Marka 1: 21-28

Inona no zava-miafina tao amin’i Jesosy ka nahatonga azy nanavotra ity lehilahy ity ? Jesosy moa mbola tanora tokoa dia efa nampianatra. Tao amin’ny toeram-pivavahana sy toeram-pianarana dia ny synagoga izany. Izany hoe olona nanam-pahaizana Izy . Satria afaka namaky teny sy nanoratra matoa nahay namaky ny Soratra Masina. Nianatra sy nanaraka fiofanana na nampiana-tena Izy. Nilainy izany ary tsy mora ny fanatanterahany izany na dia heverina fa Zanak’Andriamanitra aza izy.

Nankasitraka ny fampianarany ny olona na dia tsy nivaky tanteraka an’izany aza. Raha tsy izany dia tsy ho afaka nampianatra Izy no mety ho voarara tsy hiditra ao amin’ny synagoga intsony.

Ny mpanora-dalana dia olona nanam-pahaizana ihany koa satria arakaraky ny handikany ny boky no hahazony mandalina koa ny teny soratany.

Tamin’io andro io dia voalazan’ny filazantsaran’i Marka fa nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto. Matetika dia olona marary saina na olona voan’ny demonia no hiheverantsika ny olona toa izao. Nefa ny faharatsiana eto dia tsy avy amin’ny zavatra miditra amin’ny tena . Fa avy amin’izay mivoaka ny tena. Dia izay havoakan’ny vava.

Moa ve izany no nahatonga ilay lehilahy hikika ? Niteny izy hoe «  Moa mifaninona moa izahay sy Ianao. Ianao no Masin’Andriamanitra ».

Nanomboka niresaka tamin’i Jesosy ilay lehilahy voan’ny fanahy maloto. Nahery koa ny teniny. Raha ny fijery azy dia tena nijaly izy. Ary tsy zakany ny fahitana an’i Jesosy. Tena tao anatin’ny fahoriana izy. Mety natahotra an’i Jesosy izy ka tsy maintsy mitady teny hiarovana ny tenany. Hany ka ny voalazany dia heverina ho tsy mety. Toa fitenenana mitsapatsapa no ataony. Toa milaza fa misy fifandraisana izy sy Jesosy. Fantany ny fihaviny. Fantany koa ny herin’ny fahefany. Natahotra ny ho haringana ireo fanahy maloto ao aminy. Tsy ny fandringanana akory no izy fa ny fanaisorana azy ao amin’ilay olona. Ny mahagaga dia manambara ny finoany an’i Jesosy ho Masin’Andriamanitra izy.

Azo lazaina fa ao anatin’ny krizy ity olona ity. Dia ny amin’ny « finoana sy tsy finoana » noho ny fiainany. Tsy voalaza eto mantsy na ny fianakaviany, na ny asany, na ny fiainany amin’ny andavan’andro. Na ny anarany aza tsy fantatra.Mahay ny mpanoratra satria mety ho izaho na ianao io lehilahy io.

Azo hadika toa izao koa ny voalazany hoe :« Mifankahalala izahay sy Ianao. ? Mipetraha tsara fa tsy mahavita n’inona n’inona aminay ianao. Aza kasiana izahay. Ianao anie ka manana ny fahefan’Andriamanitra satria    Zanany. Moa ve tonga hamonjy ahy Ianao ? Na hanavotra ahy ? » Ao ambadiky ny teny hoe : fandriganana dia misy fitadiavana famonjena sy fanavotana avy amin’ity lehilahy ity na dia tsy mivantana amin’izany aza izy.Ary takatry Jesosy izany hetahetany izany.

Tsy nisalasala ny nampangina azy Jesosy. Mba tsy hikikiazany intsony. Ka hanafaka azy amin’ny fijaliany. Tonga izany fotoana izany. Izao ankehitriny izao. Ilaina ny fahanginana mba hahazona mihaino sy miasa. Tsy ho hadinontsika fa ao Kapernaomy no miseho ny tantara. Ny dikan’izany tanana izany dia milaza fa betsaka ny tabataba ary tsy hifandrenesana aza tao.

Amin’ny Fiangonantsika malagasy dia misy ny fotoana izay atao hoe « famoahana demonia ». Ka ity tantara ity dia manome toro hevitra lehibe. Niofana sy nampianatra tao amin’ny synagoga ny Tompo vao nanao izany asa izany. Naharitra izany fotoana izany. Nandalina. Nandinika.

Rehefa namoaka ny fanahy maloto Izy dia nasainy nangina ilay lehilahy. Ary nivoaka ireo fanahy maloto ka nifanintotsintona ilay lehilahy ary niantso tamin’ny feo mahery.Tsy voalaza eto amin’ny filazantsara ny teny lazainy rehefa niantso izy. Mety zavatra roa no nitranga :

-nilaza izay nanjo azy izy dia izay nahatonga ny fanahy maloto tao aminy

na

-niantso vonjy izy satria mafy loatra ny nanjo azy. [Ity faharoa ity dia azo adika amin’ny teny frantsay hoe : cracher sa douleur.] Maro amintsika no efa nahita izany fa tsy zava-baovao. Maivana ilay nitondra enta-mavesatra tao anatin’ny tenany rehefa namoaka izany. Na dia tsy mora aza ny nilaza izany satria ren’ny rehetra. Tsarovy fa tao Kapernaomy rizareo.

