TENY HO VAKIANA

OHABOLANA 31 : 10-31

I TESALONIANA 5 : 1-11

MATIO 25 : 14-30

Fitenitsika ny hoe manan-talenta, fiteny koa ny hoe : « Aza manafi-talenta. Asa re ! tsy tena mahafantatra tanteraka ny teny malagasy loatra ny tena, saingy araka ny fiheverana ny teny hoe talenta dia teny notakarina ihany amin’izay hita ato amin’ity fanoharana nataon’i Jesosy ho resahatsika ity.

Tokony ho tsaroana fa ity fanoharana ity dia nataon’i Jesosy taloha kelin’ny nijaliany. Nanambara ny handehanany ny Tompo ary nametraka tamin’ny mpanaraka azy ny andraikitra ny amin’ny Fanjakany. Raha nitantara izany Matio dia nolazainy fa nameptrak’ilay Tompo trano tamin’ny mpanompony ny fananany. Fahatokisa tsy mihoatra izany. Nefa koa etsy an-danin’izany andraikitra lehibe mianjady eo ambony soroka izany. Noho izany dia lafiny roa avy hatrany no tazatsika eto. Ny lafiny tsara sy ny lafiny ratsy. Isan’ireo lafiny tsara tokony ho resahana ny fahatokisana napetrakin’ny Tompo amintsika. Notsindrin’i Jesosy mafy ny faharetan’ilay tsy maha eo ny Tompo trano ary nampiasany mihitsy aza ny teny hoe : « ela » noho izany. Mazàna mitambesatra amtsika loatra io tsy maha eo ny Tompo io. Toa tsy mamaly antsika mihitsy ny Tompo hoy isika satria tsy eo intsony Izy. Nefa ve tsy tokony hahafaly izany satria tsy tahaka ny surveillant mijanona eo an-damosin’ny mpianatra foana Izy fa kosa matoky ka tsy nisalasala ny nametraka ny fananany amitsika. Napetrany ho tantanatsika ny am-pahan’ny Fanjakany.

Mila antsika ho mihetsiketsika ny Tompo. Ilay manompo nandevina ny talentany dia noheloina noho izy tsy nanao ny tokony ho atao. Tsy maintsy mitady hevitra hampandrosoana foana. Ho an’i Jesosy ny fahotana tsy ny hoe manao ny zavatra voarara ihany fa ny tsy manao izay tokony hatao koa. Ilay mpanompo tsy mahasoa voalaza eto tsy nanao ny tsy rariny velively akory. Tsy nangalatra ny fananan’ny Tompo izy, Noheveriny mihintsy fa tsy misy mahadiso azy raha mamerina ilay talenta amin’izao izy. Tsy ampy anefa izany. Tsy nanao ratsy izy akory fa tsy nanao ny soa kosa. Ny Soratra Masina moa dia mampianatra indrindra momba izany ka lazainy fa tokony ho hangatahana famelana ny mety ho tsy fahavitana ny mihoatra ny tokony natao : »Mpanompo tsy mahasoa izahay ka izay tokony ho nataonay ihany no vitanay, »

Fa tia ny hanome antsika ny fifaliany ny Tompo. « Izay manana dia homena ka hanam-be izy ». Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao. Ny Fanjakan’Andriamanitra tsy feno harena ara-nofo akory, fa feno fifaliana dia ny fifalian’ny Tompo. Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hananatsika izany fifaliana tsy manampahataperana izany, ka hananatsika izany dia ny ety ambonin’ny tany aza. Raha manonona ny fanekem-pinoana isika. Ny faran’izany fanekem-pinoana izany dia ny hoe : « Mino ny fiainana mandrakizay » Ary io fianana mandrakizay izay hanjakan’ny fahasambarana no hampidiran’ny Tompo antsika.

Fa tsy mety ny mijanona amin’ny lafiny tsaran’ity fanoharana ity ka hanapaka ny fampianarana nataon’i Jesosy. Andriamanitra dia manaja ny fahafahan’ny tsirairay nefa kosa hitsara ny nampiasantsika izany fahafahana izany.

Tompon’antoka tanteraka amin’izay ataotsika isika, ka tsy afaka miala andraikitra amin’izay vita sy tsy vita. Misy mihevitra fa efa voatefy ny olona tsirairay ka tsy afaka miala amin’izany nanefena azy izany. Noho izany dia tsy tompon’andraikitra izy raha misy tsy vita na raha misy tsy mety. Saika miala andraikitra daholo ny olona ankehitriny. Tsy fantatra intsony iza no ho tazonina. Amin’i Jesosy tsy izany. Notsindriny tsara fa na dia niezaka aza ilay mpanompo ratsy fanahy ka nanome tsiny an’Andriamanitra dia nambarany fa tsy afa-miala izy satria efa nomena fahafahana ka ho tsaraina ny amin’izany. Sao dia tsy mba raisitsika ho zava-dehibe aza ny ho avitsika mandrakizay. Sao dia tsy raisitsika ho zava-dehibe ny andraikitra napetraka tamitsika. Sao rehefa tonga ny fanadinana antsika, ny hataotsika dia ny manilika andraikitra tahaka ity mpanompo ratsy sady malaina ity. Mpitsara tsy miangatra Andriamanitra. Mitsra antsika araka ny fanapaha-kevitsika Izy. Ilay mpanompo ratsy voalaza ny fanoharana dia mahafantatra tsara ny nataony ary noheveriny fa manana ny marina izy amin’izany, fa ny Tompony no diso. Izy mihintsy no nanapa-kevitra tsy hampitombo ny talenta. Naverin’ny tompony taminy anefa izay nolazainy ka dia izy ihany no nitondra ny fanamelohana ho an’ny tenany. Mpahazo antsika koa izany. « Raha nataonao ho tahaka izao aho Andriamanitra tsy ho tahaka izao ny zavatra vitako. Saingy tsy nomenao izany talenta izany aho, akory hatao fa dia mijanona aho » Izany mazàna no fialana ataotsika . Andriamanitra no diso fa tsy isika .

Tsy ho ela dia ho tonga ny Advento. Ny baikon’ny Tompo amin’izany Advento izany dia ny hoe : « Miambena » Izao anio izao dia efa manoritra sahady ny ho avitsika isika.

Raha tonga anio ny Tompo ka hanadina ny momba ny fananany napetraka tamitsika, efa nampitomboitsika daholo ve ireo talenta nomeny antsika. Sao misy talenta miafina any ho any tsy nampitomboina fa natory fotsiny. Amin’inona no mbola tokony hiasatsika misimisy kokoa ho an’ny hafa sy ho an’ny Tompo.