TENY ho vakiana

OHABOLANA 8 : 10-20 , 21b-36

I TESALONIANA 4 : 13-18

MATIO 25 :1-13

Hitatsika eto am-panomboana ity Fanoharana nataon’i Jesosy ity fa tsy nisalsala Izy hampiseho sary mahafinaritra sy mahafaly. Fampakaram-bady no hatrehana ary raha fampakaram-bady dia fifaliana, korana, sakafo. Manampy izay indray ny olona ao anatin’ny tantara nolazainy dia Virjina izany hoe ankizivavy tanora, izay mbola mariky ny favitriana sy fahatanorana koa. Fa rehefa midina mijery ny andininy manaraka isika dia hita fa miova tsikelkely izany. Nambarany fa ireo ankizivavy folo ireo dia tsy tonga lafatra araka ny tokony ho izy daholo fa ny antsasany ihany no hendry. Nolazainy koa fa tsy tahaka ny fahita andavanandro fa amin’ny alina no mitranga ny fampakaram-bady ary tsy tahaka ny tokony ho izy fa naharitra ela vao tonga ny mpampakatra. Toa tazana amin’izany ny fiainantsika olombelona. Izao tontolo izao misy antsika tsy feno olona hendry daholo akory, ary mitaky faharetana amitsika ny Tompo satria tsy maintsy mandalo alina ny fianantsika.

Ny fiandrasana ela dia sarin’ny fianantsika kristiana. Tsy vitsy ny kristiana no mihevitra fa tahaka ny fomba fitondratena ihany ny fivavahana kristiana ka mandrara fotsiny ny tsy hanaovana ny zavatra ratsy rehetra. Misy ny manantena fa tsobo-dranon-dRamiangaly ihany ny fivavahana kirstiana ka raha marivo hitsoboana fa raha lalina dia hialana. Ny fivavahana kristiana dia tsy finona fomba fisainana fa finoana Olona iray, izay tia antsika sy tena tintsika ka nilaza amitsika fa ho avy. Na toa inona na toa inona hahalavan’ny fotoana, na toa inona na toa inona toetry ny andro efa nampanatena antsika io Namana io fa ho avy miandry isika satria fotoan-dehibe loatra ny fiaviany.

Eo ampiandrasan dia mazàna no ao anatin’ny alina maizina isika. Kivy, tsy mahita ny marina intsony. Toa manjavozavo ny fahafantaratsika an’Andriamanitra ka indraindray toa heverina ho tsy misy mihitsy Izy .Na heveritsika fa tsy mandreha intsony ny kika hataotsika Izy, tsy mahay teny gasy Izy ka tsy mahalala ny fahoriantsika. Fantatry ny Tompo izany matoa izy nanao ity fanoharana ity ka nilaza ny fiandrasana ela amin’ny alina.

Rehefa ela niandrasana dia matory. Tsy miteny intsony Andriamanitra, toa mijery fotsiny ny zava-miseho Izy hany ka manahy isika fa toa resaka be fotsiny izany fihaonana Aminy izany. Makany am-piangonana ihany fa dia lasa fahazarana fotsiny sisa. Hadino ny mivavaka, tsy atao intsony ny mamaky ny baiboly. Manjary lasa ho metro-boulot-dodo fotsiny sisa ny fianatsika. Jesosy aza eto milaza fa lasa dodo sisa ny fianantsika. Hoy Paoly Apostoly : »Mifohaza hianao izay matory  » .

Misaotra Jesosy fa mahafantatra tsara ny fahalemenay Hianao.ka tsy mitaky aminay izay tsy tratran’ny herinay. Fantatrao fa tahaka ireo virjina dimy hendry dia mbola misy ihany ny manana fanala mitsipozipozy azo velomina, mbola misy ihany ny manana solika kely fitaiza. « Matory aho nefa mahatsiaro ihany ny foko » hoy ilay ampakarina ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona 5 :2. Asa Tompo na dia tsy ampy ny fitiavako Anao fa indraindray matory ny foko ka tsy manatena Anao intsony. Nefa jereo e ! ilay fanalako mitsipozipozy ary ilay solika kely fitaizako.

Betsaka no milaza fa tsy mamindra fo ireto virjina dimy hendry ireto. Aiza ve ka tsy azo nozaraina ve ilay solika fitaiza. Manala antsika tsy hieritreritra izay tian’i Jesosy ho lazaina amitsika izany. Ny famonjena dia ny tsirairay no tompon’antoka amin’izany. Tsy misy afaka maka ny toeran’ny olona hafa amin’izany. Raha mijery ireto virjina dimy hafa isika dia nolazain’i Jesosy fa adala ireo. Izany hoe tsy fahafatesana arika akory no tsy nitondrany solika fitaiza fa adalana mihintsy. Ny sary tian’i Jesosy ho lazaina aza dia ny tsirairay no vady am-pakariny. Ary raha izany dia tsy fille d’honneur fotsiny ireto virjina ireto. Tsy azon’ny saina ho ekena ny mahita olona iray miandry ny fofombadiny ka tsy hahandry izany na toa inona na toa inona fahatarany.

Koa dia tazony ho mirehetra hatrany ny fanalanao ary miambena fa ho avy ny Mpampankatra.