TENY ho vakiana

Marka 14 : 12-25

Tonga ny fotoana andro hankalazana ny Paska. Ary dia nanontany an’i Jesosy ny mpianatra hoe : Aiza no hankalazana izany andro izany. Tsotra ny valin-teny nomeny ny Tompo : ao amin’ny efitrano malalaka ambony rihina iray izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara.

Rehefa tonga ny hariva dia tafavory hiara-misakafo tao ny mpianatra sy Jesosy.

Ny fotoam-pisakafoanana dia fotoana masina. Satria eo no hahazon’ny mpianakavy miresaka sy mandefa dinika maika. Eo am-pisakafoanana koa no mety mitranga ny tsiambaratelo mandoza, toy ny voalazan’i Jesosy hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anakiray aminareo , dia izay miara-mihinana amiko no hamadika ahy … Izay anankiray amin’ny roa ambin’ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ny lovia no izy. Henjana ny teny ary tsy nampoizina hitranga eo.

Amin’ny fotoana hiainantsika izao, dia maro ny ray aman-dreny no mikolay amin’ny fijerena fahita lavitra eo am-pisakafoanana. Ary tsy mifantoka amin’ny sakafo mahavelona intsony ny mpianakavy, fa sady mihaino atsy sy aroa ny sofina ary ny maso tsy mijery ny olona mireska amin’ny tena, fa lasa mivilana. Ny sasany aza dia miala eo amin’ny latabatra ka manatona ny fahita lavitra. Ary efa tsy mahagaga intsony izany ankehitriny.

Tsy mbola izany no nitranga tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany, fa ny resaka dia ny mikasika ny ho avy ..

Ny fiara-misakafo voalaza eto amin’i Marka 14 dia nifarana tamin’ny zavatra tokony ho atao any aoriana hahatsiarovana Azy : ny Fanasan’ny Tompo, na ny firaisana latabatra Aminy. Nozarainy ny mofo sy ny kapoaka. Misy kristiana mihevitra fa rehefa tsy nandray ny fanasan’ny Tompo izy dia toa tsy niangona. Eo amin’ny maha-protestanta aloha dia ny Teny torina no fototry ny fanompoam-pivavahana. Ny fandraisana dia fandaharana faharoa, ary io no atao hoe : toriteny hita maso. Ka indroa mahazo toriteny ianao izany rehefa misy ny Fandraisana. Toa mifanojo amin’ny texte-ntsika omaly sy androany ny batisa sy ny fandraisana. Dia ireo sakramenta roa.( Ny havantsika katolika moa dia fito no isan’ny sakramentany) Ny sakramenta dia ny fahitana taratra ny fahatsiarovana ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Hevero ange raha eo am-pandraisana ianao no mivezivezy ny maso, ary tsy mitombona ny saina , inona no vokatr’izany ? Ny Tompo, dia nizara ny mofo izay tenany, sy ny kapoaka izay misy ny rany. Manambara zavatra goavana ireo. Ny mpianatra izay nandray izany dia natao hizara koa avy eo. Tsarovy ny tenin’i Paoly apostolin’i Jesosy Kristy nofintinina hoe : izay noraisiko dia nozaraiko taminareo ( I korintiana 15 and 3 sy 4)

Isika kristiana koa dia nandray ny famonjena nomen’ny Tompo. Ary noho izany dia mizara koa ny Teny soa mahafaly. Mety atao amin’ny fomba maro izany. Satria te hizara ny fahasoavana sy ny famonjena izay noraisina isika.

Ho solon’ny mofo sy ny kapoaka ho an’ny sasany dia mety ho azo atao ny :

Mizara ho an’ny tsy manana ireo kilalao, na akanjo tsy antonina intsony, ho an’ny tsy manana.Mba hilalao ny zanany ary hitafy izy ireo ary hanao izany amin’ny hafa izy ireo Mampindrana entana mety mahasoa ny hafa. Ka izay hampindramina dia hahay hikojakoja mba hahazon’ny hafa mindrana indray Mampiantrano vahiny, mba indray andro any ny vahiny am-piantrano koa . Mampianatra izay tsy hain’ny hafa, ka rehefa tafita izy dia hahay hampianatra ny hafa. Ampiseho tarehy mirana sy feno fifaliana mba hitondra aina vao ho an’ny hafa ka hampita izany hatrany hatrany. Anampy arak’izay azo atao na dia sombiny sy bitika satria ny herika no mahatondradrano. Betsaka ny zavatra azo zaraina fa tsy ho voatanisa eto daholo, fa singano izay mifanadrify aminao..

Tahaka ny sakafo mahavelona ny handraisan’izay mila izany, fa ny tsara indrindra dia ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra no sakafo mahavelona. Mampihomehy sy mahavariana ny teny ao amin’ny bokin’i Ezekiela miteny hoe : Ry zanak’ olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin’ny taranak’ Israely. Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratsay izany. Ary hoy Izy tamiko : ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.( Ezekiela 3 : 1-3).Amena