Ny bokin’i Samoela sy ny epistily ho an’ny Korintiana no arahina amin’ny volana janoary.

*Alakamisy 1/1

1Samoela 1 :1-28

Ny olona tsy manan-janaka matetika dia voahenjika sy voaeso toy ny mahazo an’Hana . Nalahelo mafy tokoa izy noho izany. Ny hany azony natao sisa dia somary nihataka ka nangataka zazalahy tamin’Andriamanitra. Ny mahagaga dia izy irery no nivavaka. Noheverin’i Ely mpisorona ho mamo divay aza izy satria tsy reny izay teny nolazainy. Inona moa no nanakana ny vadiny tsy niara-nivavaka sa efa nanana ireo zaza hafa tamin’ny Penina izy ? Vavaka nifangaro tamin’ny ranomaso . Nanao voady Hana izay tsy misy nahare afa tsy ny Tompo Andriamanitra. Nivaly tokoa ny vavaka nataony ary niteraka zazalahy nomeny ny anarana hoe : Samoela. Tsy nitsahatra nivavaka tamin’ny Tompo Andriamanitra izy ary natolony azy ny fiainan’i Samoela. And :28 . Izaho kosa dia manolotra azy ho an’ny Tompo. Eny, amin’ny andro rehetra hiainany izy dia voatolotra ho an’NY TOMPO izy. Dia niankohoka nivavaka tamin’NY TOMPO Izy.

Fanamarihana:

-Takatry Elkana va ny fahorian-tsain’i Hana vadiny ?

Amin’zao fiandohan’ny taona izao kosa : Inona no tena mba hangatahina mafy amin’NY TOMPO ANDRIAMANITRA ? Inona no voady tiana ho tanterahina ?

– Samihafa ny atao hoe : mandohalika sy miankohoka

– Amin’ny fotoana inona vao mahatsiaro hivavaka sy hisaotra Ny Tompo Andriamanitra ?

*Zoma 2/1

1Samoela 2: 1-18

and:1-10. Vavaka nataon’i Hana.

Marihina ny and:3. Aza mahery miteny an’avona ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireherehana, fa NY TOMPO  no Andriamanitry ny fahalalana ary izy no mandanja ny asa.

and: 12 – 17 . Ny toetra ratsy tamin’ireo zanak’i ‘Ely. Nanararaotra ny fahalemen’ny hafa.

And: 11 & 18 . Na dia mbola zaza i Samoela dia nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo.

*Asabotsy 3/1

1 Samoela 2: 19-36

Milaza ny faharatsian’ny toetran’ny zanak’Ely. Ary ny nanjo azy ireo noho izany.

Marihina eto ny :

and:23b . « Reko amin’ny olona rehetra ny ratsy ataonareo »

and 31 b: « Tsy hisy lehilahy ho tratra antitra ao amin’ny taranakao »

and 36 b :  » Miangavy anao aho, mba tendreo ho isan’ny mpisorona aho mba hahazoko sombi-mofo hohanina »

Tena loza tokoa no niafaran’ny taranak’i Ely noho ny fitondran-tena tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.

*Alahady 4/1

1 Samoela 3: 1 – 4: 1  . –Tantaran’ny fiantsoan’Andriamanitra an’i Samoela. In-telo izany antso izany. Manambara fa ilaina ny mihaino tsara sy mahalala izay miantso .

and:10 . « Ary avy ny Tompo ka nijoro (tao amin’ny tempoly) ary niantso toy ny teo ihany « Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela : Mitenena fa mihaino ny mpanomponao « 

Nisy hafatra avy amin ‘Ny Tompo koa izay nentiny ho an’i Ely ny amin’ny hiafaran’ny zanany. and 18.  Nambaran’i Samoela tamin’i Ely avokoa ny zavatra rehetra fa tsy nisy nafeniny. Na dia mafy aza izany dia neken’i Ely.

* Alatsinainy 5/1

1 Samoela 4: 1 – 22

Tamin’izany fotoana izany dia efa nalaza ny adin’ny Israely sy Filistina. Lasan’ny Filistina ny vata nisy ny faneken’Andriamanitra. Tamin’izay koa dia maty ny zanak’i Ely roa lahy :Hofinia sy i Finehasa

Nanana zafikely lahy Ely (98 taona) izay teraka tao aorian’ny nahafatesany. Ikaboda no anarany satria resy tamin’ny ady Israely. (Ikaboda: tsy misy voninahitra) and:21-22

* Talata 6/1

1 Samoela 5: 1 – 12

Tantaran’ny tanana maro voan’ny vay satria nalain’ny Filistina ny vata  misy ny faneken’Andriamanitra.

and: 12b:  » Ary niakatra ho any an-danitra ny fitarainan’ny tao an-tanana ».

