TENY HOVAKIANA

ASAN’NY APOSTOLY 10 : 34-43

KOLOSIANA : 1-4

MATIO 28 : 1-10

otoana hafa sy vaovao no haterak’izany. Ny andininy voalohany amin’ny Filazantsaran’i Matio dia milaza hoe : »…Raha vao maraina koa ny andro voalohany amin’ny herinandro. » Izany hoe ilay Fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia manomboka herinandro vaovao. Ary io andro voalohany amin’ny heriandro io dia antsoina hoe » Andron’ny Tompo » ary saika ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly no milaza azy .

Ny alahaditsika ry havana ataontsika ho ny andro voalohany amin’ny herinandro ve ? Sa dia mbola ny andro fahafito ihany ka natokana hitsaharana avy amin’ny fahasasarana nandritry ny herinandro. Raha izany ny andro voalohany amin’ny herinandro dia ny Alatsinainy. Tamin’ny Fiangonana voalohany ny alahady dia ny andro voalohany amin’ny herinandro andro natao hiderana an’Andriamanitra alohan’ny handraisana herinandro vaovao. Ny sabata na sabotsy izay andro fahafito dia mamarana ny lasa fa ny alahady kosa dia manokatra ny ho avy. Ilay alahady, izay Jesosy no nanokatra azy tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia manokatra zava-baobao izay tsy hitsahatra raha tsy amin’ny fahataperan’izao tontolo izao (Matio 28 :20).

Raha hiverenatsika ny fizotry tantara. Vao manomboka dia zava-baovao no mitranga. Vehivavy no voalaza fa nahita ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty voalohany . Tamin’izany fotoana izany dia tena nanova zavatra betska izany satria tsy nanana toerana loatra ny vehivavy. Ary raha manohy ny tantara isika dia hahita fa noheverin’ny mpianatra ho rediredy ny filazan’ireo vehivavy ireo ny Fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Fa nakaiza ny mpianatra no tsy izy ireo no nahita voalohany ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ? Indrisy nihery izy fa natahotra. Nandritry ny fotoana nijalian’ny Tompo dia tazantsika teny foana ny vehivavy. Tsinjo hatreo am-pototry ny hazo fijaliana ary na dia efa nalevina aza Jesosy dia mbola nitsinjo teny lavitra teny izy ireo (Matio 27 : 56). Koa tsy mahagaga raha izy ireo no niseohan’ny Tompo ary nirahiny voalohany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty hilaza ny Vaovao Mahafaly. Toa milaza amitsika izany fa ao amin’ny Fiangonana tsy dia ny andraikitra, toa ny hoe Mpitandrina na diakona, loatra ny zava-dehibe fa ny fitiavanao ny Tompo.

Ny filazantsara efatra dia samy milaza ny momba ireo vehivavy ireo. Ny isany no tsy mitovy, fa ny fifohazana maraina, ny fitaitainana teny an-dalana, ny ahiahy ny amin’izay hanokatra ny fasana. I Matio dia nitantara ny fisin’ny horohontany. Ny filazantsara hafa dia milaza kosa fa fasana misokatra no niandry azy ireo. Tsy nisy anefa na dia iray aza nilaza ny fomba nitsangan’i Jesosy sy ny niala tao am-pasana. I Maria aza nanahy fa nisy nagalatra ny fatin’ny Tompo. Noho izany na dia nisy aza ny horohorotany na dia misy aza ny anjely mikanjo fotsy manjelajelatra ; nisalasala ihany ireo vehivavy ireo. Mba handresen-dahatra azy dia i Jesosy mihintsy no niseho taminy. Mpahazo antsika olombelona io raha tsy mahita tsy mino. Ny mpianatra, indrindra fa i Tomasy dia tratran’izany, na dia efa nilazan’i Jesosy aza fa tsy maintsy hitsangana Izy. Nefa dia zava-dehibe tokoa no nitranga tamin’io marainan’ny Paska io. Jesosy izay nombohona teo ambony hazo fijaliana, maty ka nalevina dia nitsangana tamin’ny maty.

Fiovana tsy hay lazaina no naterak’izany. Resy ny fasana, ary ny fahafatesana tsy mana-kery intsony. Fiainam-baovao no miandry ny kristiana. Fomba fiainana vaovao izay tsy hana-pahataperana no miandry ny olombelona. Toa ny nisy aina vaovao niditra tao amin’ny fiainan’ny tsirairay. Toa mora ny milaza fa resy ny fahafatesana. Mbola firy isan’andro no maty eto ambon’ny tany. Eny tokoa ry havana lalan’ny fiainana ny fahafatesana ara-nofo tsy azotsika idovirana izany fa kosa ny fihetsiky ny mpino manoloana ny fahafatesana no manova zava-dehibe eo amin’ny fiainany. Tsy ilay zavatra mampahatahotra intsony ny fahafatesana. Tsy hampanahy intsony ny ao ambadikin’ny fasana ary ny malalatsika nisaraha tamitsika dia mbola hihaona amitsika, tombon-dalana ny azy. Raha milaza amitsika ny Soratra Masina fa resy ny fahafatesana tsy hoe tsy handalo fahafatesana intsony isika fa kosa ilay horohoro sy tahotra nananatsika manoloana azy no nofoan’ny nitsaganan’ny Tompo.tamin’ny maty.

Mazàna manoloana ny fahafatesana dia mahatsiaro ho tapi-dalana aleha isika, raha mino isika ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia manokatra lalana vaovao ho antsika. Manova koa ny firaiketatsika amin’ny zavatra eto an-tany ka hahatsapatsika fa zavatra mora loa ihany izany, fa ny fiaianana ao amin’i Jesosy no maharitra mandrakizay.

Mirary anao hanana fiainam-baovao ao amin’ny Tompo ny Tsodrano amin’izao Paska izao.