Toriteny tamin’ny alahady 4 janoary

Matio 2: 1-12

Tsy mankaleo ny famakiana ny Soratra Masina. Satria mampahatsiaro ny lasa ary manokatra zava-baovao ho amin’ny ho avy. Amin’izao alahady voalohany amin’ny taona 2015 dia ireto no perikopa voalahatra ho an’ny Fiangonana kristiana : katolika sy protestanta miaraka : Isaia 60:1-6, Efesiana 3:2-6, Matio 2: 1-12 ary ny Salamo 72 .

Amin’ny faritra maro dia toa nifarana ny fankalazana ny Noely . Fa aoka tsy ho hadino ny havana Orthodoxe mankalaza ny Noely izay fantatsika amin’ny hoe « Epifania « : midika hoe « fisehoan'(Andriamanitra). Eran’izao tontolo izao no fankalazana ny fahatongavan’i Jesosy sy ny fahaterahany. Samy miara-mankalaza izany avokoa ny kristiana rehetra eran-tany amin’ny andron’ny Epifania, izay manamarika ny fiombonan’ny mpino rehetra .

Na ianao izay protestanta mivavaka ao amin’ny tempoly androany, na ianao katolika ao amin’ny egilizy androany dia mihaino lohateny iray.

Amin’ny fiaraha-monina dia malaza koa ny Epifania fa amin’ny fomba hafa no ahafantarana azy. Dia ity atao hoe « galette des rois ». Ary mifaninana isan-taona mba hahazo ilay « couronne » isan-taona rehefa mahita ao anaty mofo mamy ny marika izay nafenina tao.

Misy koa ny fiangonana izay manao izany ao aorianan’ny fanompoama-pivavahana. Tandremana anefa mba tsy haka ny toeran’ny fanompoam-pivavahana izany ka ny hihinana ny mofo mamy no mahamaika fa tsy ny mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Ity tantaran’Heroda mitady an’i Jesosy ity dia fanta-daza. Ny fanirin’Heroda sy ny lalana nizoran’ magy dia mampieritreritra.

Satria mantsy , lasa nisy mpanjaka roa nifaninana.

Inona moa no atahoran’i Heroda raha teraka Jesosy? Nanana tafika matanjaka izy. Afaka miharo azy tsara. Tsy misy sahy hifanadrina aminy haka ny fahefany. Ny ahiahiny dia avy amin’ireto magy nitady ny mpanjakan’ny jiosy. Ka nanitikitika azy loatra. Noho izany dia tsy maintsy mailo hoy izy. Ireto magy ireto dia diso adiresy. Mampikorontana ny olona. Tsy any amin’i Heroda no tokony hanontany hoe « aiza no misy an’i Jesosy »? Tamin’izany fotoana izany tsy nisy finday, tsy nisy interneto. Dia nety ny nitetezana ny tranon’ny tsirairay. Tsy azo hanomezan-tsiny ny magy izany. Saingy tsy takatry ny saindrizareo ve fa ao amin’ny fanjakan’Heroda no hitadiavany ny mpanjakan’ny jiosy. Manahy mafy Heroda sao ho voahongana na ho avadiky ireo ambany fahefany.

Mpanjaka roa eo amin’ny tany iray: ny mpanjaka iray efa lehibe no sady efa manana fahalalana ny amin’ny fitondram-pahefana. Ary ny iray hafa kosa dia zazakely mbola hianatra ny atao hoe:Fanjakana.

Iza ary no tompom-pahefana? Iza no hahatarika ny mponina ao aminy? Iza no hampahanjaka ny fandriam-pahalemana ao amin’ny taniny? Iza no hiaro ny taniny sy afaka hanitatra izany?   Heroda mpanjaka malaza ve no tokony hanatona ity olona mbola kely nefa atao hoe: mpanjaka?

Fanontaniana tsy azo atao antsirambona ireo rehetra ireo sy izay mety tsy voalaza. Ny magy dia toy ny mpilaza vaovao manao fanadiadina momba an’i Jesosy. Vahiny izy ireo. Noho izany dia tsy maintsy misy ny fifanarahana. Manatona ny mponina aloha vao manontany an’i Heroda. Ary io aza no antenainy hilaza vaovao misimisy kokoa. Angamba hiaraka hitady an’i Jesosy aza. Iza no mahalala? Manao vinavina mba hahatanteraka ny fikarohana.

Heroda mpanjaka sy ny mpanjakan’ny Jiosy eo amin’ny toerana iray tafaraka eo amin’ny tantaran’ny olombelona sy ny fivavahana. Hahatsiarovantsika koa ny teny sarotra nataon’i Heroda taty aoriana hoe « Ianao ve no mpanjakan’ny jiosy? » Fanontaniana maharary izay hitarika ho amin’ny fangirifirin’i Jesosy. Tahaka ny hoe : tany amboalohany dia efa nampiseho ny fiafaran’i Jesosy ny tantara.

Ianao va no mpajakan’ny jiosy dia mamaritra ny fiainan’i Jesosy ao amin’ny filazantsaran’i Matio. Ary mandritra ny androm-piainany dia tsy hay esorina aminy izany anaran-boninahitra izany.

Ny mpanjaka rehetra dia mifaly mitoetra ao an-dapa sy an-tanandehibe. I Heroda dia ao Jerosalema tanana malaza, ny mpanjakan’ny jiosy dia ao Betlehema. Tanana kely.Izay midika hoe «  tananan’ny mofo ». Tsy misy maha-ory ny olona rehefa eo ny mofo. Ampy ny sakafo. Jesosy moa ve tsy mofo nirahin’Andriamanitra ?

