Toriteny tamin’ny alahady 15 febroary 2015

Marka 1: 40 – 45

Mamelom-panantenana ny famakiana tantara toy izao. Sahy nanatona an’i Jesosy ity boka voalaza eto ity. Niteraka fahagagana ny fihaonany. Nandohalika teo anatrehan’ny Tompo ilay boka ary nangataka mba ho diovina. Hoy izy « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy ».Tsy misy fanerena fa izay safidin’i Jesosy dia ekeny. Ilay boka tsy nanao hoe « sitrano aho fa diovy aho »

Heverina fa nahare ny asa nataon’ny Tompo teo aloha ilay boka dia ny fahasitranan’ilay lehilahy nidiran’ny fanahy maloto sy ny fialan’ny tazo nanjo ny rafozam-bavin’i Petera. Natoky izy. Nahoana moa no tsy hamaly azy ny Tompo. Raha ny tokony ho izy dia nandeha nitsaoka izy satria tsy eken’ny olona ny fisin’ny boka eo an-tanana. Asaina mana-lavitra ny fiaraha-monina ny boka satria hatahorana izy sy ny aretiny.

Tamin’ny adi-hevitra iray natrehiko dia misy milaza fa sarotra io tenin’ilay boka io ,indrindra ny hoe : « Raha mety (sitrakao) … »Ary manahirana koa hoy ny sasany. Nefa fomba fiteny fandre matetika amin’ny andavan’andro. Rehefa mifanao veloma ka manome fotoana ny hihaona ny ampitso dia maro ny miteny hoe : « Raha sitrapon’Andriamanitra ». Saingy miha hadino izany. Tsy misy mahalala ny ampitso. Milaza izany fa tsy tompon’ny fiainany ny zanak’olombelona. Na manakarena na mahantra na bodo na manapahaizana, na olon-tsotra na manam-pahefana. Tsy misy afaka mibaiko an’Andriamanitra.Fa ny azo atao dia toy ity boka mametraka ny fiainana amin’Andriamanitra. Izay no sitrak’Andriamanitra. Izy irery no tsy mivadika sy tia ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

Fantatr’ilay boka tsara izany. Niteny am-pahatsorana tamin’i Jesosy izy hoe « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy ». Tsy nisy olakolaka ny fangatahany. Tsy nanery velively ny Tompo koa izy. Anjaran’i Jesosy Tompo no mamaly na tsia.

Misy mantsy rehefa misy olona mangataka zavatra dia toa mahatsiaro mangirifiry na ny hiteny aza satria ilay olona hangatahina toa hitrerona. Indrindra moa raha andohalika eo aminy dia izay no andrasany hanitsahana. Te hampiseho fa eo am-pelatanany ny fiainan’ilay mpangataka. Ka araraotiny hampijalina aza vao omeny valiny raha hanome izy.

Nanohana ny Tompo ny tenin’ilay boka. Nahinjiny ny tanana ary nanendry azy Izy. Tsy nisy elanelana intsony tamin’izy ireo. Tena nifanakaiky. Hoy Jesosy namaly azy hoe : « Mety Aho, madiova ianao ». Teny tsotra feno fitiavana. Tsy nanao vavaka lava reny akory. Valiteny eo no eo. Azo lazaina fa tsy niteny tamin’ny tenan’ilay olona ihany Jesosy fa tamin’ny fanahiny koa. Raha misy olona mikasika ny tena na tsy fanahinina aza dia manaitra ny fanahy koa izany. Tsapan’ilay boka lasa nadio ny fitiavan’i Jesosy azy sy ny fandraisany azy. Velona ilay lehilahy.

Tantara mahafinaritra. Nefa tantara mampitandrina antsika koa tsy hanaonao foana. Ny fahadiovan’ity lehilahy ity dia haingana dia haingana. Tsy mbola nisy nahavita izany hatramin’izao afa tsy Jesosy Tompo. Misy olona izay maika hametra-tanana ny marary dia izay no heveriny ho fanasitranana haingana. Nefa misy aretina izay tsy sitrana mihitsy.Indraindray aza dia disoana ny marary fa hoe tsy manatona ny Tompo ka tsy mahazo fanasitranana.

