TENY ho vakiana

MALAKIA 1 : 14b, 2 : 1-10

I TESALONIANA : 2 : 7-13

MATIO 23 : 1-12

Ny filazantsaran’i Matio voalahatra ho dinihina anio dia hahitantsika ny iray amin’ ireo fifandonana nisy tamin’i Jesosy sy ny Mpanora-dalana. Tsy niresaka nivantana tamin’ny Fariseo sy ny Mpanora-dalana Jesosy na dia hita ihany aza fa nanatrika teo ireo, fa kosa ny mpianany no nampisehony ireo fihetsika tsy mahomby fanaony ny Fariseo sy Mpanora-dalana . Toa avy hatrany isika dia manaiky fa marina izay notenen’ny Tompo, ary avy hatrany dia mitsara ary manameloka. Saingy ny hadino rehefa eritreretina tsara izay voalaza isika dia tratra izany koa matetika.

Telo ny zavatra tsy mahomby fanaon’ny Fariseo sy ny Mpanora-dalana, rehefa avadibadiko dia ny fahalemeko na ny fahatsotsako koa izany. Noho izany dia mora ny manameloka. Ndeha ho jeretsika amin’ny fomba tsy miangatra izay hitovizantsika aminy Fariseo.

Voalohany ny miteny nefa tsy manao izay lazaina. Hoy Jesosy « Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no hipetrahan’ny Mpanora-dalana sy ny Fariseo ; koa amin’izany izay rehetra lazainy dia ataovy fa aza mba manao araka ny asany  » Matio 23 :2-3 . Endrey izany toriteny ataon’ny Mpitandrina sy ny Mpitoriteny, firifiry no latsa-dranomaso maheno izany. Saingy toa ny mifanohitra amin’izany ny toetra asehon’izy ireo mazàna. Ary tsy izy ireo ihany fa isika mianakavy koa mitovy amin’izany. Teha hiseho ho kristiana ka maro ery ny anatra ataotsika nefa tsy ataotsika akory izany.

Faharoa ny fitiavana hanjakazaka ka manery ny olona hitondra entana tsy zakany nefa tsy mety mitondra izany. Jesosy nilaza izany dia hoy Izy : « Mamehy entana … mavesatra, ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona nefa tsy mety manetsika izany. » Matio 23 :4 Tany amin’ny toerana iray hono nisy renim-pianakaviana kristiana izay nanery ny mpiasa an-tranony hihina kisoa sy tongolo izay fadiny, nefa tsy nety mihina voakena rehefa mba noroson’io mpiasa io, satria fadin-drazany. Angaha moa izy ihany fa tsy izaho koa tratran’izany.

Fahatelo ny fitiava-kiseho. Saika ny olona rehetra no tratran’io. Tadiavina daholo izay fomba hahitana ny tena : fomba fiakanjo, ny fihetsika ny toerana hipetrahana. Tsy lany diakona intsony ity rangahy iray, vava izao, nisy niala anefa ny voafidy ka dia tafiditra diakona ihany rangahy. Tsy ny miasa anefa no hitiavany ho diakona fa ny miankanjo fotsy mitovy amin’i Pasitera sy ny mipetraka ery amin’ny alitara.

Nampitandreman’ny Tompo ireo mba tsy hahalatsaka antsika amin’izany. Nefa tsy nijanona tamin’izay Izy fa nosoritany kosa ny toetra mahamendrika tokoa hatao :

Ny voalohany ny mifankatia. « Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa hoy ny Tompo » Matio : 23 : 8 Ho antsika kristiana toa tsy vaovao izany. Ary gaga ihany isika raha izany no heverin’ny Tompo ho zava-baovao. Nefa dia tsara ihany ny milaza fa fitoviana tanteraka no tiana ho lazaina ka tsy hijerena izay maha ambony na ny voninahitra hisalorantsika izany fa dia fifankatiavana tahaka ny mpirahalahy, ka tsy misy ambony sy ambany.

Ny faharoa ny fahatsorana : »Aza mba mety hatao hoe Raby » Matio 23 : 8 Ny tena fahatsorana dia ny fanekena fa Andriamanitra ihany no mendrika ny voninahitra, ka ny hiantsoan’ny olona ny tena ho mpampianatra na ny mpitarika akory aza dia tsy tokony ho enkena fa Iray ihany no mendrika izany satria mihoatra ny rehetra dia Andriamanitra, ny rehetra dia mitovy avokoa.

Fahatelo ny fanompona « Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo, fa izay manandra-tena no haetry ary izay manetry tena no asandratra. » Matio 23 : 12 Izany fanompona izany araka an’i Jesosy tsy maha ambany velively akory. Ny fanompoana ny hafa tsy manambany antsika akory vao maika aza maha ambony antsika satria mitondra fifaliana ny fitiavana ny namana ka ampisehoana izany amin’ny asa.

Tompo ô asehoy aho anio ny fihetsika hahamendrika ny maha-kristiana ahy, mba hahazoako mandrindra ny teniko amin’izay ataoko, mba hahatonga ahy tsy hanindry hazo lena ny namako, ary hisalotra fahatsorana ka hanao ny fanompona ny hafa ho zava-dehibe