JAKOBA lehilahy nanana tantara mahalina

  • Genesisy toko faha-25 : andininy faha-19 ka hatramin’ny toko faha-36

Famintinana ny tantaran’i Esao sy Jakoba.

Nisy roa lahy kambana tena nalaza satria tany an-kibondreniny dia efa nifanipaka izy ireo (Genesisy 25 :22). Naharary ny reniny ny fahatsapana izany adin’ireto zaza nefa tsy maintsy miara-monina nandritra ny volana maro. Nahaketraka azy koa. Mbola tsy teraka dia efa mahery setra. Voalazan’ny Soratra masina koa fa ho lasa firenena roa lehibe izy ireo. Hisaraka aza. Ny iray hahery. Ary izay lehibe dia hanompo ny kely(Gen 25 :23). Esao no zokiny ary ny rainy Isaka dia akaiky azy kokoa. Jakoba no zandriny ary ny reniny Rebeka no tena akaiky azy.

Rehefa nihalehibe izy roa lahy kambana dia hita teny ny toetrany. Esao dia somary kamo ka na ny fizokiny aza dia namidiny tamin’i Jakoba zandriny izay maika ny hahazo izany koa. Samy fetsifetsy.

Rehefa tonga ny fotoana ny fitsofan-drano an’ireo kambana dia namorona tetika ho an’i Jakoba ny reniny mba hahazona izany tsodrano izany. Hany ka Jakoba no nahazo ny tsodrano tsara indrindra (Genesisy 27 : 28-29). Ny an’i Esao kosa dia nampalahelo ( Genesisy 27 : 39-40). Na dia nihikika sy nitalaho aza i Esao dia tsy nahazo ilay tsodrano tokony ho azy. Satria tokana izany ary rehefa voalaza dia tsy azo hafindra aminy intsony.

Vokatr’izany dia lasa nitsaoka i Jakoba satria natahotra. Ary ny reniny Rebeka no nanampy azy tamin’izany mba tsy ho faty izy satria tezitra loatra i Esao. Alohan’ny handosirany dia mbola nitsodrano azy ihany ny rainy (Genesisy 28 : 3-4). Samy naka ny lalany avy izy roa lahy kambana. Nisaraka tamin’ny fo feno alahelo sy tahotra. Noho ny fahatezeran’i Esao dia nanao izay tsy nety izy. Nanohatra ny fanirian’ny ray amandreniny. Jakoba kosa nanaraka ny tian’ny ray amandreny.

Samy nanana ny fiainany izy roa lahy. Samy nanambady. Nandritra ny taona maro tsy nifankahita mihitsy noho ny fitaka nataon’i Jakoba ka nahazony ny fizokina sy ny tsodrano avy amin’ny rainy.

Ny ankamaroan’ny toko ao amin’ny bokin’y Genesisy dia mitantara ny fiainan’i Jakoba .Tsy hita firy ny an’i Esao rahalahany.

Efa ela taty aoriana vao nihaona izy roa lahy. Tsy tanteraka mora foana izany. Fa nisy fiomanana. Ny antony dia natahotra mafy Jakoba tamin’ny fitaka nataony. Natahotra sao tsy hanaiky ny fihaonana aminy Esao na dia rahalahiny aza. Nandefa olona izy hihaona amin’ny rahalahiny mba hamelany ny fahadisoany. Samy nihevitra ny hihaona izy ireo na dia tsy nifankahita aza. Tonga ny fotoana tsy maintsy hihaonana. Na dia sarotra aza. Samy niaraka tamin’ny fianakaviany. Tsy vitan’ny nandefa iraka na solontena fotsiny amin’izao fihaonana sy fangatahana famelana izao. Fa nilaina ny fihaonana vao tanteraka. Toa izao no nolazain’i Jakoba « Raha mahita fitia eo anatrehanao aho dia raiso ny avy amiko ny zavatra nampanateriko, fa efa nahita ny tavanao tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra aho sady efa nahita sitraka taminao ( Gen 34 : 10). Raha tsy nisy io fifanatrehana io dia tsy nihavana izy roa lahy.