Jerosalema koa dia avy amin’ny teny  hoe: salom, salama, salem midika : fiadanana. Ary mihaotra noho izany fiadanana izany ny famelana.

Tananan’ny mofo, tananan’ny famelana, inona no tadiavina mihoatra noho izany ? Moa ve tsy ampy hiainana izany amin’ny fizarana ny mofo sy ny fiadanana. Jesosy amin’ny maha-Teny azy dia nitondra ny mofon’ny fiainana ho an’izao tontolo izao manontolo. Nefa noho ny fankatoavany ny Rainy dia niakatra ho any Jerosalema izy ka nandalo ny fijaliana tamin’ny herinandro masina mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, ka hiainanatsika ny fahafatesany ary ny fahafatesany dia ho antsika koa.

Nampalahelo ny jiosy tany am-pielezana. Niandry koa ny Mesia hanavotra azy ireo satria tao ny fahasahiranana ara-ekonomika sy ara-tsosialy. Ny toritenin’ny mpisorona dia nirona ho amin’zany.Ny fampanatenana nataon’Andriamanitra dia ny hanala azy ireo amin’ny ziogan’ny fanadevozana. Fa indrindra hanavotra azy ireo amin’ny tsy finoana ny fisehoan’i Jesosy Kristy. Sarotra tamin’ny olona ny nino izany tamin’izany fotoana izany. Ary tao ny diso fanantenana aza.

Raha eo amin’ny toerany isika dia ho toa izany koa ny fihetsika nananantsika.Ahoana moa no handraisan’ny olona ao ivelan’ny Fiangonana ny teny lazaintsika fa ho avy ny Tompo hanavotra amin’ny fahasarotam-piainana isan’andro ?

Heroda dia mpanjaka fetsy. Azo heverina fa ny resany tamin’ny magy aza dia napandry andrisa. Ka namporisihiny izy ireo hitady an’i Jesosy. Ary matoky ny magy izy. Matoky anareo aho fa rehefa hitanareo izy dia aza hadino ny milaza amiko ny misy azy. Fa hijery azy koa aho. Fomba fanao ara-dalana izany.

Tsy mahagaga izany, fa eo amin’ny fitondram-panjakana rehefa misy mpanjaka tonga dia raisina amin’ny fomba mety rehetra izy na dia zaza aza. Ilaina ny mifankalala. Ary miarahaba ny fahatongavany.

Raha amin’izao andro iainatsika izao dia tsy maintsy fantatra malaky. Fa raha vao bevohoka ny renin’ny ho mpanjaka iray dia efa fantatra. Tsy misy miafina intsony.

Ny magy dia tonga amin’izay niriny. Nahita sy niatrika ny mpanjakan’ny jiosy izy ireo. Gaga sy variana nahita ity zazakely. Tsy afaka hanao ratsy azy ireo. Mbola hitombo ary mila fotoana hanatanterahany ny asany ny fanjakany ary ny fireneny.

Nanomana ny fitsidihina ny magy araka ny tokony ho izy. Nitondra voan-dalana sarobidy mendrika ny mpanjaka.

Taanteraka ny faniriny : nitady sy nihaona tamin’ny mpanjakan’ny jiosy izay andraikitra tena sarotra.

Izao fihaonana izao dia nampiova ny fikasan’ny magy.Asa na hadinony ny hafatr’i Heroda ? Fa tsy handrin’izy ireo ny hodiana. Ary nahita ny Zanak’olona sy ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny toerana sy fotoana iray rizareo.

Tahaka ny angano ny hilazana ny tantaran’izy ireo. Na izany na tsy izany dia nitady an’Andriamanitra izy ireo. Nandany fotoana, nikaroka, nanontany ny mponina tao an-tanana ary tonga tany amin’ny mpanjaka.

Ny mampalahelo dia Heroda izay tsy lavitra ny toerana nahaterahan’ny zaza dia tsy nahita na inona na inona, tsy nahare koa. Fa ny magy, tsy nisy nahaskana azy ireo. Ary nahita ny Mpamonjy ny mason’ireo.Rehefa nijery ny zaza dia heverina fa toy ny namaky ny Soratra Masina. Avy amin’ny taranak’i Davida ny famonjena, tsy ho an’ny firenen’Andriamanitra ihany fa ho an’ny firenena rehetra.

Marobe ny olona toy ny magy, miazakaza amin’ny lalana maro samihafa mitady an’i Jesosy Kristy. Naharitra an-taonany aza ny an’ny sasany. Kanefa ny fiaviny efa an-taonjato maro dia mampahatsiaro antsika fa vonona ny hihaona amintsika ny Tompo. Ary miandry antsika.

Ny kintana dia toy ny hazavana mitondra fahasoavana amin’ny fotoana rehetra. Koa ny fandraisan’ny kristiana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy avy amin’ny olona fa avy amin’Andriamanitra.

Koa afaka misafidy isika na hiova lalana mba hanarahana ny lalan’i Kristy amin’ny fanavaozana ny fanekena fa efa niseho tamintsika izy. Fifaliana ho antsika ny fihaonany tamin’ny magy, tamin’ny kristiana rehetra teo alohantsika, tamintsika sy ny kristiana ho avy.

Izay fihaonana izay no mahatonga antsika hanome ny vokatry ny asantsika sy ny fiainantsika ho an’Andriamanitra. Tohizana izany ho an’izay efa manao izany ary maniry koa ho an’izay mbola tsy tafahoana aminy ka mitady azy fa misy lalam-baovao izay natorony : ny tsara indrindra.Amena.