*Alarobia 7/1

1 Samoela 6:1- 7 : 1

Tsy maintsy naterina ny vata nisy ny faneken’Andriamnitra satria natahotra loatra ny Filistina ny amin’ny loza manjo azy. Mahavariana koa ireto fanomezana nampiharahany taminy: vay volamena dimy sy totozy volamena dimy. Ny tahotra sy ny fomba tamin’izany no mahatonga ireo zavatra ireo voalaza ireo fa ataon’Ny Tompo Andriamanitra inona moa vay sy totozy na dia volamena aza.  Rehefa naverina  ny vatan’ny fanekena dia maika loatra ny olona hijery ny  tao anatiny ny  tao an-tananan’i Bety Semesy izay nisy an’i Josoa. Nisy 70 no maty.

* Alakamisy 8/1

1 Samoela 7: 2-12

and.4 Nanary ireo Baala sy ireo Astarta ny Zanak’Israely ka nanompo ny Tompo irery

*Zoma 9/1

1 Samoela  8: 1 – 22

Ny zanak’i Samoela roa lahy dia noheveriny ho mpitsara handimby azy. Nefa tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’Ny Tompo ny toetrany. and 3 — nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoy sy nanao fitsarana miangatra. Nalahelo ny loholona ka nitady mpanjaka

*Asabotsy 10/1

1 Korintiana 1: 10 .

– Hoy Paoly- Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra.  Efa nambaran’ny ankohonan’i Kloa tamiko mantsy ny mombamomba  anareo fa misy  fifampiandamiana eo aminareo.

*Alatsinainy 12/1

1 Korintiana 2: 4-5

Hoy Paoly tamin’ny korintiana : « Ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena izay natao hampiaiky, fa tamin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra »

 

* Talata 13/1

1Korintiana 3: 1 – 23

and. 18 : Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo milaza azy ho hendry amin’izao tontolo izao dia aoka ho adala izy mba ho tonga hendry.Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra ; fa voasoratra hoe  » Ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy(joba 5.13)

* Alarobia 14/1

1 Korintiana 4: 1 – 21

and.2 : Ary izay ilaina amin’ny mpitantana fananana dia ny ho mahatoky.

Alakamisy 15/1

1korintiana 5 : 1-13

and.1-2: Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana aty aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa aza, fa misy olona aminareo manambady ny vadin-drainy.Ary ianareo indray va no mirehareha Ary tsy mba nampalahelo anareo akory izany …

Tamin’izany fotoana izany dia nasain’i Paoly hiala tao amin’ny fiangonana ilay olona. Izay no anisan’ny antony hoe « fanonganana » olona ao amin’ny fiangonana noho ny toetra tsy mendrika. Koa ireto andininy ireto sy ny toko manontolo dia natao hampieritreritra. Ahoana moa izany hoe maha-kristiana?

*Zoma 16/ 1

1 Korintiana 6: 7-8

Efa faharesena ho anareo ny fanananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza  ianareo? Kanjo ianareo indray no manao izay tsy rariny ka manambaka ny rahalahinareo.

Inona no mahasamihafa izany amin’izao androntsika izao? Efa ela ity asan’ny fanabamkana ity.

*Asabotsy 17/1

1 Korintiana 7 :  1-16

Teny fampieritreretana mikasika ny fanambadiana

Ny fanajana, ny fandraisana ny vady tsy mpino, ny fisarahana …

*Alahady 18/1

1 Korintiana 7 : 24

Ry rahalahy aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra, eo amin’izay niantsona azy avy.

* Alatsinainy 19/1

1Korintiana 7: 25 – 40 Ireo tsy manambady sy mpitondratena araka ny nosoratan’i Paoly.

* Talata 20/1

1 Korintiana 8 : Ny amin’ny hena atao fanatitra tamin’ny sampy.

1a…. Ny fahalalana dia mampieboebo,fa ny fitiavana no mampandroso…

and 9 – Tandremo fandrao ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy finoana ny fahafahanareo.

*Alarobia 21/1

1 Korintiana 9:16

Fa raha mitory ny Filazntsara aho dia tsy misy reharehako amin’izany, satria tsy maintsy manatanteraka izany aho; fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho !

*Alakamisy 22/1

1 Korintiana 9: 19 &27

Hoy Paoly :-Fa na dia oona afaka eo anatrehan’ny olona rehetra aza aho dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoko ny maro arak’izay azo atao. ……..

Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia ho lavina kosa. ( Mafy ny finiavana hanana’i Paoly teo )

*Zoma 23/1

1 Korintiana 10:

and 13: Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy mamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany

and: 21 Tsy afaka sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo ianareo no hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy afaka sady hihinanana amin’ny latabatry ny  Tompo ianareo no sady hihinana amin’ny latabatry ny demonia.

*Asabotsy 24/1

1 Korintiana 10: 23-24

Azo atao ny zavatrarehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; azo atao ny zavatrarehetra, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany fa ny hahasoa ny namany.