Ny Soratra masina moa dia tsy manome an-tsipiriny ny zavatra niseho fa mampieritreritra ihany ity tantara ity. Tsy vitan’ny hoe Tantaran’i Jakoba ihany fa misy ny ifandraisany amin’izao tontolo izao mihitsy. Ary ahoana moa no nihafaran’ny taranak’ireo kambana ireo ?

(Mbola hitohy)

28/11/14

  • Ilay fianakaviana :

Misy dikany daholo ny anaran’olona na koa ny anaran-tany ao amin’ny Baiboly ary mifanaraka amin’ny zavatra iray eo amin’ny fiainany izany. Milaza koa izany fa tena nisy teo amin’ny tantara ny ankamaroany.

Rebeka no vadin’Isaka → Nihomehy (Gen. 18 :12)

Esao →  Voloina → Edoma →mena (Gen.25 :25 &30)

Jakoba → Mpamingana (Gen.25 :26)

Ny tantaran’ity fianakaviana ity dia mampiseho fa na dia nifankatia aza Isaka sy Rebeka dia tsy nitovy hevitra indraindray. Indrindra mikasika ny fifandraisana tamin’ireo zanany roa lahy. Inona no antony nahatonga an’i Rebeka hanome tombony an’Isaka izay zandriny. Ka miala amin’ny fomba fanao dia ny fitsofan-drano ny zokiny aloha vao ny zandriny. Sa kosa mifandray amin’ny fisainana hoe : izay nivoaka faharoa amin’ny kambana no voalohany. Satria izy no tafapetraka taloha tao amin’ny kibo fa notsindrin’ilay nivaoka voalohany. Izay ve no nahatonga an’i Jakoba hihazona ny tongotr’ Esao rehefa nivaoka. Toa milaza hoe : izaho no zokiny ary izaho no tokony andeha mialoha. Na milaza koa hoe : satria kambana isika dia tsy misaraka fa iray lahatra sy vitana.

Ny kambana koa dia : na tena mifankahazo tsara rizareo na tena tsy mifanaraka ary tena fiadina ny hihafarany.

Matetika koa ao amin’ny Baiboly dia olona roa hatrany no hatranga hanamarihana fa isika tsirairay ihany ireo olona roa tsy mitovy. Marihin’ny mpanoratra fa Esao dia tia mihaza, ary Jakoba dia tso-piaina sady mpitoetra an-trano lay. Tahaka izany ireo jiolahy roa teo amin’ny hazo fijaliana teo akaikin’i Jesosy.Ny iray namingavinga ny iray hafa nanaja tanteraka.

Fifaliana ho an’ny vehivavy ny fananan’anaka nefa mety koa ho fahorian-tsaina raha izao no izy satria tsy manambara vaovao mahafaly.Fa nampiferina’aina ny reniny.Tsy voalaza raha nilaza izany tamin’Isaka vadiny mantsy i Rebeka na notazonony ho azy irery izany adi-tsaina izany.

Azo lazaina ve hoe raha fantatr’Isaka izany nety nitandrina ihany izy angamba tamin’ny fitsofan-drano an’i Jakoba . Nefa tena voafitaka ihany izy. Satria nahay nanafina ny maha-izy azy Jakoba.

Inona no antony tsy mba nilazan-dRebeka ny feo reny momba ireto zaza ireto sy ny ahiahiny. Ny mpanoratra moa dia manoratra ny tantara araka izay hanoratany azy. Nefa tsy dia ratsy koa ny hametrahana fanontaniana ny amin’izany.

Somary nifampitana ihany koa izy roa lahy ny amin’ny fizokina. Maika Jakoba hanana izany. Ka nanararaotra ny havizanan’Esao. Ka dia azony. Nasainy nianina mihitsy aza. Raha izy tokoa no tokony ho zokiny amin’ny voalaza etsy ambony dia mazava ho azy fa miverina aminy ny fizokina.Tamin’ny faminganana ihany. Nefa dia samy manana ny eritreriny isika handikana izany.

 (Mbola hitohy)