Perikopa ny alahady 2 novambra 2014

Matio 23: 1-12

 

Nomen’Andriamanitra an’i Mosesy tao an-tendrombohitry Sinay ny Lalàna.Ary nohitarina aza io lalàna io. Voarain’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo koa izany taty aorina. Hitantsika fa ny lalàna ao amin’ny tany tsirairay dia maro karazany. Raha olon-tsotra tsy hahaisa izany. Manana andraikitra lehibe izany izy ireo mampita sy manazava izany amin’ny vahoaka. Fotoana lava no nianarana ny lalàna ary hinoan’ny manam-pahefana fa namolavola izany tsara. Antenaina hitondra soa ho an’ny tany sy ny fanjakana. Satria ilaina ny manana fitsarana marina sy mpanatanteraka mendrika izany asa izany.

Saingy eto amin’ity soratr’i Matio ity dia eo anatrehan’ny vahoaka sy ny mpianany no ilazan’ny Jesosy ny fomba tsy mety ataon’ireto mpanoradalàna sy Fariseo. Diso fanantenana amin’ny toetran’ireo Izy. Satria tsy manantanteraka ny teny dia ny lalàna izay avoakany. Hany ka mampitandremana Jesosy satria tia fisehosehona sy voninahitra izy ireo. Manao izay hahitan’ny olona azy amin’ny fitafiany entiny izay mora hahafantarana azy ireo. Amin’ny fotoam-pivoriana sy fanasana dia tsy maintsy eny amin’ny toerana aloha koa rizareo.

Efa ho 2000 taona no nanoratan’i Matio io tantara io dia vao ohatry ny omaly no niseho.

Tsy ny mpanao lalàna rehetra no manana toetra tsy mendrika toa izao. Fa misy tokoa ny tsy manaraka ny teny lazainy na ny lalàna izay misy. Na dia nanao finiavana ny hanao ny marina alohan’ny handraisana ny asa izy ireny. Hadinony fa ny ny lalàna ho an’ny rehetra.Fa Jesosy tsy manadino izany.

Tsy vitan’izay fa mampitondra mavesatra eo antsoroky ny olona izy ireo. Iza moa no voa mafy amin’izany afa tsy ny tsy manana mpiaro sy tsy afaka mamaly. Misy ohatra maro fa ireo ihany no lazaina. Indrindra moa raha ao ny fandrahonana sy famoretana ambadika ka tafiditra ao koa ra-vola.

Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ireo dia olona mivavaka matoa hita any amin’ny synagoga. Mahalala izany atao hoe Andriamanitra sy ny lalàny. Nefa dia mifikitra amin’ny tsy mety.

Misy tokoa ireo mpahay lalàna na mampihatra lalàna izay mivavaka ny alahady sy andro hafa nefa eo amin’ny fampiasany azy dia mivaona amin’ny tokony ho izy. Tsy misy afaka miteny satria eo am-pelatanany ny ho avin’ilay olona tsaraina. Ao amin’ny toeram-pivavahana dia tsy hisy tokony ny fanavakavahana ka rehefa olona toa izao dia manana toerana manokana. Mitovy daholo ny rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy mijery ny harena na ny fahaizana na ny diplaoma Andriamanitra. Fa ny fon’ny tsirairay manatona azy no jereny. Tsy misy miafina amin’ny Tompo Andriamanitrantra. Eny fa na dia ao amin’ny Fiangonanana aza. Mampitandrina Izy ka milaza hoe « Miteny ihany rizareo nefa tsy manatanteraka ».

Mampalahelo tokoa ny tahaka izany. Ahoana moa no hametrahana fahatokisana amin’ny olona tahaka izany. Izy izay tokony ho tahafina sy arahana no mivaona amin’ny asa ataony. Inona no antony mahatonga izany ? Mihevitra fa ho afa maina hatrany ve ?

