Samy manana ny fotoana ankalazana ny herinandro masina ny Fiangonana tsirairay.

Ao ny manao izany manomboka ny alahadin’ny sampan-drofia ka hatramin’ny zoma masina.Ao kosa ny mankalaza izany na ny alakamisy na ny zoma. Misy dia izy roa ihany koa.Samy mety daholo satria tsy misy filazana ao amin’ny Baiboly hoe tahaka izao no arahina. Fa ny fahatsiarovana ny zavatra nitranga mba tsy ho hadino no hanaovana fandaharana.Hahazona mieritreritra koa ny antony nahatonga izany.

Ny ho resahina eto dia ny Alakamisy masina izay natao hahatsiarovana ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo.Ao amin’io fotoana io no andrenesantsika ny hoe :

 « Ny mofo izay vakintsika dia firaisana amin’ny tenan’i Jesoa Kristy Tompontsika izay novakina ho antsika.Satria iray ihany ny mofo dia tena iray ihany isika, na dia maro aza.Fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo izany avokoa.

Ny kapoaky ny fisaorana, izay isaorantsika, dia firaisana amin’ny ran’i Jesoa Kristy Tompontsika,ny ran’ny fanekena vaovao nalatsaka ho famelan-keloka.

Marihina fa zava-dehibe ny niarahan’ny Tompo tamin’ireo mpianatra 12 lahy tamin’io fotoana io. Izy ireo dia samy nanana ny fiaviny. Samy nanana ny asany. Ary tao koa aza i Jodasy izay nolazaina fa namadika ny Tompo taty aorina.

Ny Fanasan’ny Tompo izany dia natao ho an’ny rehetra. Ho an’izay nahatsiaro fa ny Tompo no manasa azy. Misy mantsy diso fihevitra ny fiangonanana sasany. Tahaka ny hoe : raha misara-mpanambadina, na niteraka tsy manabady, na manao tokan-trano maso dia tsy tokony handray ny Fanasan’ny Tompo. Misy antony no mahatonga ireo olona ireo ho amin’izany. Tsy tokony hanomezan-tsiny. Fa kosa hieritreritra ny rehetra mba hanampina an’izy ireny. Satria mba ao anatin’ny adi-tsaina koa izy ireny. Raha manilika an’izy ireny dia toa ohatrin’ny manao hoe : izahay dia tena olo-marina daholo. Misy ny mibaribary ny fahalemeny. Misy kosa tsy misy mahita ny fahalemeny dia maika ny hanakina. Tsy mahatsiaro ny mivavaka akory fa tonga dia manenjika.

Raha tahaka izay no izy dia tsy niara-nisakafo tamin’i Jodasy ny Tompo.

Ny maha-zavadehibe koa ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia ny fiarahan’ny rehetra. Tsy misy hoe itsy sy iroa ihany no afaka mandray ny mofo sy divay.Raha te-hanatona ny Tompo amin’ny alalan’ny teny izay reny ve ny sasany dia ho rarana. Aoka tsy ho hadino fa maro ny te handroso hanatona ny Tompo fa saingy maro no mametraka olana amin’izany.

Ilaina ny fitaizana sy fanazavana ary fampianarana fa tsy tokony ho fanerena.Mba afaka mieritreritra koa ange ireny olona hailika sy tsaraina ireny. Mbola mila fotoana kely izy . Mbola hanatona izy.Ary ny toetrantsika aloha no jerena voalohany fa tsy ny an’ny hafa.

Ny maha-zavadehibe ity fiaraha misakafio ity dia tsy misy ny fanavakavahana.

Raha ny izy dia toeran’ny fampihavanana sy fihavanana ny fiaraha- misakafo. Tokony hivaha ny fon’ny rehetra fa tsy hijery vilana ny hafa. Ka miteny anakampo hoe : Tahak’izao itsy nefa tonga iray latabatra amiko. Ahoana moa izany fomba fisainana izany ?  Fa iza isika no mahalala ny ao anatin’ny fo. Inona izany mihinan-kanina nefa feno fahatezerana sy fankahalana.Tsy mahita fifaliana sy tsiron-tsakafo akory.

Anjaran’ny tsirairay ny mandinika ny amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Sakafo iantsona ny rehetra. Eo koa no mahatonga ny maro hiova fo.

Hoy ny Tompo : « Andeha fa efa voavotra avokoa ny zavatra rehetra »

Rentsika koa ny hoe :

Hoy Jesoa Kristy : « Ity ny tenako, raiso, hano , izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy »

Hoy koa Jesoa Kristy : « Sotroinareo rehetra ity, fa ity ny rako, dia ny amin’ny Fanekena Vaovao izay alatsaka ho an’ny rehetra ho famelan-keloka. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. »

Ny rehetra no izaran’ny Tompo ny sakafom-panahy. Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa kristy Tompontsika no manasa fa tsy isika olombelona akory. Andriamanitra koa no mamela ny heloka fa tsy ny olombelona akory.Koa ahoana no handavana izany ho an’ny hafa. Tokony ho faly aza isika ho an’izay mangetaheta ny hanatona an’i Kristy Mpamonjy.