsiny izy. Ary rehefa niasa efa ho adiny iray dia hoy izy hoe :fantatrao moa madama ny nahatara ahy. An, an hoy aho. Tsy izany fa teo amin’ny tsena teo akaikinay dia nisy rangahy nodarofan’ny olona tontohondry tao anaty bus. Oadray, hoy aho. Ary dia mba nanisy koa aho hoy ilay rangahy. Fa naninona anao izy hoy aho. Tsy izany fa nanao daholo ny teo dia mba nasiako koa. Tena narary aloha no nataoko hoy izy nefa olona tsy fantaro akory. Zendana aho nahare izany.Nasaiko najanony aloha ny asany. Ary dia nasaiko notantarainy mazava izao fihetsika izao. Tsy nisy ny antony mazava. Nanontan’io rangahy io ny hevitro. Nolazaiko taminy fa tsy nety ny nataony no sady mampalahelo satria tsy fantatra izay marina. Somary nitsiky izy. Tsy fantatro izay tao an-tsainy. Nampiny hoe: indray mandeha ihany aho no nanisy totohondry.Eny mafy tokoa faran’izay aiko.Nefa dia mety nahafaty azy koa raha izay no nitranga hoy aho. Tsy maty aloha hoy ilay rangahy.

Tsy dia hitako loatra izay navaly azy ihany afa tsy izao hoe : nefa rahampitso ianao dia andeha hiangona, dia handray ny fanasan’ny Tompo! Dia izao no navaliny ahy hoe: samy nanao daholo fa tsy nisy nahalala ahy tao. Dia hoy aho hoe :tsy nisy nahalala anao fa Andriamanitra nahita iny totohondro nalefanao iny. Napetrany ny angady. Nojereny ny tanany ary navokony.

Tonga niverina  isan’andro nandritra ny iray volana ihany izy. Fa tsy niresaka, afa tsy ny fifampiarahabana. Nipetrapetraka teo amin’ny arabe  fotsiny no nataony fa tsy dia  niasa izy. Ary dia mijery matetika ny tanany. Nahoana? Enjehin’ny eritreritra?

Farany moa dia izao no nolazainy rehefa tapitra ny iray volana: marina ihany izany ilay hoe « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao tampon’ny loha. »

Taty aoriana dia nanenina mafy tokoa izy. Niezaka nitady ilay nasiany totohondry fa tsy nahita azy mihitsy.

Tantara efa ela ,41 taona lasa izay. Indrisy!Ny an’i Jesosy efa 2000 taona mahery.

Ny Fanahy Masina anie hanazava ny sain’ny tsirairay ary samy hahay hampiasa ny heriny ho amin’ny fitiavana fa tsy fampahoriana ka mety hitondra fahafatesana.