Lioka 1:26-38 (alahady fahatelo amin’ny Advento 2014)

Ary tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe : Nazareta, ho any amin’ny virjina anakiray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe : Josefa, avy amin’y taranak’i Davida ; ary ny anaran’ny virjina dia Maria.

Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe : Arahaba ry ilay nohasoavina , ny Tompo momba anao. Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra ny ho hevitr’izany fiarahabana izany.

Ary hoy ilay anjely taminy : Aza matahotra ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao.Ary indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia ataonao hoe : JESOSY. Izy ho lehibe ka atao hoe Zanaky ny Avo indrindra, ary ny Tompo Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy ; ary hanjaka amin’ny taranaky Jakoba mandrakizay Izy ; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.

Ary hoy Maria tamin’ilay anjely : Hanao ahoana re no hahatanteraka izany ? fa tsy mahalala lahy aho ? Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe : Ny Fanahy Masina no tonga ao aminao ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao, koa ny Masina Izay hateraka dia atao hoe : Zanak’Andriamanitra.

Ary indro Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza, ary efa mandra enina izy izao, izay natao hoe : momba. Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra. Dia hoy Maria : Inty ny ankizivavin’ny Tompo : aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.

Eto amin’ny filazantsaran’i Lioka dia :

– Voalaza ny anaran’ny anjely Gabriela

– I Maria irery ihany no niresahan’ny anjely

– Tsy voateny fa efa bevohoka Maria fa hoe : hitoe-jaza

– vehivavy roa no voamarika eto: Maria izay mbola tanora.Tamin’ny fahenim-bola no niseho taminy ny anjely. Elisabeta kosa dia efa bevohoka enim-bolana.

– Jesosy no ho anaran’ilay zaza ho teraka

Raha jerena ny filazantsaran’i Matio dia :

– Mbola vao fofom-bady i Maria dia efa nitoe-jaza.

– Tsy voalaza ny anaran’ny anjely niseho tamin’ny nofy tamin’i Josefa

-I Josefa irery ihany no niresahan’ny anjely

– Jesosy no ho anaran’ilay zaza ho teraka

Samy manana ny fomba fitantarany ny mpanoratra an’i Matio sy Lioka.