Tsy ny olona rehetra no mpanao lalàna na ao amin’ny asan’ny fitsarana. Nefa tsy lavitra ireny koa ny toeran’ny tsirairay. Ohatra tsotra no omena eto. Mikasika ny fianakaviana. Misy tokoa ny ray aman-dreny na mpitaiza izay tena mahafinaritra ny miresaka aminy. Fa rehefa tena mifanerasera aminy ianao dia hitanao ny toetrany. Ao ny ray aman-dreny izay tsy manaraka akory ny zavatra lazainy an-janany. Fa izy indray aza no mampiana-dratsy azy. Misy maniraka ny zanany hangalatra aza. Ka ataony hoe : halatra madinika iny fa tsy maninona. Nefa rehefa zatra na mihalehibe aza dia mangalatra zavatra lehibe tokoa ary mampiditra am-ponja. Ao koa ny fomba fiteny, tsy miafina amin’ny rehetra fa manompa indraindray ary tena mahamenatra. Na koa tia manendrinkendrika ny hafa. Raha izany no taratry ny zanaka taizana na ny havana na ny namana dia mahavariana ihany. Mampianatra ho amin’ny ratsy ary ny valin’izany tsy ho zaka.

Koa raha nahazo tombon-tsoa afaka nianatra sy nanoratra ny lalàna nahoana no tsy manara-dalàna.Ny ray aman-dreny tsy mpanao lalàna , na mpiasan’ny fitsarana fa tokony hahalala kosa ny fomba tokony ho fitaizana omeny. Efa niainany izany ka tanterahany ary hoderain’ny rehetra izy. Fa raha mifanohitra amin’izany dia ho halavirin’ny olona. Na ny zanany aza handatsa azy ary hanao tahaka azy. Inona moa no antony hivavahana raha tsy hiova. Ary fiovana tanteraka fa tsy sadasada ka hoe rehefa hitan’ny rehetra fa miangona aho dia izay ny zava-dehibe. Diso fihevitra raha izay. Tsy ny olona no handehanana any am-piangoanana na ivavahana fa ny Tompo Andriamanitra.

Mivantana amintsika koa ity soratr’i Matio nampiteneniny an’i Jesosy.

Marihiny fa « Iray ihany ny mpampianatra ». Ao amin’ny testamenta vaovao dia Jesosy no mpampianatra. Ary koa ny Fanahy Masina rehefa lasa niakatra any an-danitra Izy ka mampahiratra ny sain’ny olona ny tenin’Andriamanitra.

Fampitandremana momba ny fampianarana satria miseho ny mpampianatra isakarazany tsy mazava ary manambaka olona momba an’Andriamanitra. Indrindra ireo ao anatin’ny fahasahiranana sy tsy fahasalamana. Mody sarotsaronana amin’hoe izao no fampianarana vaovao hahazonao ny lanitra. Avia aty fa tsy mety daholo ny teo aloha. Aty aminay no tena izy. Aty no tena misy an’Andriamanitra. Aty no misy ny marina. Ka anjaran’ny tsirairay no mandinika sao voafitaka. Mitandrema hoy Jesosy.

Mampitandrina koa Jesosy ny amin’ny tsy fahafantarana ny Ray. Iray ihany ny Ray. Ho an’ny kristiana dia iray ihany ny Ray : ny Tompo Andriamanitra izay Rain’i Jesosy Kristy. Tsy misy mahasolo azy ary izy no ivavahana. Ankoatra’Azy dia sandoka.

Mampitandrina koa Jesosy fa iray ihany koa ny mpitarika dia Jesosy Kristy. Izy no lohan’ny Fiangonana. Manana ny maha-izy azy. Izy no Mpitsara sy Mpamonjy. Misy dia misy tokoa ny te haka izany toeran’i Jesosy izany. Ka mitono-tena ho mpitarika, tsy misy toa azy. Any ka miforona ireo toerana rehetra milaza fa hahitana famonjena sy fanasitranana. Ary ranona sy ranona dia manasitrana raha vao mivavaka miaraka aminy.

Namarana ny fampianarany ny vahoaka sy ny mpianany Jesosy dia nasainy nanetry tena izy ireo. Mila fianarana sy fifehezan-tena ny rehetra. Na dia miresaka ny mpanoradalàna sy ny Fariseo aza Izy dia isika no voatondro voalohany mba tsy hanadino. Isika no hanariny voalohany mba tsy hamita tena. Samy manana adidy eo aminy fihetsika rehetra raha te-hampandroso ny Fiangonana sy ny firenena ary izao tontolo izao. Tsy mora ny fanarahana an’i Jesosy Krsity fa mila famolahan-tena ary fiovam-po.

Natao hanompo izay manaraka Azy. Mba hitovizan’ny rehetra dia ny manetry tena no asandratra ary izay manadra-tena no haetry. Tsy misy ambony sy ambany. Izay ve hampitombona ny fiaraha-monina ?