Tompo Andriamanitra ô! Aiza ny famonjena ny firenenay mihosina vovoka. Maina ny tenda. Tsy afaka miteny intsony. (14.12.14)

Tompo Andriamanitra ô ! Diovy ny firenenay fa maro loatra ny loto miraikitra aminy. Mila tsy afaka hiaina intsony (15.12.14)

Vonjeo ny firenenay amin’ireo mpiray tanindrazana sy vahiny manitsaka sy mambabo ny taninay(16.12.14)

Vonjeo ny firenenay fa noho ny halatra dia mipoitra ny fankahalana ary miteraka famonoana (17.12.14)

Vonjeo ny firenenay amin’ireo izay manasoketa ka manameloka amin’ny tsy marina (18.12.14)

Vonjeo ny firenenay amin’ny ratra mahazo azy( 22.12.14)

Vonjeo ny firenenay fa marobe ny tsy manakohanina ka toy ny loza andro aman’alina izany (23.12.14)