TENY ho vakiana

LIOKA :1-14

Tantara efa diso haitsika loatra. Ary efa impiry moa isika no nadreha toriteny izay notakarina avy amin’izany tantaran’ny Noely izany. Marina fa tsy mahamonamonaina antsika ny mandreha ny tantaran’ny Noely, saingy efa fantatsika sahady izay zavatra hitranga, hany ka ny mahatonga antsika tsy ho leony dia satria nolarontsika kotaba sy fetifety izy ka mazana iny no tadidy kokoa.

Tsy vitsy ny mino fa fotoana hafa mihintsy no entin’ny Noely ary marina ny lazainy.Ary dia tohizany fa hisy ny fiovana ka fahandriampahalemna sy fiadana no hanjaka eto an-tany noho izany ka hivitrana daholo ireo fiavanana tapaka rehetra. Toa nofy ihany izany. Manaiky hampitsahatra ny ady ny sasany amin’io andron’ny Noely fa vao dila izany dia injao indray ny firefotry ny basy sy ny fidoboky ny tafondro. Mandra-pahatongan’ny hanjakan’ny fahazavan’i Kristy eto amin’izao tontolo izao dia mbola hisy foana ny tsindry hazo lena ny fanambakana ny filana sotasota, ny fitiava-kanjaka, ny fitiava-kely sy ny sisa.

Toa tsy nitondra fiovana loatra amin’ny fiainantsika andavan’andro ny fahatsiarovana ny nahaterahan’i Jesosy tany an-tranon’ombin’i Betlehema.Toa mbola ao ihany ireo zava-manahirana antsika, toa eo ihany ny fahantrana, ny tsy fisina, ny tebiteby. Fanatenana hafa noho izany no anteraky ny nahatongavan’ny Tompo. Tsy manaiky ataotsika ho mpanao hatsarana, na mpanao majika Jesosy ka hanova ao anatin’ny indray mipy maso izao tontolo izao satria tsy haitsika olombelona ny mandrindra sy mandamina azy.

Izay hitatsika ao Betlehema dia hafa noho izany, tafalatsaka lalina ao am-po fa tsy ravoravo hatetina fotsiny akory. Tsy manao tahaka ny mpanao politika akory ny Tompo ka hampanatena anao ny tsy misy ; Ny hasehony dia na ao aza ny ady, ny fahoriana, ny fahantrana dia tokony ho hain’ny olombelona ny manatosaka ny fitiavana. Izay ny hafatry ny alin’ny Noely tany Betlhema iny. Ny tsirairay avy na dia ao aza ny fahalemeny na dia ao azany fahantrany, ny fahoriany, ny fahakivy, ny fahareseny ny fahambaniany dia afaka mitia.

Teha-hitondra antsika eo am-pihinanam-bilo ny Tompo ka hijery ny hibanjina an’ity zaza vao teraka nolazain’ny anjely ity, mba hahazoantsika mandray ny hafatry ny Noely.

Zaza vao teraka dia malemy ary miankina betsaka amin’ny ireo manodidina azy ny mety ho fahavelomany.Ary tahaka izany koa ity tsirim-pitiavanan’ny Noely ity dia pitik’afo kely fotsiny any am-boalohany fa mila anao hanolokolo azy mba hahatonga azy ho afo handoro ny ady, ny fahankahalana, ny tsindry hazo lena, ny fanambakana.

Nahoana no mbola misy ireo eto ambonin’ny tany ? Mbola misy izany satria tsy mbola hain’ny olombelona efa fa na dia ny Kristiana aza ny nikolokolo azy.

Ny zaza vao teraka koa dia malemy, mila ny manodidina hanome azy ny fikarakarana rehetra sy ny sakafo mba hahatonga zy ho velona. Ny finoan’ny Noely dia mila anao hikarakara azy, hanome sakafo azy raha tsy izany dia ho faty izy. Hadinonao ve ry havako ny nivavaka androany, ny namaky ny Soratra Masina androany sao tsy ampy sakafo ilay finona ka ho faty e ! Sedrain’ny fahadisom-panatenana ny finoanan’ny sasany, tabain’ny famadian’ny olona nitokisa, akorotan’ny tsy fahafahana fanadinana aza dia maty. Tsy mahagaga malemy tsy ampy sakafo ka izany fotsiny dia nahafaty azy.

Vao teraka ny zaza dia mifantoka any aminy daholo ny saina rehetra. Tsy misy ambony ao amin’ny fianakaviana manotolo hafa tsy izy irery. Mila ny fanajana izy mila ny fitiavana izy, miondrika eo anatrehany daholo ny rehetra. Io Zaza teraka any Betlehema io koa ry havana dia mila ny fanajantsika mila ny fitiavantsika. Tokony tsy hisy mihintsy na dia iray aza ao amin’ny fiainantsika ho ambony noho Izy

Ny zaza vao teraka marina fa maleny, saingy isika rehetra samy mahafantatra fa ho lehibe izy ary hatanjaka ka hanana hery. Ny fanatenan’ny Noely koa ry havana dia ny fahafantarana fa io Zaza vao terka io dia manana hery lehibe ka tsy hisy hahatohitra Azy. Koa nahoana no misalasala aho nahoana no misalasala hianao. Nahoana no mbola mitady hery hafa indray aho hasoloko Azy.

Ireo no hafatry ny Krismasy 2000 amintsika.Mila anao hakany Betlehema, ao antranonomby, ary hibanjina ilay zaza vao teraka vohopdidina lamban-jaza mba hahazoana mandray izany. « Fa Mpamonjy no teraka ho anao anio ao an-tananan’i Davida dia Kristy Tompo