Inona moa ireto fanahy maloto nivoaka ireto. Maro izy ireo fa tsy iray akory (izahay no voalaza). Tsy inona fa ny zavatra mitranga eo amin’ny fianana amin’ny lafiny rehetra ka miteraka : fahatezerana, fialonana, fahafetsena, fandaingana, famitahana,fankahalana, fitsiriritana … izany rehetra izany dia miteraka zava-doza eo amin’ny fiainana. Tsy zaka izany na manafina izany ohatrin’inona aza. Ary tsy mandry ny eritreritra fa manenjika. Mampijaly ary mampitondra fahoriana. Tsy mora ny hahamoahana izany. Anisan’ny fanafahana izany dia ny fiverenana amin’Andriamanitra. Ny finoana an’i Jesosy Kristy fa Izy no nirahin’Andriamanitra hitondra famonjena ho an’olona tsirairay. Marihina fa ny fiaikeken-keloka eo amin’Andriamanitra tsy manakana ny sazy raha sendra ka nangalatra na namono olona.

Izay ilay hoe : sarotra ny finoana dia ny fanarahina an’i Jesosy Kristy izany.

Natahotra koa izay nanatry maso teo. Teny tsotra mantsy no nampanginan’i Jesosy ilay lehilahy. Ary nanaiky izany ny fanahy maloto tao anatiny araka ny voalaza.

Jesosy koa tsy nanaiky ny hanjakan’ny fanahy maloto ato amin’ity lehlahy ity.Tsy nanao majia araka ny hevitry ny sasany izy akory. Fa zavatra tokony ataony ary mandeha ho azy. Raha nangataka tamin’ny mpanora-dalana teo izy hanao izao asa izao dia mety tsy nahazo alalana. Satria ny manapahefana eo amin’ny synagoga ihany no voatendry hanao izany. Izay no nahatalanjona ny olona nanatrika teo. Olona nahita ny fiasan’ny mpitondra fivavahana isan’andro sy mpanoratra ny boky masina nefa tsy mbola nahatanteraka zava-dehibe toa izao.

Zavatra fahita matetika eo amin’ny fiainana andavan’andro ny zava-miseho amin’ity lehilahy ity. Tsy azo lazaina hoe adala izy na very saina raha voalaza fa nanana fanahy maloto. Fa kosa nisy toezavatra izay tsy zakan’ny saina ka nampijaly azy isan’andro. Maro koa ny olona voa toa izany. Ka ao ny miteniteny foana na mirediredy. Izay zavatra tsy fidiny azy. Mety miafara amin’ny teny mahery tsy am-poizina ho fiteny aza. Rahefa tena mafy ny fahoriana ara-batana na ara-tsaina dia misy ny tsy mahazaka izany. Ary tsy afaka mitolona hanasitranana izany fa mahatsiaro resy. Ary dia miandry. Na ny havana sy ny namana akaiky azy dia manary ireny olona ireny.

Fa tamin’i Jesosy dia nanatona ireny olona ireny izy tahaka ity lehilahy voalaza eto ity. Niresaka taminy na dia halan’ny olona sy hatahoran’ny olona aza.

Nanatona azy Jesosy ary nihaino azy. Nanampy azy tamin’ny fanalana ny fijaliny. Tamin’ny zavatra tsotra dia ny fihaonana sy firesahana tamin’ilay lehilahy. Fanampina lehibe ho an’ity lehilahy ity izany.

Izay no tian’ny filazantsara aseho amintsika. Tsy mitsaoka rehefa ory sy mijaly ny olona tafahoana aminao fa manatona sy manampy azy. Mihaino azy ny atao voalohany indrindra.

Samy manana ny lanjany na ny tenin’i Jesosy sy ny an’ity olona mitady vonjy ity.Tsy nanambany azy Jesosy. Tsy nandositra azy fa nandray azy ary niresaka taminy. Teo no toy ny nisin’ny tara-pahazavana ka nampahiratra azy..

Nandresy ny famoizampony tamin’ny fandraisan’i Jesosy azy ity lehilahy ity. Tsy niandry an’iza n’iza Jesosy nanao izany asam-pamonjena izany. Hany ka sitrana sy afaka tamin’ny fijaliny ilay lehilahy. Ento eo anatrehan’Andriamanitra ny fahorianao. Raha tsy afaka mihaino sy manampy anao ny olona heverinao fa atokisanao dia manatona an’Andriamanitra.

Ho an’ny olona tsirairay kosa. Aza maika ny hoe hamoaka devoly fa henoy ilay olona fa mafy dia mafy ny mahazo azy. Mila sofina mihaino izy vao afaka handray ny teny fampaherezana azy. Teny tsotra. Tenin’Andriamanitra no entina hampaherezana azy. Tsy misy dokotera afaka mtisabo raha tsy lazaina azy ny aretina.Fa raha tsy izany mivaona ny asa atao.

Mahafinaritra ny niafaran’ny tantara fa olona iray efa tao anatin’ny fahaverezana araka ny voalazany satria voagadran’ny asany izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra no nameno ny fiainany.Nefa dia novonjen’ny Tompo. Ho an’ny rehetra ny famonjena.

Ho an’izay mahatsiaro fa voa mafy dia manatona anao ny Tompo amin’ny alalan’ny Filazantsara. Ny zava-miafina tao amin’i Jesosy ? Tia anao Izy ! Tsarovy fa misy olona maro eran-tany miombom-bavaka ho anao amin’ny ady sarotra atrehinao. aminao. Mendrika anao koa ny famonjenan’Andriamanitra .Mahereza.