Ny mpitsabo sy ny siantifika dia nahavita zava-dehibe teo amin’ny lafiny ara-pahasalamana ary efa nihemotra ny aretina amin’ny fahabokana. Fitaovana entin’Andriamanitra hitondrana fanalana fanaintainana sy fitondrana fitsabona izay nahasoa olona maro tokoa izany. Tsy misy mahadiso ny manatona ny dokotera sady mivavaka koa.

Eto amin’ny firenena dia mitombo ny aretin-koditra izay nateraky ny loto sy ny fahantrana. Ho hametrahan-tanana daholo ve izy ireo sa inona no atao ? Rehefa mahita ireny olona eny amin’ny zaoridira ireny, dia mampalahelo fa monina eo aza ny sasany. Vorikitsay no tafina. Tsy mibango intsony an-taonany aza. Ary dia very fanahy no fijery aza. Tsy milaza aho fa voan’ny aretina daholo izy ireny fa ny any aoriana no hilaza amintsika ny ho aviny ara-pahasalamana. Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hisy intsony izany.

Fa ny tiako asongadina eto amin’ity tantara voalazan’ ny filazantsaran’i Marka ity dia ny ny aretina tsy misy hafa nahazo io lehilahy io .Ny fiainana ara-panahy voarakotry ny habokana. Habokana izay nofidina. Ka samy mety ho tratran’izany avokoa. Habokan’ny kolikoly. Firy no mandohalika eo anatrehan’Andriamanitra hanadiovana azy noho izany. Ny fahalotona tsy izay miditra amin’ny tena fa izay mivoka amin’ny vava. Aretina mahatsiravina ary mikiky toy ny homamiadana. Mampitondra fery sy fofona tsy zaka. Hany ka miafara toy ny fanaovana tsinontsinona ny fivavahana ka atao toy ny kilalao hanafenana ny aretina mampitondra faisana. Sarotraromana amin’ny fivavahana ny asa ratsy. Lasa aretina miraikitra amin’ny hoditra. Na dia fantatra aza fa tsy mety dia atao ihany hany ka lasa miraikitra amin’ny tena.

Lasa ny andro fa dia mamerina ihany .Tsy misy mahamenatra. Raha tsy menatra an’Andriamanitra moa inona no hahamenatra azy ny olona toa azy. Na dia fantany aza fa tsy mety ny ataony dia tohizany satria vonona ny tsy hiaiky ny hadisoany izy.

Firy ny lehilahy na vehivavy ka nandohalika teo anatrehan’ny Tompo mangataka fanadiovana hialany amin’ny asan’ny maizina izay manimba azy sy izay mifanerasera aminy.

Olona iray no tratran’ny aretin’ny fahabokana tao amin’ny filazantsaran’i Marka. Izany akory tsy milaza fa io ihany no voa mafy. Fa mety ho tratra ny maro satria toy ny arety mifindra ny kolikoly.

Tsy misy marina na iray aza. Raha tsy io ny aretina dia mety ho hafa koa. Manatona ny Tompo ho afaka amin’izany fa toy ny fanandevozana ny vokatr’izany.

Jesosy Kristy Tompo ihany no marina ary tsy miova amin’ny fitiavany ny olona. Manaiky ny hanadio izy raha manatona azy ampahatsoranany olona n’iza n’iza. Ny faneken’ny Tompo hanadio ny olona dia filazana ny famelan-keloka atolony. Famelana dieny izao fa tsy hoe miandry rahampitso na afaka iray taona. Satria ny fitiavan’Andriamanitra tsy zarazaraina fa omeny tanteraka. Tsy fitiavana ampahany fa feno.Io fitiavan’Andriamanitra io no manadio.