Tompo Andriamanitra ô.

Mitoetra ao Madagasikara isan’andro Ianao nefa maro no tsy mahatsapa izany.  Mahita ny fahakivin’ny mponina Ianao. Maro no rera-tsaina ka misy aza ny lasa adala. Ao ny milofika toy ny hazo maina tsy misy ravina intsony. Maina hatramin’ny fakany ka maty. Ao ny voahitsakitsaka sy voaporiporitra toa tsy misy vidiny intsony, ka ariana any anaty rano na ala na lavaka ny fatiny. Ao ny natao fahirano ka niala ny tananany. Malagasy maro sy ireo namany no mitomany.

Tompo Andriamanitra ô.

Madagasikara reharehanay hatraiza hatraiza. Tany nomenao harena. Tany hatokisanao. Tany sarobidy. Saingy nivadika ka niala tsy nanaraka ny sitraponao intsony. Naka toerana lehibe ny halatra sy ny kolikoly. Rendrika ao anatin’ny adi-tsaina ny maro ary tsy tafarina fa mandady.

Tompo Andriamanitra ô.

Miampy ny fahorian’ny vahoaka maro noho ny tondra-drano. Tsy misy ialofana. Very ny fananana ary tao aza ny maty. Ho any amin’iza moa ny traboina ?

Maro no menatra sy mangaihay noho ny fikorosohon’ny firenena. Gina ary lavo tsy misy feo intsony.

Nefa matoky izahay fa miasa ao amin’ny firenena Ianao na dia ao aza ny tsy te-hihaino Anao . Ao ny mamono ny feon’ny fieritreretany ka mianjonanjona tsy te hahalala Anao. Afaka mikasika ny fo sy ny sain’ny tsirairay Ianao Andriamanitra ô, na tompon-tany na vahiny. Andriamnitra mahery Ianao ary tsy hamela izay matoky Anao ho rendrika.

Ny Fanahinao Masina mandrakotra sy mampahery ny vahoakanao . Amena