Ireto ny teny torina amin’ny faran’ny taona 2013

Isaia : 63 : 7-9

Ny akapoben’ny bokin’i Isaia dia milaza ny fahoriana nanjo ny Zanak’Israely.

Notafihin’ny Asyriana ary babo. Avy eo koa dia mbola notafihin’ny Babyloniana. Nandositra tanteraka ny tany nitoerana ny ankamaroan’ny olona. Tao koa ny mbola babo.  Ny tanana masina toa an’i Jerosalema dia potika.Naharitra taona maro ny fahoriana nianjady. Ho an’ireo izay tafajanona tao an-tanindrazana dia nangidy tokoa. Ho an’ireo izay afa-nandositra izany dia fahorian-tsaina satria tsy fantatra ny hiverenana. Ho an’izay babon’ny fahavalo ka nentin’ny fahavalo hiala ny tany an-terivozona dia tena mafy koa. Kivy daholo.

Taloha ela be izany tantara izany nefa tsy mety hadino. Soa fa nisy ny tsirim-panantenana amin’ny teny nentin’i Isaia mpaminany fa tsy mandao ny fireneny Tompo Andriamanitra.

Koa raha tsy nandao Andriamanitra nahoana no misy izao fanitsahan’ny fahavalo izao ?

Ary miafara amin’ny fahafatesana aza.

Koa nirahina Isaia hijoro hitondra fampaherezana. Hita izany amin’ny alalan’ny hira izay ao anatin’ny bokin’Isaia.

Ity perikopa androany ity dia milaza ny fitiavan’Andriamanitra ny firenena. Saingy ny hadalan’ny olombelona no nahatonga ny fahoriana nihatra tamin’ny firenena. Niala tamin’ny fitiavan’Andriamanitra ka tsy afaka nanafaka na nanarina ny firenena. Satria nanao izay saim-pantany ny mpitondra. Tonga ny ady ary ela vao tonga saina.

Amin’izao faran’ny taona izao dia mbola misy ireo firenena izay voahitsaka ary ny fahavalo dia manapatra ny hery noho ny fananany fitaovan-piadina. Maro ny mponina no mandady amin’ny tany satria tsy manakaleha. Ny mpitondra fivavahana tsy dia hatokisan’ny olona intsony ny ankamaroany. Ahoana no hanavotana ny firenena latsaka amin’izany fahoriana sy fahabaoana ataon’ny hafa izany.

Ny fandinihan-tena no voalohany enti-manana ny fandinihana izay ho fanavotana. Fandinihin-tena eo anatrehan’Andriamanitra. Ary vonona amin’ny fibebahana . Izany hoe : ho amin’ny fiovana. Io no mitondra fahazavana. Fibebahana na fiovana tsy handiso fanantenana ny Tompo Andriamanitra.

Kolosiana 3 : 12 – 21

Fintinina toa izao ny zava-dehibe ao :

Ny olona izay voafidin’Andriamanitra dia afaka mandefitra. Ary mamela heloka.

Tena sarotra anefa io satria mila famolahana ny saina sy ny fanahy. Atao ahoana ny hamela heloka izay namono olona na tamin’ny teny na tamin’ny basy na antsy.

Tsy mora no lazaina ho an’ny Kolosiana eto. Fa mahakasika antsika tsirairay izany.

Raha mbola tsy tonga amin’izany famelan-keloka izany ny kristiana dia tsy mpanaraka an’i Kristy.

Matio 2 : 1 – 23

Maro eran’izao tontolo izao ny olona voahenjika noho ny antony maro samihafa. Eny fa na dia ny zaza menavava aza voatery mandositra.

Ny fanontaniana dia ny hoe : Inona no manjo ny olona fa be dia be ny mifankahala ary te-hamono tsy mitsahatra ? Mibaribary ary feno habibina aza ny fisehoan’izany. Misy ny tsy afaka hihavana raha tsy efa maty ny mpanenjika azy.

Rehefa jerena eto amin’izao tontolo izao dia tsy misy fiadanana na fandriham-pahalemana satria misy ny tsy manaiky ny hisin’izany. Fa ho an’izay mino ny fitiavan’Andriamanitra ka miditra amin’ny fanavaozana ho olom-baovao. Izy ihany ny manana ny fiadanam-po.

Maniry ny taona 2014  ho am-poky ny soa sy fiadanana ao am-pon’ny  tsirairay.Amena