ISAN-TAONA eo amin’ny tantara , azo lazaina aza fa ao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana dia mankalaza ny 1 novambra ho fetin’ny masina ny kristiana.

Ny tena mahavariana raha mijery ny sara-babem-bahoaka dia hita fa betsaka ny mitanzozotra eny amin’ny fasana hametra-boninkazo, na miondrika eo anatrehan’ireo izay nandao ity tany ity.

Andro natao tsy hiasana koa moa ka dia mivezivzy ny fianakaviana mba hahazoana mihaona :tahaka ny fivoriam-pianakaviana, na ny fahatsiarovana ny malala izay vao tsy ela no nandao ny ankohonany.

Tsaroana ho mafy ihany izany, indrindra raha sendra lavitry ny tany niavina , ka tsy manana havana akory. Ary mametsovetso irery ny tena..

Raha ny izy dia rahampitso, ny atao hoe fetin’ny maty vao miresaka izany.

Fa ny tiako ho marihina, dia nisy mpivavaka iray izay nanadiady mafy ny amin’ny fahadisoana vitany raha ho voavela heloka izy na tsia : i Martin Luther, tany Alemana. Dia nampahafantarin’ Andriamanitra azy ny fitiavany azy tao amin’ny Epistily ho an’ny Romana 3 :21-26 rehefa namaky izany Luther

21. Fa ankehitriny dia efa nahariary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany. 22. dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino ; fa tsy misy hafa. 23. Fa samy efa nanota avokoa izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, 24. nefa hamarinina maimaim-poana amin’ny fahasoavana izy noho ny fanavotana azy ao amin’i Kristy Jesosy, 25. Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ny rano ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy amalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny fandeferany, 26. mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.

Nampiova ny fandraisan’i Luther ny Tenin’Andriamanitra ireto an-dalan-tSoratra Masina.Tsy ho voazava eto daholo izany . Fa teo no nahatonga ny hoe » Ny Fanavaozana eo amin’ny Fiangonana, tsy hoe nanohitra akory, fa hanitsy no tena tao an’tsain’i Luther sy ny fandikana ny Teny izay vakina ao amin’ny Baiboly. Misy ireo Mpanavao toy an’i Martin Luther tany Alemana, izay « moine », nisy koa an’i Jean Calvin teto Frantsa, izay mpahay lalàna , ary nisy koa ny tany Suisse : Zwingli…Izy roa lahy ireo no nahatonga ny anarana hoe « Fiangonana Loterana », na Fiangonana Calviniste izay atao hoe « Réformée ». Nana lova mpivavahana amin’ireo koa ny Fiangonana hafa isan-karazany niorina taty aoriana. Ny foto-kevitra iraisan’ireny no nahatonga hoe «  Fiangonana Protestanta ». Mbola ho hitantsika any aoriana. Ny fiangoanana protestanta anefa dia manana ireto lohan-kevitra ireto izay iraisana

1. Ny famonjena dia maimaim-poana

2. Ny famonjena dia avy amin’ ny finoana

3. Ny fahasoavana dia maimam-poana

4. Ny fahefana dia ny Tenin’ ny Soratra Masina

5. Ny asan’ny Fanahy Masina

6. Ny fiangonana sy ny fiainam-panahy

Dia izay no nahatonga ny alahady faran’ny volana oktobra ho alahadin’ “Ny Réformation”. Andriamanitra no manarina sy manamasina fa tsy misy kristiana marina sy masina fotsiny amin’izao. Famintinana ihany ny ahy fa tsara ihany ny manadiady hahafantarana ny tantaran’ny Fiangonana sy ny finoany.