Tao anatin’ny alahelo ireo mpanaradia an’i Jesosy. Josefa avy any Arimatia no nikarakara ny fandevenana Azy.

Inona intsony moa no azo atao. Manaiky ny fahafatesany.Efa fantatsika ny zavatra nitranga.

Na dia atao aza hoe efa ho 2000 taona lasa izay no nisin’ny tantara ka noho ny finoana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia mitovy ny  andro rehetra. Satria tokony hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra fa tsy misy mahasamihafa azy.Marina izany fa saingy misy antony matoa afaka telo andro vao nitsangana tamin’ny maty Jesosy ary teo ny nankalazaina ny fahavelomany taty aoriana.

Zava-dehibe ny hakana fotoana ho fahanginana ny andro tahaka izao.

 Hahatsiarovana ny olona rehetra voadonam-pahoriana amin’ny lafiny iray. Ilaina ilay fotoana hipetrahana sy iarahana misento mba hahazona mihatrika ny ampitso. Ilaina ny fotoana fahanginana na dia maro aza ny olona ao an-trano. Eny fa na dia ny tena irery koa aza.Nefa indraindray tsy afaka hitokamonina  fa tsy maintsy mifanerasera amin’ny hafa. Tsy misy antony anefa hiravoravona fa tsy fanajana ny manapahoriana  izany.Io fotoam-pahanginana io koa no mahatonga ny tsy hanaovana lalonam-pifaliana toy ny mariazy  any am-piangonana. Azo isaina amin’ny ratsantanana ny manao izany. Raha misy hira atao aza dia malefaka izany.Ity fotoana sabotsy alohan’ny Paska ity dia fiombonan-alahelo amin’izay manam-pahoriana rehetra. Tsy mivavaka ho an’ny maty akory sanatria satria izy ireny dia efa napetraka amin’Andriamanitra ny fiainany. Fotoana hieritreretana ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fahafatesana ary ilaina fahanginana izany. Nahoana no nampijaliana Jesosy ka maty ? Naninona i Pilato tsy nanavotra Azy ? Nahoana koa no mbola misy olona hampijaliana amin’izao adrontsika izao ? Malahelo noho ny amin’izany ary ny fahafatesana dia miteraka fanontaniana maro .Mandalo amin’izany daholo ny olombelona fa saingy ny fisarahana koa dia samy manana ny hiainana azy.

Misy ny manaiky izany eo no eo. Misy kosa ny mila fotoana maharitraritra. Fa misy koa ny tsy hanaiky izany mihitsy. Maro no antony mikasika azy ireo tsirairay avy tsy ho voatanisa eto. Fa anisan’izay azo lazaina dia nahoana no izy(Izy) no maty ?

Ao anatin’ny alahelo dia mila fitoniana ny fieritreretana izany. Mila fahanginana.