Maro ny milaza fa fikapohan’Andriamanitra ny fahoriana na ny loza  manjo ny olona na firenena . Mahagaga ihany izany eritreritra izany. Indrindra ho an’ny olona izay mamaky ny Soratra Masina na milaza ny tenany ho kristiana.

Marihina fa voalaza ao ny olona izay ao anatin’ny fahasahiranana noho ny fahantrana, ny aretina, noho ny fahaverezam-pananana vokatry  ny horohoron-tany na ny tondran-drano, na tsy  fisian-tsakafo sns …

Misy koa ny firenena izay tena mijaly noho ny ady saritaka vokatry ny tsy fifanarahan’ny mponina ao na mponina avy any ivelany. Maro karazany ny zavatra misy mahatonga fahasimbana ny olona tsirairay ary tsy mitovy ny havesatr’izany aza.

Marihina fa tsy misy olombelona izay tsy manan-javatra manahirana.

Re matetika koa fa kapoka avy amin’Andriamanitra no nahatonga ny fiainan’i Ranona  tahaka izao satria toy izao no toetrany. Na koa hoe : kapoka ho an’ny firenena izao zava-manjo izao.

Ny fanontaniana dia  hoe : Iza izao Andriamanitra mikapoka  izao ? Satria raha misy tsy mety ataon’ny zanak’olombelona dia faiziny ary saziny izany ??

Olombelona no nanoratra ny Soratra Masina. Maro dia maro ary tsy fantatra akory aza ny nanoratra ny boky sasany. Samy nanana ny tsidrin-mandriny izy ireny tamin’ny fanoratana. Samy miaiky isika ny haren’ny literatiora isa-karazany hita ao nandritra ny fotoana maro nifandimby. Amin’ny lafiny maro : sosioloja, psikolojia, filozofia,arkeolojia,  tantara sy ny hafa …

Ho an’izay tia mamaky boky na kristiana na tsia dia hahita zavatra mahavariana  eo amin’ny soratra rehetra eo. Noho izany ny irina dia tsy hamaky be fahatany fa manontany hoe : ho an’iza no nanoratana an’io aloha ary inona no antony nahatonga ny zava-niseho tamin’izany fotoana izany ?

Miverina amin’ilay hoe « mikapoka ve Andriamanitra ? » Izany hoe : Tena mikapoka tokoa ve Andriamanitra ? Toa mahakivy ihany satria ohatrin’ny hoe : tia mampijaly izany Andriamanitra ? Ny kapoka manko dia maharary ary hita ny manao izany raha tsy hoe misaron-tava angaha.

Ndeha haka ohatra 3 aloha eto amin’ity lohateny androany.

Genesisy toko 1 sy 2 :

Tantara roa samihafa  no voalaza tamin’ny famoronana izao tontolo izao sy ny olombelona- Soratra tamin’ny 587 talohan’i Jesosy Kristy.Somary manahirana izany ny nametrahana azy any amin’ny fiandohan’ny Soratra Masina.

Gen  1 : 26…  Gen 2 : 21…

Ireo dia mampiseho : «  ahoana marina izany araka ny Soratra Masina ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona » ?

Ny bokin’i Estera .Tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahasoerosy 33926-3406 talohan’i J.K. Nohenjehana mafy ny jiosy tamin’izany fotoana izany satria nisy ireo mpitondra tamin’ny firenen-kafa te hanjaka tamin’ny tany maro . Ary Estera niaraka tamin’i Mordekay izay havany no nanavotra ny fireneny.

Ny mahagaga ato amin’ity bokin’Estera ity dia tsy hahitana ny anaran’ny Tompo Andriamanitra na dia indray mandeha aza. Tsy nisy filazana fa Andriamanitra no nifidy an’i Estera. Ny voalaza aza dia nofidin’ny mpanjaka ho vadiny izy. Ary nanomboka teo dia nikotroka ny fomba hanavotany ny fireneny izy sy Mordekay. Ary nivadika ny tantara.Ny jiosy izay nampijalina indray no nihetsika ary niady tamin’ireo izay namabo azy.  Boky sy tantara tian’ny maro noho ny fahasahian’i Estera.

Tsy nisy filazana fa Andriamanitra dia nikapoka itsy firenena itsy na iroa firenena iroa.Na dia resy aza ny mpampijaly.

Ny bokin’i Joba. Ity koa dia boky manahirana ny sain’ny maro.Tena nijaly tokoa i Joba tamin’ny aretina sy ny fahoriana nahazo azy. Misy toko 42 ny boky.Mafana dia mafana ny adi-hevitra momba ny fifandraisan’i Joba sy Andriamanitra.

Tahaka izao ny amin’ireo toko ireo aloha.

1 :1- 2 :13 ; 42 :7-17 . io no tantaran’i Joba. Karazana angano.

Natsofoky ny mpanoratra anefa hanazavana ny fiainan’i Joba, ireo namany 3 lahy sy Eliho izay heverina fa mpisolovava an’Andriamanitra.

3 – 31 :40   resaka nataon’ireo 3 lahy naman’i Joba akaiky taminy.

32 – 37 :24  resaka nifanaovan’i Joba sy Eliho.Eliho dia heverina fa mitondra ny tenin’Andriamanitra.

38- 42 :6  resaka nifanaovan’i Joba sy Andriamanitra

Ao anatin’ny 42 toko dia azo lazaina fa any am-boalohany sy any amin’ny farany no miteny Andriamanitra. Fa ny sisa dia adi-hevitri’i Joba ireo namany.Tsy misy filazana fa nikapoka an’i Joba Andriamanitra .

Mahavariana ihany raha hampijaly ny olombelona Andriamanitra satria izany ny kapoka. Matoa voaforona ny olombelona dia satria tao ny fitiavan’Andriamanitra. Ary tsy hanao izay hampalahelo ny olombelona Andriamanitra.